Porto Riko: Nahazo Medaly Alimo i Javier Culson

Nametraka tantara ilay atleta amin’ny Olaimpika Javier Culson (@JavierCulson) tamin’ny nandrombahany ny medaily  sabamena (alimo) tamin’ny taranja hazakazaka 400 metatra misy fefy tamin’ny Lalao Olaimpika 2012 ao Londres. Ity no medaily Olaimpika voalohany  azon’i  Poerto Riko taminà lalao hafa ankoatra ny  lalao ady totohondry. Tamin’ny medaily azon’I  Culson, efa fito ankehitriny ny fitambaran’ny medaily Olaimpika azon’i Poerto Riko:  sabamena enina ary volafotsy iray.  Ity ihany koa ny medaily voalohany azon’ny atletan’i  Poerto Riko hatramin’izay nisian’ny lalao Olaimpika tamin’ny taona 1996 izay. Dibo-kafaliana ihany koa ny faritry Karaiba  tamin’ny  medaly  volamena azon’ilay Dominikana, Félix Sánchez “Super Félix” tamin’ ity taranja ity.

Culson no iray amin’ireo mahery indrindra handrombaka ny medaily volamena amin’ny taranja hazakazaka 400 metatra misy fefy. Teo amin’ny toerana faharoa kosa,  nahazo ny medaily volafotsy, Michael Tinsley  avy ao Etazonia Amerika.

 

Karazana fandresena mamy ho an’i Porto Riko ny fahazoana medaily  alimo. Na dia tsy nahazo medaily volamena efa nandrandraina mafy ho an’ny firenena aza ireo atleta, dia tsy mba diso fanantenana mihitsy fa mbola nampiseho hatrany ny hafaliany tamin’ny alalan’ny Twitter  ny olona tamin’ny medaily azon’ i Culson:

@hiramart:¿Falló Culson? Yo lo ví en el podio y tenía una medalla, que hasta donde sé, es la única de Puerto Rico.

 

@hiramart: Resy i Culson? Hitako tao amin’ny sehatra izy ary nisalotra medaily, izay araka ny fahafantarako azy dia medaily voalohany ho an’I Porto Riko.

@Flamencole@JavierCulson como quiera que sea hiciste historia!

@Flamencole@JavierCulson efa nametraka tantara ianao tamin'izay vitanao! #PuertoRicoEstaContigo (manohana anao I Porto Riko)

@adriibabiix3: Estoy mas q.orgullosa qk @JavierCulson puso a PR en.alto. Lograste unir nuestra.isla por algo positivo de pura sepa

@adriibabiix3: Tena afa-po tanteraka aho fa nametraka an’i Porto Riko anaty sarintany  i  @JavierCulson. Nampiray ny firenentsika ianao tamin’ny alalan’ny zavatra mahafinaritra, izany no tena hoe Porto Rikana.

@hilda920: Gracias Culson! “@csantarrosa: ¡Orgulloso de nuestro @JavierCulson, pa’ lante caballo!! Gracias por poner el nombre de Puerto Rico en alto!”

@hilda920: Misaotra Culson! “@csantarrosa: Afa-po tamin’ny zava-bitan’i @JavierCulson, tohizo hatrany ny ezaka!! Misaotra nametraka an’I Porto Riko anaty sarintany!”

@exorKshii58_PR@JavierCulson orgulloso de tu logro y de poner nuestra islita en lo mas alto…para nosotros si t ganastes la de #ORO caballete exito 🙂

@exorKshii58_PR@JavierCulson Afa-po tamin’ny zava-bitanao sy tamin’ny fampahafantarana ny nosikelintsika…aminay, tahaka ny efa nahazo ny #ORO (volamena) ianao, tena tsara! 🙂

Nampiseho ny fanohanany an’i Culson ihany koa ilay mpilalao baskety Porto Rikana José Juan Barea:

@jjbareapr@JavierCulson felicidades tremendo trabajo voy a ti siempre …coqui

@jjbareapr@JavierCulson arahabaina, asa mahavariana, manohana anao hatrany …coqui

Tranga manantantara hafa ho an’i Porto Riko

Ilay mpanao fanatanjahatena Tommy Ramos (@TommyRamos_pur) no  Porto Rikana voalohany hifaninana amin’ny  taranja “anneaux”, nahavita  15.6 izy.  Na dia tsy nahazo medaily aza izy ( nihintsana teo amin’ny toerana faha-enina), tsy mbola  nisy Porto Rikana nahavita ezaka toy izany tamin’ny taranja zimnastika.

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.