Ireo Atleta Vehivavy Saodiana – Natao Resa-be Tao Amin'ny Twitter, Taorian'ny Lalao Olympika

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fanadihadiana nataonay manokana momba ny Lalao Olaimpika Ao Londona 2012.  

Torian'ny nandaozany ny lalao Olaimpika, ireo atleta vehivavy Saodiana sady voalohany teo amin'ny tantaran'ny fanatanjahan-tena Saodiana, i Sarah Attar sy Wojdan Shahrkhani dia nahazo vava ratsy tao amin'ny tontolon'ny Twitter Saodiana .

Rehefa tonga farany tamin'ny 800 metatra vehivavy, dia nahazo tehaka nirefodrefotra tamin'ireo mpijery i Sarah – ary lasa lohahevitra malaza tao amin'ny Twitter ny anarany.

Aingam-panahy

Ity ambany  ity misy santionany tamin'ny bitsika mitondra fanohanana avy amin'ireo Saodiana mpampiasa Twitter ho an'ireo atleta roa ireo:

"It's not the winning but the taking part" #SaraAttar 1st female Saudi athelete to compete ever! #olympicmoments - Twitter comment by @DIAstyle, who shares this photograph on Twitter

Tsy fandresena iny fa ny fandraisana anjara fotsiny #SaraAttar vehivavy Saodiana voalohany mba nifaninana hatrizay! #olympicmoments – fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter avy amin'i @DIAstyle, izay nizara ity sary ity tao amin'ny Twitter

Manoratra i Ali Khadra:

@aykcanvas: tsy voatery ho volamena foana ange e! Mbola lehibe lavitra noho izany ny vitanao. Misaotra anareo #SaraAttar #Wejdan #Wijdan.  Misaotra anao #KSA. Aleo tara toy izay tsy misy #2012Olympics

Feno hafaliana i Bader Aljehani:

@BooDzJ: #SaraAttar #SaraAttar, tena reharehanay ianao sy Wijdan mihoatra noho izay ao anatin'ny Ekipa Saodiana!

Lohahevitra noresahana be ny Sara Attar  🙂 #SaraAttar, hoy ny  @WordWizard manoratra ao amin'ny  Twitter. Mizara ity sary ity ihany koa izy

Ary manome toky i Nada Abu fa:

@NadaAbu: Ho hitanao eo amin'ny sary aho indray andro any. Misaotra amin'ilay aingam-panahy#SaraAttar http://twitpic.com/agw7nn

Nanala baraka anay ianao!

Etsy ankilany, ny sasany amin'ireo Saodiana mpampiasa Twitter dia  tsy mankasitraka ny fandraisan'anjaran'ireo atleta roa ireo, manome tsiny ny fianakavian'izy ireo sy ny fanjakana noho ny famelàna azy ireo “hampidina ambany” ny anaran'ny Fanjakana sy ny lazany.

Anisan'izy ireo ny mpampiasa Twitter, Faisal Abuthnain, izy manoratra [ar] ity :

@FaisalAbuthnain:سارة عطار تتوقعين الي يصفق لك او يشكرك على إنجازك الكبير؟ بل فرحة بكسرك لخصوصية مجتمعك وتعاليم دينك ونصائح عقلائه وتمردا على حجابك!!
Sarah Attar, ianao ve mihevitra fa ireo mpanohana anao ireo dia manohana anao noho ny zava-dehibe vitanao? Tsia, izany no misy dia satria nandika ny fitsipiky ny fiaraha-monina misy anao ianao, ny fampianaran'ny fivavahanao, ny toro-hevitr'ireo olon-kendry ao amin'ny fiaraha-monina misy anao sy ny lalàn'ny Hijab misy anao!

Tohina i ZaibB rehefa novakiany teo amin'ny tenifototra natolotra ho an'ireo atleta roa ireo ka sosotra izy:

@ZainB:مسكينة #وجدان_شهرخاني دخلت الهاشتاق فوجدتها تتعرض لثلاث انواع من العنصرية: ١- العنصرية المناطقية ٢- العنصرية القبلية ٣- العنصرية ضد المرأة

Ry Wijdan mahantra! Zavatra telo no novakiako tao amin'ny tenifototra momba azy: 1-fanavakavaham-bolo-koditra araka ny faritra 2- fanavakavaham-bolo-koditra eo amin'ny foko 3- ary fanavahana ny mahalahy sy ny mahavavy

Mitsikera ny Dr. Mahammad Albarrak:

@mohamdalbarrak:أشد من فعل المنكر أن يدافع الإنسان عنه ويعتبره معروفا ويحاول جاهدا أن يبحث له عن مبررات مثل الذين يدافعون عن #سارة_العطار و #وجدان_شهرخاني

Ny tena ratsy indrindra noho ny fanaovana ota iray dia fanindrahindràna azy io, toy ireo izay miezaka ny hiaro an'i Sarah sy Wojdan ary mitady ala-olana tamin'ny fihetsika nataony

Farany, miezaka manamarin-tena i Nourah:

@noura_aljadaan: Ho an'ireo izay mihomehy an'i #SaraAttar aza adinoina fa ny sekoly aty tsy mampianatra fanatanjahan-tena ho an'ny ankizivavy, noho izany ny fandehanana any dia fahombiazana

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fanadihadiana nataonay manokana momba ny Lalao Olaimpika Ao Londona 2012

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.