Bangladesh: Manantena Hahita Finday Amin'ny Fiteny Bangla

Miisa 93,8 tapitrisa ireo mpampiasa finday ka mampiasa ny findainy ankamaroan'ireo mpamandrika mba hiantsoana ny hafa.Vitsy dia vitsy ny mampiasa ny someso [SMS]. Araka ny lazain'ny Vaomieram-pandaminana ny fifandraisan-davitra ao Bangladesh (BTRC) dia manodidina ny  somes0 30 tapitrisa eo no niampita isam-bolana nandritra ny taona 2011. Izany no midika fa manodidina ny finday 1 amin'ny 3 no mandefa someso isam-bolana.

Tsy ambany ny tahan'ny mahay abidia ao Bangladesh. Gaga ny vahoaka raha nahafantatra fa tena ambany tahaka izany ny fampiasana ny someso. Saingy mazava anefa fa maro ny Bangladeshy no tsy mahay mamaky sy manoratra afa-tsy amin'ny fiteny Bangla. Mahalana anefa ny finday miditra ao an-toerana no misy fanoratana litera Bangla. Betsaka no tsy afaka mandefa someso, noho ny tsy fahaizana teny anglisy.

Araka an'i Faisal Alim, Sekretera jeneralin'ny fikambanan'ny mpanafatra finday ao Bangladesh, mampiditra finday 6 tapitrisa isan-taona i Bangladesh.Tsy manana kitendry Bangla ny ankamaroan'izy ireo. Tamin'ity taona ity, nandidy ny tsy maintsy hisiana kitendry Bangla eo amin'ny finday ny governemantan'ny Bangladesh. Nandefa filazana ny BTRC fa tsy maintsy amin'ny teny Bangla ny kitendrin'ny finday (fototra) rehetra nampidirina taorian'ny Febroary 2012. Nanokatra ny someso amin'ny litera Bangla amin'ny finday tamin'ny 21 febroary 2012 , nandritra ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fitenin-dreny, ny praiminisitra Sheikh Hasina.

80% ny tantsaha Bangladesh no mampiasa finday hiotazam-baovao mikasika ny tsena sy hifandraisana amin’ireo mpividy. Saripika Bayazid Akter. Copyright Demotix.

Nanoratra [bn] mikasika ity finday mahazaka ny soratra Bangla ity I Mohammad Moazzem Hossain tao amin’ny Techzoom24.com

Nahita tao amin’ny fahampalalam-baovao fa tokony hisy amin'ny fiteny Bangla avokoa ny kitendrin'ny finday rehetra hafarana araka ny filazan’ny BTRC. Nanomboka ny volana Febroary tamin’ity taona ity no nampiharana izany fitsipika izany. Ahafahan'ny olon-drehetra mba hampiasa ny findainy mora kokoa ny fampiasana ny Bangla ao amin’ny finday ary hiroborobo.Fisaorana  be dia be hoan’ny BTRC nanatanteraka izany fanapahan-kevitra izany.

Ny finday tsotra [foza] ihany aloha izao no takiana hisian'ny fiteny Bangla amin'ny kitendry. Hampiharana izany fitsipika izany ihany koa kelikely eo ireo finday tendrena eo amin’ny efi-jery sy ireo avo-lenta.

 Nitombo ny fampiasana finday ao Bangladesh tsy voafetra ho amin’ny antso ihany izany. Efa hatramin'ny 2008 no afa-nandoa ny faktiorany (gaza, herinaratra, antso) amin’ny alalan’ny finday ireo mpanjifa. Mampita ny ora fiaingana sy fahatongavan'ny fiarandalamby ny Fiaran-dalambin'i Bangladesh, toy izany ihany koa ny tapakila sy ny fampahafantarana sns. Hita amin’ny alalan’ny finday ihany koa ny valim-panadinana ahazoana mari-pahaizana BEPC sy Bacc. Afa-misoratra anarana an-tserasera sy amin'ny finday any amin'ny anjerimanontolo ny mpianatra. Nampitaina tamin'ny alalan'ny someso amin'ny fiteny “Sirajganj” sy “Cox’sbazar” ny fampahantarana loza mety ho avy. Azo antsoina maika amin'ny alalan'ny finday mandritra ny 24 ora ny dokotera ao amin’ny toeram-pitsaboana Upazilla. Tahaka izany koa hita ao amin'ny “tsena” ny asaram-pikarakarana ara-pahasalamana. Azon’ny mpamboly  fary atao ny mandray komandy amin'ny alalan'ny someso  eny amin'ny fanodinana siramamy “purjee” ary mitsitsy fotoana sy tsy manasatra. Afaka miditra amin’ny tolotry ny banky amin’ny alalan’ny finday ny vahoaka. Nanomboka ihany koa ny fisahanana ara-bola  antsoina hoe BKash ao amin’ny finday. Ankehitriny dia, afaka manao fifanakalozam-bola manerana ny firenena amin’ny alalan’ny finday ny olon-drehetra.

Sugarcane farmers can receive their purchase order ‘purjee’ quickly via SMS saving time and harassment. Image courtesy Digital Bangladesh Blog.Afaka mandray ny vidin’entany “purjee” aingana amin’ny alalan’ny someso sy mitsitsy fotoana ny mpamboly fary. Saripika Bolongana courtesy Digital Bangladesh.

Voalaza tao anatin’ilay voka-pikarohana farany “”Fampahalalana sy Fifandraisana ho an’ny Fampandrosoana 2012: Asandrato avo ny finday”  navoakan'ny Banky Mondialy fa ny 80isan-jaton’ireo mpamboly Bangladesh no mampiasa finday mba hanangonam-baovao amin’ny vidin-javatra eny an-tsena sy ny tinady ka afaka mamaritra ny vidim-barotra amin’ny fifampiresahana amin’ireo mpamongady na na mpaninjara. 50 isan-jato amin’izy ireo kosa no mandafo ny entany amin’ny fifampiresahana mivantana amin’ny alalan’ny finday.

Araka ny BTRC, 98 isan-jaton’ny Bangladesh no mialoka eo eo ambanin’ny elon'ny tambazotran’ny finday. Ilaina ny fahafahana mampiasa litera Bangla amin’ny finday hizorana am-pahombiazana amin'ny fampandrosoana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.