Arzantina : Ny Kitra, Ny Amboara “Evita” Sy Ireo Fepetra Vaovao Hisorohana Herisetra

[rohy amin'ny teny Espaniôla raha tsy misy fanamarihana manokana] Narahana fepetra vaovao ny fanombohan'ny amboara “Evita Capitana” tao Arzantina, ny 3 Aogositra lasa teo, fepetra hitondra fiovàna kely eo amin'ity fantanjahantena be mpanao any Arzantina ity.

Ny fanapahana voalohany dia mifandray amin'ny  herisetra [fr] izay nitranga nandritra ny enimbolana voalohan'ny taona 2012. Ny Association de Football Argentin (AFA), na Fikambanan'ny Kitra Arzantina sy ny  Fitantanana ny Firenena dia nanao sonia fifanarahana iray hisorohana ny herisetra. Izy io dia mikendry ny hametrahana ny Rafitra fidirana ampiasàna ny antsoina hoe “biométrique” amin'ireo hetsika ara-panatanjahantena, ahafahana miditra ny toeram-pilalaovana arakaraky ny zavatra tany aloha efa niainan'ireo mpankafy, amin'ny alàlan'ny lavotondrony.

Ireo herisetra amin'ny baolina kitra, ao anaty na ivelan'ny kianja, dia miseho foana efa hatry ny taona maro. Mety hisy ifandraisany amin'ireo vondrona antsoina hoe “Barras Bravas” na tsia izy ireny. Tao anatin'ny kabariny, ny Filoha Cristina Fernandez de Kirchner dia nampahatsiahy ny tantaran'ny herisetra teo amin'ny baolina kitra tao Arzantina:

Manan-javatra hafa hambara aho ; rehefa misy herisetra, tsy ny eny amin'ny ‘tribune’ “popu” ihany, fa hatreny amin'ny sisiny “latérale” ihany koa. Nahita aho olona nifamely teny amin'ny “tribune laterale”, ary na dia ny olona avy ao anaty klioba iray ihany aza an, satria mety ho tsy nitovy hevitra tamin'ny fomba fitsarana ry zareo, na tsy nitovy fijery mikasika ny mpanazatra na ny kitra mihitsy. Mino aho fa somary hamaivanintsika ny olana amin'ny fieritreretana hoe vondrona iray efa voafaritra ihany no mety hiteraka rivotra maimbo herisetra amin'ny ankapobeny, hita izany rehefa misy hadisoana eo amin'ny fitsaràna lalao. Tsy maintsy jerentsika ny amin'ny hanomezana karama sahaza an'ireo mpitsara, rehefa mpankafy dia manana fijery tsy mitanila, saingy indraindray aho, tsy mahatakatra na inona na inona ary rehefa hazavaina amiko dia azoko ka hitako fa tena ny mpitsara no mangalatra amintsika, mazava be izany. Ary rehefa angalaran'ny mpitsara ry zareo, leo ny olona, ary na iza na iza, na dia  ny olona nahazo fanabeazana toa inona aza, dia mety hanao hadisoana. Nefa hitako sahady ny Pejy Voalohan'ny gazety Clarin rahampitso : “Narovan'i Cristina ireo barrabravas“.

Ny ampitson'ny fanaovana sonia ilay fifanarahana, nanao lohateny toy ity ny gazety Clarin   :

Sary :Laura Schneider

Manoloana ireo mpitantana ny baolina kitra, nidera ireo barrabravas i Cristina.

