Tonizia: Sidi Bouzid Mitroatra. . . Indray

Sidi Bouzid, ilay tanàna Toniziana niaingàn'ny onjanà revolisiona tany amin'ny tontolo Arabo efa ho herintaona sy tapany mahery, dia toa mangotrangotraky ny andianà hetsi-panoherana vaovao indray. Manosika ny vahoaka ireo olana ara-toekarena, sosialy sy politika, ny vahoaka izay maneho tsy fahafaham-po misonga hatrany  amin'ny governemanta eo an-toerana amin'izao fotoana.

Tamin'ny 9 Aogositra 2012, ny Nawaat, fiombonan'ireo mediam-bahoaka, dia nizara ity lahatsary ity ao amin'ny YouTube mikasika ireo onjanà hetsi-panoherana vaovao :

Ny fanazavana miakara amin'ilay lahatsary dia mivaky hoe [ar] :

التحرّك جاء للمطالبة بإطلاق سراح الموقوفين خلال الإحتجاجات الأخيرة المندّدة بالتأخير في تسديد أجور عمّال الحظائر و تواصل إنقطاع الياه الصّالحة للشراب بعديد المناطق بسيدي بوزيد. كما طالب المحتجّون بتسوية وضعيّة عمّال الحظائر و بإقالة مدير منطقة الحرس الوطني، وكيل الجمهوريّة ووالي الجهة، إلى جانب المطالبة بإقالة الحكومة نظرا لعدم كفائتها و عجزها عن ردّ الإعتبار لولاية سيدي بوزيد. الوقفة حافظت على طابعها السّلمي إلى أن بدأ البعض في محاولات لإقتحام مقرّ الولاية،وهو ما دفع بقوات الحرس الوطنّي التّي كانت تحرس المقرّ من الدّاخل إلى إستعمال الغاز المسيّل للدموع لتفريق المُحتجّين. هذا و تواصلت المشادّات و التراشق بالحجارة في الأنهج المجاورة لمقرّ الولاية، ممّا سبّب إصابات لدى المحتجّين. هذا و سُجّلت بعض الجروح الخفيفة في صفوف الشّرطة و الحرس.
Ilay hafanam-po dia niantomboka tamin'ny antso iray hanafahana ireo voatàna nandritra ireo hetsi-panoherana farany izay nitarainana (ireo mpanao fihetsiketsehana) mikasika ny fahataran'ny fandoavana ny karaman'ireo mpiasan'ny kaominina any amin'ny toerana fanatobiana entana sy ny fitohizan'ny fahatapahana rano fisotro any amin'ny faritra maro ao Sidi Bouzid. Nangatahan'ireo mpanao hetsi-panoherana ihany koa hanatsaràna ny fepetra iasan'ireo mpiasan'ny kaominina ary ny handroahana ny lehiben'ny Garde Nationale ao amin'ny faritra, ny solontenan'ny Repoblika ary ny Governoran'ny distrika. Nangatahan-dry zareo ihany koa ny fametraham-pialàn'ny governemanta noho ny tsy nahavitany andraikitra sy ny tsy fahavitàny mamerina amin'ny toerany ny fotoam-piasana ao Sidi Bouzid. Nitàna ny endriny ho am-pilaminana ilay hetsika mandra-pisian'ireo sasany nanandrana hiditra an-keriny tao amin'ireo toeram-piasan'ny Governora. Io no nitarika ny Garde Nationale, izay niambina ny faritra avy ao anatiny, hampiasa ny entona mandatsa-dranomaso hanaparitahana ireo mpanao hetsi-panoherana. Nitohy ny fifandonana satria nifampitoraka vato ireo mpanao hetsi-panoherana sy ny mpiambina, teny amin'ireo lalan-kely akaikin'ilay toerana. Iray tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana no naratra ary ratra madinika vitsivitsy no nahazo ireo polisy sy ireo mpikambana tao amin'ny Garde Nationale.

Ity lahatsary iray hafa ity, nozarain'ny Nawaat, no mampiseho ny tohin'ilay hetsi-panoherana etsy ambony :

Nanambatra ny heriny irep mpikirakira aterineto mba hotatitra ilay hetsika.

Ilay toniziana bilaogera sady mpiara-miasa amin'ny Global Voices, Sami ben Gharbia mitatitra hoe [angl]:

@ifikra: mitifitra entona mandatsa-dranomaso, bala fingotra an'ireo mpanao fihetsiketsehana ny Polisy ao #sidibouzid

Free MoulaDj manampy hoe [ar]:

العودة الى التويتر مع ثورة V2.0 ‎‪#sidibouzid‬‏

@mouladj: Fiverenan'ny Twitter miaraka amin'ny revolisiona V2.0

Ary i Med Islem Bouazizi mitatitra hoe [ar]:

عاجل-عاجل الأن : كل مدينة سيدي بوزيد في الشارع بنسائها و رجالها يطاردون رجال القمع البوليسي ‎‫#تونس‬‏ ‎‪#sidibouzid‬‏ ‎‪#tunisie‬‏ ‎‪#tunisia‬‏

@bouazizi_sbz: Vao mafàna: Ny rehetra ao Sidi Bouzid, mian-dahy miam-bavy, no midina an-dalambe mihaza ireo bandin'ny polisim-pamoretana

Niafara tamin'ny fisamborana ny fifandonana tamin'ny polisy

Nawaat nilaza tamin'ny 14 Aogositra 2012 hoe:

@nawaat: Efa navotsotra daholo amin'izao fotoana ireo rehetra nosamborina taorian'ny zava-nitranga tamin'ny 9 Aogositra #sidibouzid

MAndritra izany, ilay manampahaizana momba ny tetika ao amin'ny NPR (fampielezam-peom-panjakana Amerikana), Andy Carvin, mitatitra hoe :

@acarvin: nahita ny rohy mitondra foana mankany amin'izay heverina ho ny fampiasàna voalohany ny tenifototra #sidibouzid, avy amin'i @Chady2009, 18 Dec 2010: http://bit.ly/My4quN #tunisia

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.