Iran: Mankalaza Ny Medaly “Manan-tantara” Sady Manakiana Ny Mpitsara

Mankalaza ny andro iray toa zato ho azy ireo teo amin'ny tantaran'ny Lalao Olaimpika ry zareo Iraniana satria nahazo medaly volamena roa ny atleta Iraniana ary medaly volafotsy roa tamin'ny Talata.

Ghasem Rezaei no nitondra ny medaly Olaimpika volamena fahatelo tamin'ny sampana tolona ho an'i Iran tany Londona, teo amin'ny famaranana ny sokajy  -96kg Greco-Romana, mahatonga ny tarika Iraniana, sambany hatramin'izay, ho ny tarika tsara indrindra eo amin'ny sokajy Greco-Romana. Ehsan Hadadi, Iraniana iray mpanipy diska dia nahazo medaly volafotsy. Io no medaly Iraniana voalohany tamin'ny tantaran'ny Lalao Olaimpika tany ivelany tolona, fibatàna fonjam-by, ary ny tae kwon do. Teo amin'ny sokajin-dalao fibatàna fonjam-by, i Iran dia nahazo medaly volamena iray sy volafotsy iray, manampy ny hafalian'ny Iraniana miaraka aminà fitambaran'isa medaly volamena efatra ary medaly valo hafa. Fa olana iray no nanamatroka ny fety: nambaran'ny Iraniana an'arivony fa tsikombakomban'ireo mpitsara tamin'ny Lalao Olaimpika no naharesy ilay Iraniana Tompondaka Erantany, taranja tolona,  Saeid Morad Abdvali.

Pejy  Facebook iray ho fanohanana an'i Abdalvali no narafitra ary nahazo fankafizana efa maherin'ny 27.000 ltao anatin'ny 24 ora latsaka.

Ao anatin'io pejy io dia asaina ny Iraniana rehetra mba hanatevin-daharana ho fanamaivanana ny alahelon'i  Abdavali.   Navoaka ihany koa ny lahatsarin'ilay lalao.

Persiss manoratra hoe :

Nanjary nizaka ny tsy rariny i Abdvali… izy izay nanao ezaka be nanoloana ny olana ara-bola goavana mianjady aminy mba hanolotra izay tsara  avy aminy hanome voninahitra an'i Iran.. Fafao ny ranomaso, ianao no tompondaka.

Irane Man (My Iran) miteny hoe :

Mpivaro-boankazo tsotra i Abdavali izay nanao fandavantena goavana nandritra ny efatra taona ho an'nhy Lalao Olaimpika… ny olona tsy manao afa-tsy ny mitehaka izay nahazo ny medaly volamena…Tsy tokony hamela ho irery an'ity tompondaka ity ary hanohana azy isika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.