Zambia: Ravan'ny Polisy Mialoha Ny Fanafihana Fankahalana Vahiny Saika Natao Tamin'ireo Kongole Mpivarotra

Nanakana izay azo lazaina ho valifaty mety nitarika fahafatesana maro sy fanafihana noho ny fankahalana teratany vahiny saiky natao an'ireo teratany avy amin'ny mpiray vodirindrina aminy, Repoblika Demokratikan'i Kongo, monina any Zambia, taorian'ny fandoran-ko faty ny mpamily Zambiana iray tany amin'ny tanàna Kongole any amin'ny sisintany any Kasumbalesa, izay nahatafiditra azy taminà loza iray nahafatesana olona roa, ny sampana mpampihatra ny lalàna Zambiana teo anelanelan'ny 7 – 10 Jolay.

Na dia bontolo be ihany aza ny antsipirihan'ilay loza sy izay tohin'ny tantara, dia avy dia nirohotan'ny olona ity Zambiana mpamily fiara mampalahelo  ary nodorana velona tao amin'ny efitry ny farabeny izay nanjary lavenona koa avy eo. Raha vao niampita tany amin'ny atsimon'ny sisintany ilay tantara, dia nanomboka fandrobana sy fanafihana nikendrena manokana ireo Kongole mpandraharaha ireo Zambiana tany amin'ny faritra sasany tao Zambia, indrindra fa ny tao Lusaka renivohitra sy ny tao Copperbely.

Ny sisa tavela tamin'ilay fiarabe Zambiana nodorana teo an-tanànan'i Kasumbalesa any amin'ny sisintany. Sary natoltry ny ukzambians.co.uk

Nizara ny heviny ny Tumfweko,  tranokalam-baovaon'olon-tsotra :

Tena mampalaelo ny nanjo an'i Derrick Chanda, izay Zambiana mampalahelo mpitondra fiarabe maty nodoran'ny teratany Kongole tsy tan-dalàna. Fa izao anefa no mitranga rehefa havela hanjaka eo amin'ny firenena ny tsy fanarahan-dalàna. Haintsika ny tantaran'ny mpiray vodirindrina amintsika ao amin'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo. Tantaran'ny tsy fanarahan-dalàna, ny tsy maty manota. Nefa misy fotoanany ny zavatra rehetra.

Naneho fihetseham-po samihafa tamin'ny tambajotran'ny aterineto samihafa ny mponina amin'ny aterineto mikasika ireo tranga ireo miaraka amin'ny antso samihafa ho amin'ny hetsika henjana kokoa hanohitra ireo Kongole izay miankina betsaka amin'ny vokatra avy any Zambia raha toa kosa ny hafa miantso fandeferana.

Manambara i Kams avy any Kitwe nanoratra tao amin'ny Lusaka Times, hoe:

Tahaka izao foana no nahalalako ny Kongole hatramin'ny nahaterahako. Ratsy fotsiny izao izy ireo raha ny maha-mpiray vodirindrina amintsika. Na izany na tsy izany, efa nijanona tsy manamboatra firenena intsony Andriamanitra amin'izao ka afaka ny hampianatra lesona azy ireo isika mba tsy hitohy intsony izany amin'ny ho avy. Mahita fiarabe avy any ivelany sy avy eto an-toerana maro miteraka loza aty Zambia aho , fa mbola tsy naheno habibiana toy izany, ny ratsy indrindra mety ho henonao aza dia hoe nodorana ilay fiara. Manontany tena mihitsy aho hoe maninona raha hakatona fotsiny izao ny sisintany dia hiaraha-mahita eo hoe iza  no tena hijaly kokoa. Mila kokoa ny Zambiana ny Kongole miohatra amin'ny hoe filantsika azy ireo kokoa izay olona tsy manjary. Telo andro fotsiny aza no nakatona ny sisintany efa nitaraina be ry zareo hoe noana, mainka fa raha atao 2 herinandro. Ndao hosaziana mihitsy ireto olona tsy tan-dalàna ireto.

