Mizara Saripika Mbola tsy Hitanao Mihitsy Mikasika An'i Afganistana

Nahatonga an'i Afganistana ho isan'ireo firenena mampidi-doza indrindra eran-tany ny ady sy ny fampihorohoroana am-polotaonany maro. Saika mifantoka be amin'ny zavatra ratsy toy ny fanapoahana baomba, fanafihana fanaovana vy very ny aina, ary ireo tra-boina, ny ankamaroan'ireo haino aman-jery manoratra mikasika an'i Afganistana na dia eo aza ny fivoarana nataon'ny firenena hatramin'izay nialan'ny Taliban tao tamin'ny 2001. Mampiranty sary mampatahotra izay mitarika ny olona tsy te-hitsidika ity firenena mahafinaritra fa rakotr'ady ity ireo tatitry ny haino aman-jery tahaka izany.

Izany no mahatonga ny asan'i Antony Loveless, Britanika mpanao gazety miasa tena sady mpaka sary ho tena miavaka. Nanomboka tamin'ny 2012 i Loveless no nampiranty sary teo amin'ny Twitter mikasika ny fitsidihana nataony tany Afganistana, amin'ny fampiasana ny tenifototra izay noforoniny #TheAfghanistanYouNeverSee (IlayAfganistanaTsyMbolaHitanareoHatrizay).

Hoy i Loveless raha miresaka amin'ny Global Voices mikasika ilay tenifototra:

Manana fitehirizana mirakitra sary maherin'ny 2,000 aho mikasika ny fitsidihako in-telo ny tany Afganistana nandritra tato anatin'ny taona vitsy ary mba hanaraha-maso azy ireny, dia nanamboatra tenifototra somary mavesatra aho [#TheAfghanistanYouNeverSee].

Ilay zazavavy ao anaty Farihy. Mandro mba hijanona hangatsiatsiaka eo amin'ity danik'andro be tsy mifaditr'ovan'ny mitataovovonana  ity. Sary nalain'i Antony Loveless, nampiasaina niaraka tamin'ny alalana avy aminy.

‘Faritra maitso’ any Afganistana, tany malalaka lonaka, misy mamboly, manaraka ny lemak'i Renirano Helmand. Sary nalain'i Antony Loveless, nampiasaina niaraka tamin'ny alalana avy aminy.

Ny hakanton'ny Farihy Kajaki any Atsimon'i Afganistana, tazanina avy eny amin'ny Royal Air Force Chinook. Sary nalain'i Antony Loveless, nampiasaina niaraka tamin'ny alalana avy aminy.

Nalain'ny Sergent Alex Ford, ao amin'ny Royal Air Force (RAF)  izay nipetraka tany amin'ny faritanin'i Himand any Afganistana nandritra ny enim-bolana tamin'ny 2011  ny tenifototr'i Loveless.

Manoratra toy izao i Ford ao amin'ny Warfare Magazine mizara ny fomba fijeriny mikasika ilay tenifototra :

Tafiditra any Afganistana isika izao efa ho nandritra ny 11 taona, ary dia nanjary fahazarana ny mahita ny sary mikasika ny ady eto. Nefa amin'ny ankapobeny, mirona hampiseho ny lafy ratsin'ny ady eto ireto sary ireo. Sarin'ny saina andrakofana vatam-paty entina mamakivaky ny Wootton Bassett na ivelan'i Brize Norton… sarin'ny miaramika mitsiky, nefa ny fanazavàna kely eo ambany manome ny daty nahafatesany. Indrisy nefa fa tsy dia tena mahalala ny zava-miseho marina mikasika ny ady any ivelany ny ankamaroan'ireo vahoaka Britanika izay manohana ireo tovolahy sy tovovavy any an-toerana; ny tantaran'i Afganistana.

Ankizy eo an-toerana vonona ny hiresaka amin'ireo Paras miala ny Toerana FItobian'ny Helikoptera. Sary nalain'i Alex Ford, nampiasaina niaraka tamin'ny alalana avy aminy.

Ankizy Afgana miaraka amin'ny boky sy penina tolotra avy amin'ny UNICEF, tao anaty efitrano fianarany. Sary nalain'i Alex Ford, nampiasaina niaraka tamin'ny alalana avy aminy.

Lasa fanmantarana sary malaza ilay tenifottra ho an'ireo izay mivahiny any Afganistana mba hifampizarana ireo sary maneho izay tsy dia hitan'ny olona any ivelan'ny firenena amin'ny haino aman-jery ara-dalàna.

Ankizy Afgana toa vonona ny halaina sary. Sary nalain'i Steve Blake, nampiasaina niaraka tamin'ny alalana avy aminy.

Taty aoriana, nanomboka naneho ny saripika tamin'ilay tenitofotra ihany koa i Iqbal Ahmad Oruzgani, mpaka sary avy ao Afganistana, mba hanehoana an'i Afganistana amin'ny endrika hafa.

Mariazy miara-mizotra nokarakaraina ho an'ny olon-droa ampolony any Daikundi, Afganistana afovoany. Nanjary nalaza ny mariazy miara-mizotra eo amin'ny firenena satria manampy amin'ny fampidinana ny vola aloh amin'ny mariazy isam-pianakaviana. Sary nalain'i Iqbal Oruzgani, nampiasaina niaraka tamin'ny alalana avy aminy.

Zazavavy kely Afgana mamaky boky fianarana eo anoloana tranombarotra mikatona. Sary nalain'i Iqbal Oruzgani, nampiasaina niaraka tamin'ny alalana avy aminy.

Ririnina any Behsud any amin'ny Distrikan'i

Maidan Faritanin'i Wardak. Sary nalain'i Iqbal Oruzgani, nampiasaina niaraka tamin'ny alalana avy aminy.

Naverin'ireo mpampiasa Twitter anjatony nobitsihana ny sary rehetra nozaraina  tamin'ity tenifototra ity, nanome mpanaraka maro be ireo mpaka sary.

Hoy i Antony Loveless milaza raha miresaka amin'ny Global Voices:

Mpibitsika tsy voaisa no nilaza fa ity no tsara indrindra tamin'ny fampiasana tenifototra tamin'ny Twitter hatramin'izay, ary eo an-dalana mihitsy izao ny tenako ny hanao boky miainga amin'ireo tenifototra ireo taorian'ny nilazan'ny olona tsy voaisa ny fahavononany ny hividy iray amin'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.