Bolivia: Tsy Laharam-pahamehan’ Ireo Atleta Amin'ny Lalao Olaimpika Tao Londona

Io lahatsoratra io dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Lalao Olaimpikan'ny Londona 2012.

Andro vitsivitsy mialohan'ny fihatombohan'ny XXX lalao Olaimpikan'ny Londona, tonga niaraka tamina mpikarakara maro sy mpanofana betsaka noho ireo Atleta ny delegationa Boliviana. Atleta 5 ihany no hifaninana ho an'i Bolivia.

Tsy kisendrasendra io isa io. Tsy nisy na dia Atleta iray aza no nahazo ny mari-boninahitra Olaimpika.

Ilay bolgera sady Atleta Olaimpikan'i Bolivia tany Beijing 2008, Iglezias Fadrique , dia manamarika ao amin'ny bloginy Clavo en el zapato (hoho anaty kiraro ) [es] hoe:

El Quijote, la obra máxima de Cervantes, satirizó a aquellas personas que al igual que el Ingenioso Hidalgo, persisten locamente en busca de sus sueños y luchando contra sus propios fantasmas con valentía. Así probablemente se identifiquen algunos de nuestros representantes olímpicos en América Latina, y más aún en Bolivia, donde ser deportista profesional es poco menos que una quimera y una irreverencia. El deportista, desde pequeño tiene que luchar contra un entorno familiar y educativo que prima horas de estudio o de trabajo, un entorno social que le tienta por la senda de los brebajes dipsómanos, un entorno profesional inestable y un reconocimiento social absolutamente limitado. Eso por no hablar de las restricciones de infraestructura y de las posibilidades de desarrollo de los entrenadores, quijotes también a su modo, que tienen que sobrevivir al paso de los años en.

El Quijote, sangan'asan'i ‘Cervantes, nanaraby ireo olona ireo izay mitovy amin'ny mpanankarena kinga saina amin'ny famoronana, misisika mafy amin'ny fanarahana ny nofiny  sy ny fihadiana amin'ny fanahin'izy ireo ihany miaraka aminà herim'po. Mety izay ihany angamba no fomba hanehoana ny ankabetsahan'ireo atleta mpisolotena an'i Amerika Latina amin'ny lalao Olaimpika, ary mbola mitovy amin'izay ihany koa ny an'i Bolivia, izay mbola ambany noho ny nofinofy izany maha-atleta matianina  izany. Ilay atleta, dieny mbola tanora dia tsy maintsy niady tamina fombam-pianakaviana sy fampianarana izay manome ho laharam-pahamehana ny ora hianarana na hiasana, tontolo iainana sosialy mapilendalenda anao amin'ny fisotroana alikaola, tontolon'asa tsy marin-toerana sy voafetra ny fanomezan-danja ara-tsosialy. Raha tsy hiresaka ny teritery amin'ny fotodafitrasa sy ny  mety ho fivoaran'ireo mpanazatra. Quijotes amin'ny fomban'izy ireo manokana, izay mila an'io mba hivelomana mizotra amin'ny làlan'ny naha-irery hankany amin'ny kianjan'ny fanatanjahan-tena.

Marina izany. Any Bolivia, tsy dia misy fanentanana mba hanao fanatanjahan-tena. Ankoatra izany, ny kolotsaina ara-panantanjahantena sy mifaninanana dia tsy nivoatra ; ny ezaka mba ho lasa atleta matianina dia tsy omena lanjany na tsy ankasitrahana ara-tsocialy sy ara-toekarena.

Ny media, ny manampahefana sy ny vahoaka dia tsy mangataka medaly,  na mety tsy manana antony hangatahana izany ry zareo.

Na izany aza, andro vitsivitsy nialoha ilay fifaninanana Olaimpika, nidedaka tanaty tambajotra sosialy ny tantara ratsy izay tonga dia nanondro mivantana ny Komity Olaimpika Bolivianina (COB), ary indrindra ny filohany Edgar Claure .