Eo amin'ny tantara mitovy amin'izay ihany , manoratra toy izao i Musonda:

Ry namana, aoka aloha tsy hanao hetsika be loatra. Mino aho fa raha Kongole mpitondra kamiao izay nahafaty Zambiana 2 ho amin'ny lalana mankeny amin'ny fasana handevina ny havan-tiany, mety novonoin'ny Zambiana ihany koa ilsy Kongole mpamily kamiao. Mila mieritreritra mikasika ny toe-javatra manodidina ny nisehoan'ny loza ihany koa isika. Tsy fialàna olana akory ny hoe nahafaty olona ary tokony ho helohina. Aoka tsy ho adinontsika fa samy nisy faty olona teo amin'ny andaniny roa. Nifandraharaha tamim-pilaminana foana ny Zambiana sy ny Kongole efa hatramin'ny taona maro ary tsy mbola nanana olana mihitsy na eo aza ny korontana any Kongo. Tena tsy fanao ny miantso ny olona hoe biby. Tsy tokony hanao fanambarana tsy voalanjalanja ny olona iray nahita fandrosoana ary hamela ny lalàna hanao ny asany. Tsy misy mahasamihafa ireo tsikera natao teo ambony ireo amin'ny fihetsik'ireo nahafaty ny rahalahintsika Zambiana tany Kongo .

Nitatitra ny zava-misy ao amin'ny tanànan'ny fitrandrahana harena ambanin'ny tany any Kitwe ny Mwebantu Media mba hanehoana fa mahafehy tanteraka ny raharaha ny Polisy Zambiana:

Nitifitra tamin'ny entona mandatsa-dranomaso ny Polisy tany Kitwe ny Alatsinainy maraina mba hanaparitahana ny mpivarotra tao amin'ny Tsenan’ i Chisokone izay nanohitra ny fisian'ny mpivarotra Kongole taorian'ny nandoran-ko faty ilay Zambiana mpamily Kamiao tao Kasumbalesa Border Post tamin'ny herinandro lasa.

Nopotehan'ireo mpivarotra nanao fihetsiketsehana ny trano fivarotan'ireo teratany Kongole teo an-tsena.

Sarotra ho an'ny tariky ny ZNBC News ny naka sary mazava momba ny zava-nisy noho ny entona mandatsa-dranomaso.

Nanjary najanona ny varotra noho ireo trano fivarotana tsy maintsy nihidy satria nihasarotra ny teo-draharaha.

Nitabataba ireo mpivarotra fa tsy ilain'izy ireo manao varotra eo an-tsena ireo Kongole mpiara-mivarotra aminy.
Maro tamin'ireo Kongole no tsy niseho teny an-tsena androany.

Nilaza ny nisamborana ireo terataniny 12 izay voarohirohy tamin'ilay famonoana i Maloba Kanji, Kaonsily jeneralin'ilay firenena mpiray vodirindrina, tamin'ny nandevenana ity Zambiana niharan-doza ity tao an-tanànan'i Ndola izay mifampizara ny sisintaniny amin'i DRC:

Amin'ny anaran'ny governemanta Kongole, no andefasanay fiaraha-miory ho an'ny fianakaviana nidonam-pahoriana, sy ny vahoaka Zambiana ihany koa. Tena malahelo mafy tokoa noho ny zava-nitranga izahay satria tsy mamela izany ny Lalam-panorenanay ary manome toky izahay fa tsy maintsy mihatra ny lalàna.

Nilaza toy izao manaraka izao ihany koa ny solontenan'ny Fikambanan'ireo Mpamily ao anatin'ny Southern African Development Community (SADC) momba io zava-nitranga io ihany :

Tsy maintsy manome toky ny Governemanta fa tsy maintsy hihatra ny lalàna satria na dia izahay miresaka aza, dia matahotra izahay ny ho any RDC satria henjehina foana izahay.

Eo amin'ny Twitter, manome tsiny ny BBC ny bitsika iray noho ny tsy fitaterany ilay loza:

@RainbowGirl_C@BBCAfrica Ahoana koa no hoe misy Zambiana mpitondra Kamiao nodoran-ko faty noho izy nandona olona 2 tany Kongo teo akaikin'ny sisintany dia TSY lazainareo amin'ny vaovao???

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.