Arzantina: Fandalinana Vaovao Handinihana Ny Fiantraikan'ny Fampiharana Ny Fanaraha-maso Ny Aterineto Eo Amin'ny Zon'Olombelona

Nosoratan'i Paz Peña tamin'ny teny Espaniola ny lahatsoratra [es] tena izy, ho an'ny ONG Shiliana NGO Derechos Digitales. Nadikan'i  Silvia Viñas.

Ny SOPA, PIPA, ACTA, CISPA, TPP sy ny lisitra lavaben'ireo volavolan-dalàna, ireo fifanarahana iraisam-pirenena, ary ireo fampiharana dia mikatsaka ny hametraka ny fisainana hoe tahaka ny any an'àla mila harahi-maso amin'ny fomba rehetra ny Aterineto. Mandritra izay fotoana izay, mitaky ny fiandrianany amin'ny Aterineto ireo governemanta erak'izao tontolo izao, ary araka izany dia mitsabatsabaka anatin'ny rafitry ny Aterineto, mametraka andraikitra vaovao [isan'izany ireo mikasika ny lalàna] ho an'ireo mpifanandrina aminy, miala any amin'ireo mpampiasa ka hatramin'ireo mpanelanelana  .

Ireo hetsika ireo, indraindray atao an-kitsim-po ary indrindray tsiy dia araka izay loatra (araka ny fantatsika), dia toa mitady hifehy ny fivezivezena malalaky ny votoaty eto amin'ny Aterineto. Mety hisy fiantraikany lalina amin'ny zon'olom-pirenena izany.

Ny Online surveillance: What does monitoring and detecting content on the Internet mean? Inona no dikan'ny fanaraha-maso sy fitsongoana dia ny votoaty ety anaty Aterineto? (sintony ny pdf amin'ny teny Espaniola) dia fandinihana vaovao nataon'ny Foibe Fandinihana ny Fahalalahana Miteny sy ny Fahazoana Vaovao (CELE) ao amin'ny Anjerimanontolon'i Palermo, Arzantina, izay mikatsaka ny handalina ny vokatr'ireo fepetra ireo.

Voalohany, manome fomba fijery ara-poto-kevitra ny rafitry ny Aterineto. Avy eo, mandinika ny endriky ny fanaraha-maso ao anaty Aterineto izy, manindry mafy momba ireo mpanelanelana sy ny fampiasàna ny teknolojia ho toy ny fanaraha-maso lalina ireo zavatra ao anatiny. Farany, miresaka ny fihenjanana  misy eo amin'ny fiarovam-pirenena sy ny fisorohana ny herisetra izy, ary ireo zo tahaka ny fahalalahana miteny sy ny tsiambarantelom-piainana.

Anatin'ny vanim-potoana izay hitomboan'ny fahatakaran'ireo mpampiasa ireo horohoro mety hapetraky ny politika toy izany amin'ny fahalalahana miteny ao anaty aterineto, na izany ho an'ny tontolo iraisam-pirenena (The Internet Defense League) na ao an-toerana (No Temas a Internet [es]), ilaina ny mamaky ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.