Tao anatin'ny kabariny, ny filoha arzantina dia nangataka ihany koa ny mba hitondran'ny fiadiana izay ho tompondakan'ny baolina kitra ny anarana hoe ‘”Eva Peron” ary ny amboaran'ny Arzantina ho “Evita Capitana”:

60 taona aty aorian'ny nandaozan'i ‘Eva Peron antsika, tiako koa ny mangataka aminareo mba hiantsoana ny “Fiadiana ny ho tompondaka hoe Eva Peron” ary ny amboara…ahoana re no hiantsoana ny amboara e ? Alefaso, saintsaino e, hojerentsika raha velon tokoa ianareo…”Evita Capitana”, tompokolahy isany, tokony hitondra ny anarana ”Evita Capitana”  ny amboara satria io mifandray amin'ny fitantanana, ny kapiteny, ny klioba, ny mpilalao voafantina eto Arzantina, nahoana tokoa moa, Evita kapitenin'i Arzantina. Hitondra ny anaran'i Eva Peron izany ny fiadiana ny ho tompondaka, ary ny amboara “Evita Capitana”.

Tsy niandry ela ny fanehoan-kevitra. Ny #CopaEvita no nitana laharana voalohany tamin'ireo lohahevitra noresahana be tao amin'ny Twitter, arahan'ny hafatra momba na manohitra ilay fomba fiantso vaovao. Ohatra i Ro (@stardustblow) manambara ao amin'ny Twitter :

@stardustblow: Ny #AFA sy ny #CopaEvita. [NDT : Tsilalaonteny amin'ny hoe Evita, Evite amin'ny teny Frantsay] Misoroka ny lalao madio sy  mahatsikaiky izy. Misoroka ny hanafoanana ny barras sy ny herisetra izy. Misoroka ny mangarahara. Misoroka izy e…

Na i Walter (@Walter_D12):

@Walter D12#copaEvita mba atsaharo ny fampiasàna io anarana io, nankasitraka ny politika nazi izy io. Ary notehiriziny tany amin'ny kaontiny tany amin'ny banky ireo haren-tsarobidy halatra nandritra ny ady [sic]

Gabriel Gonzales (@sp4rt4cus) kosa nanoratra ny hoe :

@sp4rt4cus: TIAKO BE NY FOMBA FANOLORAN'NY  #TVPUBLICA. HO AN'NY #FUTBOLPARATODOS#COPAEVITA EKENA AMIN IZAO FOTOANA, NY BAOLINA KITRA DIA MANANA TSIRO FIRENENA SOSIALISTA =)

Facu Laser (@facundinho), mihoatra lavitra ny tantara sy ireo fepetra vaovao, mibitsika hoe :

@Facundinho: Tsy misy fahasamihafana raha toa antsoina hoe  #EvitaCapitana ny amboara, sa tsy izany ?

Ny tranonkala Toque y Gambeta dia mampahatsiahy ny fifandraisan'ny Eva Duarte sy ny baolina kitra :

Tamin'ny 1945, ny Federasiona Catalane ho an'ny Baolina Kitra (FCF) dia nikarakara fifaninanana iray teo amin'ny tompondakan'ny ligy espaniôla sy ny tompondakan'ny Généralissime (Amboaran'ny Mpanjaka, fahiny), hevitra avy amin'ny Kaonsilin'i Arzantina ao Barcelone. Nantsoina hoe  Coupe d'or Argentine ilay fihaonana mba hanomezam-boninahitra ny zanatany arzantina, izay nanolotra ilay amboara. Ny FC Barcelone no nahazo ny anaram-boninahitra taorian'ny fandresena nanoloana ny Atletic de Bilbao (5-4) tamin'ny 23 desambra 1945. Roa taona taty aoriana dia nokarakaraina indray ilay fifaninanana, nataon'ny Fédération royale espagnole de football, saingy tamin'io indray mitoraka io dia nomena ny anarana hoe Coupe Eva Duarte de Perón, avy amin'ny tolo-kevitry ny Masoivohon'i Arzantina any Espaina, ny Dokotera Pedro J. Radío. Evita, izay ny 22 Oktobra 1945 no  nanambady ny filohan'ny Repoblikan'i Arzantina, ny Jeneraly Juan Domingo Perón, dia tonga tao Madrid mba hanolotra indray indray ilay amboara hiadiana. Ny Amboara Eva Duarte de Perón dia antsoina amin'izao fotoana hoe  Supercopa d'Espagne.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.