Thailand: Lahatsary Fanentanana Mba Hiainana Ara-pahasalamana

Ny Thai Health Promotion Foundation, Fikambanana ho Fampandrosoana ny Fahasalana, sampan-draharaham-panjakana mahaleotena (???) napetraka tamin'ny 2001 ary mahazo famatsiam-bola amin'ny hetra alaina amin'ny sigara (taxes d'accise) sy ny toaka, dia mampiasa fanentanana anaty lahatsary mba hampahafantarana ny fomba fiaina ara-pahasalamana eny anivon'ny Thais. Ny vao haingana amin'ny fanentanana tsy hifoka sigara nataony, izay nanasongadinana ankizy dia niparitaka be sy notsarain'ny maro amin'ireo mpiaro ny fahasalamana ho ny tsara indrindra eran-tany amin'ny fanentanana tsy hifoka sigara.

http://www.youtube.com/watch?v=-u-rhnV4l08

Rebecca Cullers dia nidera ny endrika tsotran'ilay lahatsary fanentanana:

Deraina ho ny iray isan'ny tsara indrindra eran-tany amin'ny fanentanana tsy hifoka sigara nandaitra, izay nahavariana indrindra indrindra noho ny fahitàna azy tsy nilàna afa-tsy singan-taratasy vitsy sy ankizy roa monja. Ny lahatsarin'i Ogilvy Thailand, fanentanana ho an'ny Thai Health Promotion Board, dia efa nahangona mpijery maherin'ny 960.000 talohan'ny nanesorana azy tao amin'ny YouTube noho ny antony samihafa. Avy eo ilay izy naverina navoaka tany an-kafa, izay ny dika mitovy aminy sasany dia nitohy nahangona mpijery hatramin'ny  iray hetsy.

Allegra Wiborg manazava ny mampahomby ilay fanentanana:

Nahoana no mandaitra io tetikady io? Ireto ny fihevitro: faran'izay mahatezitra ny fieritreretana ny fifohana sigara eo amin'ny ankizy. Saingy ahoana? Satria sarobidy ny ain'ny ankizy, marefo, ary mila fiarovana.

Ah ha,  pejy haingam-pivadika niteraka hatezerana teo amin'ny resaka ara-barotra izany: Saingy moa ve mba mijery fitaratra sy miteny tahaka izany ireo olon-dehibe mikasika ny ain'izy ireo manokana?

Ireto ambany ireto ny sasany amin'ireo fanentanan'ilay masoivoho. Ao anatin'ity lahatsary ity, raim-pianakaviana iray no ampahatsiahivin'ny zanany ny fahazarany mifoka sigara.

Ny toeram-pandrindràna ao anatin'ity fanentanana iray tsy hifoka sigara ity dia kianja ho an'ny daholobe

Asehon'ilay mpandroso sakafo an'ireo mpanjifa mifoka sigara ao anatin'ity lahatsary ity ny  ‘fitiavany’ azy ireo

Manana tombony ilay lehibe mifoka sigara amin'ny fanànany mpiasa tsy mijery arina an-tava:

Ankoatry ny fifohana sigara, ilay masoivoho koa dia miady amin'ny fidorohana alikaola any anatin'ny lahatsariny hafa any. Ny lahatsary eto ambany dia manolotra torolàlana azo ampiharina amin'ny fomba hialàna amin'ny fidorohana alikaola.

Lesona ho an'ireo mpamily mamolava :

Ny fisorohana loza eny an-dalambe dia anentanan'ilay masoivoho ihany koa.Ny loza ateraky ny fandehanana mirimorimo dia resahana ato anatin'ity lahatsary ity

Hafatra mitovitovy amin'izay, mikasika ny filàna mametra ny hafainganam-pandeha rehefa mamily fiara

 Lahatsary mahatsikaiky iray manentana hanao fanatanjahantena

Lahatsary iray hafa momba ny tombontsoa ara-pahasalamana azo amin'ny fanaovana fanatanjahantena mitohy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.