Maoritania: Mpiasa Mpitrandraka Arintany Manohitra Ny ‘Karazana Fanandevozana Vaovao’

Zouerat sy Nouadhibou, tanàna any avaratr'i Maortania dia vavolombelon'ny hetsi-panoherana ataon'ireo mpiasa izay tsy voasoratra ara-dalàna. Maherin'ny 2.300 ireo mpiasa nanao hetsi-panoherana tao amin'ny tanànan'ire mpitrandraka ao Zouerat, izay nitondra hatrany amin'ny fiatoan'ireo toeram-pitrandrahan'ny Orinasa National Mining and Industrial Company (SNIM Société nationale industrielle et minière [fr]) efa ho am-polony fanampin'ny fikorontanan'ny asa tany an-toeran-kafa.

Angatahan'ireo mpiasa ny hisitraka ny fisondrotan-karama nomen'ny SNIM tsy akory ho an'ireo mpiasany; angatahan-dry zareo ihany koa ny fiantohana ara-tsosialy, ho fanampin'ny fanomezana zo ireo teratany Maoritaniana ho voalohany amin'ny fandraisana hiasa, miohatra amin'ireo mpiasa avy amin'ireo firenena mpifanolo-bodirindrina.

Karazana fanandevozana vaovao

Ny mpiasa toy izany, fantatra amin'ny fitenim-paritra any an-toerana hoe mpiasa “journalia” na mpikarama isan'andro , dia mangataka ihany koa ny hisian'ny fifanarahana mivantana amin'ny SNIM fa tsy fifanarahana aminà orinasa mpiantoka, izay tsy manome afa-tsy ny 40 isan-jato amin'izay vola aloan'ny SNIM ho an'ny mpiasa tsirairay, zavatra iray izay heverin-dry zareo ho toy ny fanodinkodinana olona sy endrika fanandevozana vaovao.

Nandrahona ihany koa ireo mpanao hetsi-panoherana fa hanao diabe avy ao Zouerat ho any Nouakchott, mitovy amin'ilay iray nokarakarain'ireo mafàna fo tao  Nouadhibo vao haingana teo. Tao Nouadhibou, ireo mpiasa “journalia”  dia nanao hetsi-panohera ihany koa hanoherany ny lazain-dry zareo fa fanodinkodinana  olona; manodidina ny mpiasa 1.000 no nandrahona hampitsahatra ny asa sy hiditra aminà fitokonana tsy voafetra.

Photo of the Journalia Protest in Nouadhibou by Mauritannet blog

Sarin'ny hetsik'ireo Journalia tao Nouadhibou avy amin'ny bilaogy Mauritannet

The demonstration in Zouerat

Ny fikehiketsehana tao  Zouerat

Ny bilaogy Mauritannet  [ar] dia nanoratra mikasika ireny hetsi-panoherana ireny ary azonao vakiana ao amin'ny pejy Facebook Hetsiky ny 25 Febroary  ny mikasika ny zava-nisy tao Zouerat:

تعيش مدينة” الزويرات “على وقع اعتصام “الجرنالية” الذي يدخل في أسبوعه الثاني.
هذا الاعتصام وجد تعاطفا كبيرا من سكان الزويرات حيث لم تتوقف المساعدات عن المعتصمين من أجل أن يستمر إعتصامهم.
وكذالك يقوم فنانو المدينة ومداحيها وشعرائها كل ليلة باحياء سهرات من اجل الترفيه عن المعتصمين وحثهم على مواصلة نضالهم من اجل إنتزاع حقوقهم.
وتجد رالاشارة الى أنه في الزويرات يعتصم الان حوالي أكثر من 2300عامل من عمال “الجرنالية” إحتجاجا على مايصفونه بمقاولة البشر ومن.أجل فسخ العقودالموقعة مع الشركات الوسيطة
Nitepo nanaraka ny hetsik'ireo mpiasa ny tanànan'i Zouerat, izay miditra amin'ny herinandro faharoa izao. Ireo mponina ao  Zouerat dia naneho ny firaisam-pony amin'ireo mpitokona ary naneho izany tamin'ny fanomezana tohana ho azy ireo hitohizan'ny hetsi-panohjeran'izy ireo. Ireo mpanakanto sy poety tao an-tanàna dia manao fampisehoana isan-kalina ho azy ireo mba handrisihana an-dry zareo hanohy ny tolony fitakiana ny zony. Any Zouerat izao, maherin'ny 2.300 ny mpiasa manao hetsi-panoherana manohitra ny heveriny ho fanodinkodinana olona ary itakian-dry zareo ny hamaranana ny fifanarahan'asa nifanaovany tamin'ireo orinasa mpanelanelana.

