“Don't Fear the Internet”: Ny Tetikasan'ny Voto Ciudadano, Shily

Fanamarihana: Navoaka tamin'ny teny Espaniola ny lahatsoratra [es] tena izy an'ny Derechos Digitales, ary nadikan'i Silvia Viñas.

Ny “Don’t Fear the Internet” [es] (Aza Matahotra Ny Aterineto) dia tetikasa mikatsaka ny hanasongadina ny lanjan'ny fahalalahana miteny ao anaty aterineto, tsy avy amin'ny alalan'ireo olana mianjady amin'ny firenentsika Shily fotsiny ihany, fa avy amin'ny alalan'ireo zava-niainana manokana ihany koa.

Io ohatra farany io dia mifantoka amin'ny tetikasa Voto Ciudadano [es] (“Safidim-bahoaka”), tetikasam-bahoaka ao anaty aterineto izay mikatsaka ny hametrahana azy ho sehatra fiadian-kevitra mbola tsy nisy hatrizay amin'ny fandraisan'ny vahoaka anjara. Mamaly ny rafitra politika misy ankehitriny io tetikasa io, izay voafetra ny fahafahana mandray anjara, amin'ny alalan'ny fampiakarana ny vokatsoa azo sintonina ao anaty Aterineto mba handrenesana ny feon'ny vahoaka.

Haka endrika amin'ny fampiasàna fitaovam-pfifandraisana izay tsy manome toky ny fiarovana (tahaka ny tsiambaratelo amin'ny rakitra manokana) ve ity tetikasa ity ho an'ny fahalalahana mitenin'ireo mpampiasa azy? Mikendry ny hiasa ho mpiaro ireo fiarovana ireo ny Voto Ciudadano satria raha tsy misy azy ireo, tsy hisy tsotra izao ny fahalalahana miteny ao anaty Aterineto. Tsy matahotra ny Aterineto izy ireo; ny mifanohitra amin'izay aza, miaro ny fitaovan-tserasera sy ny zon'olombelona katsahany harovana izy ireo amin'ny alalan'ny fampiasàny izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.