Create UNAOC 2012: Apps Sy Lalao Hisian'ny Fifampiresahan'ny Kolontsaina

Tsy azo odiana fanina intsony fa fitaovana matanjaka, heverina ho azo atao ho fanalahidin'ny fanatrarana ny fanambin'ny taonjato faha-21, ny media sy ny teknolojia vaovao. Azon'ny mpikirakira [développeurs] manerantany araraotina ny mamokatra apps sy lalao finday vaovao mampiroborobo ny fifampiresahan'ny kolontsaina, mba isorohana ny fifandirana sy fifanenjanana manerantany, ny fifaninanana vao nalefan'ny Create UNAOC 2012.

Asaina daholo handefa ny volavola-keviny amoahana haibika [design] tokana, mandrafitra an-tsary ny hare-kolontsainy sy ny traikefany manokana na ny tsirairay na ny mivondrona ho ekipa – vao miana-mandeha na efa babany. Hovatsiana 5000 dolara amerikana ny volavolan-kevitra naroso amin'ny fananganana app na lalao dimy mibata ny fandresena izay hosokafana (vonona) mandritra ny Forum United Nations Alliance of Civilizations (UNAOC) hotontosaina any Vienna, Aotrishy (27-28 Febroary 2013). Aorian'izay izy ireny no vonona ho amin'ny fitrohana (téléchargement) sy hozaraina ho an'izao tontolo izao.

Create UNAOCAzo atao ny mikendry lohahevitra manokana tiana asongadina amin'ny volavolana app na lalao tiana ifaninanana, tahaka ny miralenta, fampandrosoana ny tanora, fampidirana anaty fiaraha-monina ny mpifindra monina ary ny fifankahazoana tsara kokoa eo amin'ny fivavahana na/sy kolontsaina samihafa. Ambadik'izay mety manamora ny fifampiresahana eo amin'ny sivilizasiona samihafa na mety mifandrafy mihitsy aza izany.

Ny UNAOC no mampanao ny fifaninanana, izay iarahany amin'ny MIT Education Arcade sy ny Learning Games Network, ary manana mpiara-miasa maro manerantany ahitana ny Global Voices. Manazava ny eritreritra ambadiky ny tetikasa ny mpitantana ny UNAOC Media Literacy sy ny tetikasam-panabeazana Jordi Torrent:

As we explore new ways to engage citizens of the world in the UNAOC’s charter work, our jurors and partners help to expand our understanding of new media and reach young people and producers who are pursuing exciting new projects that can be used to effectively support intercultural dialogue.

Mitady ny fomba vaovao izahay hampidirana ny olom-pirenena manerantany ho ao anatin'ny asan'ny satan'ny UNAOC, miezaka mampivelatra ny fahalalanay ny media vaovao sy manatratra ireo tanora sy mpamokatra miezaka mamoaka tetikasa vaovao mety azo ampiasaina hampahomby ny fanohanana ny fifampiresahan'ny kolontsaina samihafa ny mpitsara sy ireo mpiara-miasa.

Azo jerena bebe kokoa ao amin'ny vohikala ny filazalazana momba ny fifaninanana; ny fotoana farany ametrahana ny volavola di amin'ny 30 Novambra 2012. [Fanamarihana ataon'ny mpandika ny lahatsoratra ho amin'ny teny malagasy: raha sanatria misy ny fifanoheran-kevitra momba azy ity dia ny teny anglisy no manana ny lanjany bebe kokoa]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.