Ny vavahady niomerika, Oxígeno Bolivia, dia manazava [es]:

Edgar Claure gozará de $us 250 diarios en viáticos, además de que estará alojado en un hotel de cinco estrellas, con vehículo propio y traductor; en su condición de presidente del Comité Olímpico Boliviano. En cambio, los cinco bolivianos que participarán de Londres 2012 defendiendo la tricolor, sólo recibirán $us 15 diarios y estarán alojados en la Villa Olímpica.

Hanararaotra ny fanampiana isan-andro azy ara-bola US$250 amin'ny fivahinianana  i Edgar Claure, hatramin'ny fametrahana azy any amin'ny hotely kintana 5, miaraka amin'ny fiara sy ny mpandika-teniny manokana, amin'ny fepetra avy aminy noho ny maha filohan'ny Komity Olaimpika Bolivianina azy. Amin'ny lafiny iray, ireo Bolivianina 5 izay handray anjara amin'ny Londona 2012 hiaro ilay saina telo loko, dia tsy hahazo afa-tsy US$15 tambin-karama isan'andro ary hapetraka ao amin'ny tànana Olaimpika.

Bitika ny delegationa, mahantra ny firenena ary misy fiatraikany any amin'ny fijerin'ny vahoaka ireo isa. Na eo aza izany, misy vaovao manan-danja izay tena mampiahiahy : tsy nampiasaina tao anatin'ny fanatanjahantena ireo vola voaray.

Ilay mpanao gazety Miroslava Fernández (‏@kiske_one) [es] dia mamintina ao amin'ny kaontiny Twitter :

@kiske_one: Se destapa escándalo. Bolivia recibe cada año 800.000 dólares. Jugosos viáticos para los 11 dirigentes y escaso apoyo a 5 atletas #JJOO

@kiske_one [es]: Misokatra ny fanalàm-baraka. Mahazo 800.000 dolara isan-taona i Bolivia. Fanampiana ara-bola mirarakompana ho an'ireo  mpitantana 11 ary fanohanana voafetra ho an'ny atleta 5  #JJOO.

Mialoha ilay fahafaham-baraka, ny governemanta Bolivianina dia  nitady ny fomba hirotsahana an-tsehatra  [es] miaraka amin'ny kaomity Olaimpika Bolivianina. Na dia ireo feo mora tohina aza dia mangataka ny hitoeran'ny fifantohan-tsaina amin'ireo fanatanjahantena. Amin'io fomba io, Fadrique Iglesias, mamarana amin'ny lahatsoratra [es] hoe:

Está más que comprobado que los atletas aparecen como resultado de iniciativas locales y de efectos encadenados. Hay que exigir medallas y resultados internacionales, pero primero hay que comenzar por lograr una cultura deportiva, llenar los parques de niños, educar a los espectadores e incluso patrocinar a gestores profesionales para que se dediquen a ello desde la iniciativa privada. Al fin y al cabo, si se quieren resultados, la cosa es poniendo.

Voamarina mihoatra ny tokony ho izy fa ireo atleta ireo dia miseho toy ny hoe vokatry ny hetsika tao an-toerana sy ny fifanomezan-tànana. Mila miomana isika hahazo  medaly sy vokatra eran-tany, fa tokony hanomboka hamorona kolotsaina ara-mpanatanjahantena aloha isika, ny famenoana ankizy ireny toeram-pialamboly ireny, ny fampianarana ny mpijery ary ihany koa ny fanohanana ireo matianina mba hanokan-tena hampiroborobo ny kolontsain'ny fanatanjahantena. Amin'ny farany, raha tian-tsika ny hahazo vokatra, tsy maintsy mampiasa vola isika.

Io lahatsoratra io dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Lalao Olaimpikan'ny Londona 2012.

Sary  kelin'i failing_angel, mpampiasa Flickr, nampiasaina eo ambanin'ny lisansa Creative Commons-TsyMisyFampiasanaAraBarotra-TsyAsiamPanovàna 2.0 (CC BY-NC-SA 2.0).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.