Gòatemala: Zon'Olombelona Ny Fidirana Aterineto

Ao ambanivohitra indizèny ao Santiago Atitlan, nosokajiana anatin’ny “zon’olombelona” ny fidirana amin’ny aterineto araka ny fanambarana nataon’ny mponina sy ny manam-pahefana ao an-toerana. Nametraka drafitra ihany koa ny manampahefana amin’ny fametrahana WI-fi (fitaovana fidirana amin’ny aterineto) maimai-poana ho an’ny  mponina mba ahafahan’ny tsirairay mahita tombotsoa amin’izany sy hampiasa ny zony.

Anisan’ny mahazatra amin’ny andavan’androm-piainan’ny mponina indizeny ao Goatemalà ny rafi-piaraha-monina sy ny fitiavana mizara. Toerana iombonana, varavarana misokatra, fiaraha-miasa sy fitiavana mizara no tena mampiavaka indrindra ity fiaraha-monina ity, singanina manokana ohatra ny fiaraha-monina kely mpandalina fiteny toy ny vondrona indizeny Mayan Tzutuhil ao amin’ny Highlands ao Gòatemala. Efa mivoatra sy miezaka mampiasa zava-baovao amin’ny siansa sy ny teknolojia ihany koa ny kolontsaina, hany ka ny teknolojia vaovao no efa mibahana amin’ny kolontsaina indizeny ary mampifandraika ny fampiasana izany amin’ny fomba amam-panao netim-paharazana koa izy ireo. Toy izany ohatra ny fidirana amin’ny aterineto.

Sarin'i Yo respondo , nahazoan-dalana.

Mampiasa am-pivitrihana ny fitaovana nomerika ny tanora ao Santiago Atitlan. Mandeha mivantana amin’ny aterineto sy ny fahitalavitra ao an-toerana amin’ny alalan’ny hosina (cable) ny fandaharana “Ny fandaharany valiako! ary ianao?” (Yo Respondo, y Tu?) ary  hampiroboroboin’izy ireo manerana ny tambazotra sosialy izany fandaharana izany. Ao no ikarakaran’izy ireo resadresaka sy adihevitra momba ny olana ao an-toerana, toy ny fanodinana fako sy ny olana mikasika ny tontolo iainana.

Nanokana fandaharana momba ny tetikasa Wi-Fi ho an’ny fiarahamonina ireo vondrona tanora, satria efa vonona ny dingana voalohany tamin’izany. Nandritra ny fandaharana andiany voalohany, antsoina hoe “Aterineto…zoko amin’ny maha-olona ahy”, Frank La Rue,  Mpanao gazety manokana an’ny Firenena Mikambana misahana  ny fanentanana sy ny fiarovana ny zo haneho hevitra an-kalalahana  no vahinin’ny fandaharana tamin’izany mba hampahafantatra ny tetikasa Wi-Fi ho an’ny Fiarahamonina. Niarahaba sy niara-nankalaza tamin’ny fiarahamonina noho ny fampidirana ny aterineto ho fitaovana mahomby hampiasaina sy hanamafisana ireo zo hafa ity mpanao gazety manokana an’ny Firenena Mikambana ity

Araka ny voafaritra tao amin’ny onjam-peo Ati, ny tetikasa Wi-Fi ho an’ny Fiarahamonina dia vokatry ny ezaka sy fiarahamiasa tamin’ny mponina sy ny manam-pahefana ao an-toerana:

“Tomás Chiviliú, alcalde municipal, indica que uno de sus propósitos es transparentar la información municipal, por lo que se ha desarrollado una red que permite la circulación informativa entre las distintas dependencias ediles. Este proceso llevó a instalar el equipo necesario para ofrecer Internet a los vecinos. Agrega que “es importante garantizar el acceso a la información en general, beneficiando no solo a la juventud sino también a la empresa local y al turismo”.

Nanipika i “Tomás Chiviliú, ben’ny tanàna, fa ny hampisy ny mangaharaha amin’ny  fampahalalam-baovao-panjakana ao an-toerana no anisan'ny iray amin’ireo tanjony, nametraka tambazotra izy ireo arak’izany mba hisian’ny fivezivezen’ny fampahalalam-baovao malalaka eo amin’ireo birao isan-karazany an’ny governemanta ao an-toerana. Nitarika azy ireo hametraka ny fitaovana rehetra ilaina izany mba ahafahan’ny mpifanolo-bodirindrina rehetra hiditra amin’ny aterineto. Nilaza ihany koa izy fa zava-dehibe ny manome antoka amin’ny fahazoana vaovao amin’ny ankapobeny, satria tombontsoa ho an’ny tanora, sy ny orinasa ao an-toerana ary ny fizahan-tany izany “.

Sarin'i Juan Damian, nahazoan-dalana.

Amin’ny maha tanàna kely mahantra indrindra an’i Santiago Atitlan ao Amerika Afovoany, nanokatra lalana ho azy ireo amin’ny fanomezana aterineto ho an’ny kaominina izany. Na dia izany aza, voaaro amin’ny tenihiditra ny tambazotra: “I am Atitlan” ( Atitlan Aho), mba hamantarana fa olona ao an-toerana ianao ary mampatsiahy izay mampiasa ny aterineto ihany koa fa ireo afaka miditra amin’ny tambazotra dia ireo olona monina akaiky ny renirano tsara indrindra manerantany,  Farihy Atitlan izany. Mavitrika amin’ny fampiasana Facebook  sy Twitter ihany koa ny kaominina ao Santiago Atitlan amin’ny alalan’ny kaonty @atitlanmuni

Sarin'i Juan Damian, nahazoan-dalana.

Lesona telo lehibe no ampianarin’i Santiago Atitlan sy ny mponina ao aminy ho antsika: zontsika ny miditra Aterineto, satria afaka mampiasa ireo zo hafa isika amin’ny alalan’izany aterineto izany, toy ny zo hianatra na ahafantatra; eo koa ny Wi-Fi ho an’ny Fiarahamonina , araka ny voalazan’ny ben’ny tanàna hoe maro ny tombotsoa azo avy aminy; ary farany, zava-dehibe indrindra ho an’ny kolontsaina indizeny ny teknolojia vaovao; satria ahafahan’ny tanora indizeny mizara ny kolontsainy ankehitriny amin’izao tontolo izao, sy manaparitaka ny hevitr’izy ireo, ary koa ny famoronana ny hoavy tsy misy sisintany.  Ankehitriny ny hoavy, ary afaka miaina izany ianao ao an-tanànan’i Santiago Atitlan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.