Mitady Fialofana any Jordania Ireo Syriana An'arivony

Mitarika ireo Syriana handao ny fireneny ny toe-draharaha ankehitriny ao Syria, ka maro ireo lasa namonjy ny firenena mpifanolo-bodirindrina, Jordania. Nanambara ny loharanom-baovao avy amin'ny governemanta  jordaniana fa efa miomana amin'izay mety ho fahatongavan'ireo mpitsoam-ponenena syriana an'arivony ny manampahefana.

Nanome alalana an'i ONU hanangana toby fialofana miisa 22 ao avaratr'i Jordania ny governemanta jordaniana. Tamin'izany andro izany, Syriana an'arivony no nitady fialofana tao an-drenivohitra sy ambanivohitra ka maro tamin'izy ireo no niankina tamin'ny fanampian'ny fikambanana mpanao asa soa na tamin'ny olo-tsotra.

Mpianatra mpanao gazety amerikana roa, Matt Kauffman sy Melissa Tabeek, nanoritsoritra ny zava-misy iainan'ireo Syriana mpitsoam-ponenana ao Jordania :

Hatramin'ny volana martsa tamin'ny taon-dasa, nitombo be tsy misy toy izany ny isan'ireo Syriana mpitsoa-ponenana ao Jordania. Nanjary tondra-drano ny erikerika kely teo aloha ; tao anatin'izay roa volana izay, niakatra ho 13 933 ny isan'ireo “olona teo amin'ny 24 000 mbola anaty toe-javatra manahirana” narakitry ny Vaomiera Ambonin'ny Firenena Mikambana misahana ireo mpitsoa-ponenana (fanafohezan-teny amin'ny teny anglisy, UNHCR) –fiakarana izay teo amin'ny 70 isan-jato teo. Kanefa araka ny filazan'ny manam-pahaizana iray, manakaiky ny 120 000 no tena isa marina . Nanjary firenena fialokalofan'ireo mpitsoa-ponenana avy ao amin'ny tontolo Arabo i Jordania, tombanan'ny sasany ho roa hetsy ny mpitsoa-ponenana palestiniana, iraniana sy ny libiana izay efa monina ao amin'ny firenena Jordaniana ahitana mponina  6,5 hetsy, saingy hafa sady manokana kosa ny mikasika ny Syriana. Niteraka olana ny fibosesehan'ireo mpitsoa-ponenana tao avaratra. Tsy nankatoavin'ny governemanta jordaniana ho toy ny mpitsoa-ponenana ofisialy izy ireo, fa toy ny “vahinin'ny firenena”. Mifanohitra amin'i Torkia mpifanolo-bodirindrina (izay mandray ireo mpitsoa-ponenana syriana ao anaty toby tranolay neti-paharazana), milamina tsara kosa ireo Syriana monina ao an-drenivohitra sy ambanivohitry Jordania izay miparitaka manerana ny firenena, ka nahalany ritra ny loharanon-karena efa voafetra tao amin'ny firenena izay miankina amin'ny fanampiana avy any ivelany. Tsy voatery midika hoe lafatra anefa ny filaminana; satria fianakaviana syriana miisa maherin'ny 10 ohatra no miara-mipetraka aminà efitrano kely sady tery iray.

Fawaz Bilbeisi nanamarika hoe :

@fbilbeisi: Nanambara ny mpanjaka ao #Jordania fa efa nohamafisina ny fiarovana ny sisintany mifandray amin'i #Syria saingy avela hiditra malalaka ao [Jordania ] hatrany ireo mpitsoa-ponenana syriana.

Naneho ny fankasitrahany ny sampan-draharaha ao amin'ny Firenena Mikambana misahana ireo mpitsoa-ponenana :

@Refugees: Amin'ny fotoan-tsarotra tahaka izao, tena mankasitraka tanteraka an'i #Jordania, Liban, Torkia, izahay noho ny fanokafany ny sisintaniny sy ny fandraisany ireo #mpitsoa-ponenana. #Syria

Fikambanam-behivavy syriana ao Amman.  Sary: EskewMe, nahazoan-dalana

Nitsidika ny fikambanam-behivavy Syriana tao Amman ilay bilaogera vehivavy EskewMe :

Oum Eysam, talén'ny Fikambanam-behivavy Syriana ao Amman, ao Jordania nilaza fa mpitsoa-ponenana teo amin'ny 4 000 teo no voarakitr'izy ireo hatramin'ny niandohan'ny ady tao Syria ary tena miezaka mafy ny fikambanana amin'ny fanomezana sakafo, fonenana, rano sy fitsaboana ho azy ireo. Mbola miandry ny fahatongavan'ireo mpitsoa-ponenana manaraka hafa avy any Damaskosy koa izy ireo izay tena maro be ka sarotra dia sarotra ho an'ny fikambanana ny hahita famatsiam-bola hanampiana ireo. Eo amin'ny mpitsoa-ponenana 100 sy 350 eo no tonga ao amin'ny foiben'ny Fikambanam-behivavy syriana isaky ny alina, ary mitombo isan'andro hatrany izany isa izany hoy ny tompon'andraikitra iray ao amin'ny fikambanana. […] Ao amin'ny tranobe iray mifanakaiky, trano fonenana vatsian'ny Fikambanam-behivavy syriana vola ihany koa, miandry ny fitsaboana azy ireo vondrona mpitsoa-ponenana syriana marobe naratra ao. Nitantara ireo olona fa naratra izy ireo noho ny fanafihana nitranga nandritra ny hetsi-panoherana ny governemanta [ao Syria] volana maro lasa izay, ary mbola tsy voatsabon'ny sampan-draharaha jordaniana foana izy ireo hatramin'izao. Lehilahy iray no mitondra tehina rehefa mandeha, noho ny vely nataon'ny tafiky ny governemanta syriana azy teo amin'ny tanany sy ny vavoniny tao amin'ny tanàna kely akaikin'i Damaskosy , telo volana lasa izay. Tanora hafa 16 taona teo akaikiny kosa indray no tsy afaka mampiasa intsony ny tànany ankavia noho ny fitsaboana tsizarizary natao azy. Vitsy ny fanantenana fa hahazo fitsaboana sahaza azy ireo ao Jordania, kanefa efa ao anaty lisitra miandry ny fitsaboana azy any amin'ny firenen-kafa, tahaka an'i Alemana sy Ejipta izy ireo ankehitriny.

Amin'ity lahatsary notontosain'i Melissa Tabeek (MelissaMary52) ity, mitantara ny nanjo azy ireo ankizy syriana mpitsoa-ponenana :

http://youtu.be/YMFVNZtpjlY

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.