Ilay Maoritaniana bilaogera, Alddedd Wald Al Sheik [ar] dia nanoratra ihany koa mikasika ity olana ity :

المشكلة تعود إلي دفع الشركة لرواتب مضاعفة أربع مرات إضافة إلي زيادة نسبية لرواتب العمال الرسميين بينما تجاهلت عمال” الجرنالية “وهي حسب النقابيين سابقة خطيرة وقد تؤدي إلي انفجار الوضع داخل الشركة.

Ny olana dia mipetraka any amn'ny hoe ireo orinasa dia mandoa avo efatra heny ho an'ny mpiasa ara-dalàna ao aminy miohatra amin'ny karama omeny ireo  “journalia,” sady koa mbola nanondrotra ny karaman'ny mpiasany nefa tsy nijery ny fitakian'ireo  mpiasa ‘journalia’, izay ho an'ireo sendika dia ho fiandohan-javatra mampidi-doza mety hitarika any aminà fiakarana sy fipoahana ara-tsosialy ao anatin'ilay orinasa.

Miampanga ny tsy fisian'ny eritreritra hamaha olana avy amin'ilay orinasa voakasik'izany i Ahmed Haymoudane [ar] :

بوادر حل الأزمة لم تبد بعد في الأفق نتيجة ل:
– إصرار شركة “اسنيم” على المواصلة في استغلال العمال الموريتانيين في مشهد يعيد إلى الأذهان قصص استغلال العمال الأفارقة في مزارع قصب السكر في القارة الأمريكية في القرون البائدة؛
– إصرار العمال على المضي قدما في إضرابهم السلمي وعدم الخضوع للضغوط التي تمارسها الشركة ضدهم من خلال تهديدها لهم بتعويضهم بالعمال الأجانب.
– إصرار السلطات على إسكات كل من يصدح مطالبا بحقه في هذا الوطن حتى لا تنتشر عدوى الثورة وتخرج الأوضاع عن سيطرتها.

Tsy misy hatreto marika ahitàna vahaolana, ary izany dia noho ny :

- Ny fisisihan'ny SNIM hanohy hanararaotra ireo mpiasa Maortaniana amin'ny fomba izay mampitamberina ny fahatsiarovana ny fanararaotana ireo Afrikana mpiasa tany amin'ny toeram-pambolena fary tao Afrika tany aloha tany.

- Ny fikirizan'ireo mpiasa hiroso amin'ny fitokonany ary tsy hiforitra amin'ny tsindry ataon'ny orinasa amin'izy ireo amin'ny fandrahonana hanolo azy ireo aminà mpiasa vahiny

- Ny filofosan'ireo manampahefana hanakombona ny vavan'izay mampiaka-pe mangataka ny zony eto amin'ny firenena mba tsy hiparitahan'ny areti-mifndran'ny revolisiona ka tsy ho voafehy ny zava-drehetra.

Hatramin'i Alddedd Wald Al Sheikh ihany koa no mibitsika:

@dedda04: ثورة الحقوق وبوادر التمرد التي تعم ‎‫#موريتانيا‏ تصل إلى عمال الجرنالية.
@dedda04: Manomboka mahazo ieo mpiasa jouralia ao Maortania ny revolisiona fitakian-jo sy ny mariky ny fihokoana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.