Manantena Ny Fandresen'ireo Atleta Valo Solontenany i Panama

 Efa vonona i Panama handray anjara amin'ny lalao Olaimpika ao Londres miaraka amin'ireo atleta fito hifaninana amin'ny taranja atletisma, ady totohondry, judo, lomano ary taekwondo. Vitsivitsy ihany ny solontena saingy na dia izany aza, manana fanantenana ny Panamaniana izay mametra ny fahatokisany amin'i Irving Saladino, tompon-daka tamin'ny vikin-davitra (saut en longueur) nandritra ny lalao Olaimpika. Naneho hevitra tahaka izao ny tranonkala En la jugada 507 (Amin'ny lalao 507) comments:

El abanderado de Panamá es el Kanguro Irving Saladino, primer panameño en conseguir una presea dorada para nuestro país en unas olimpiadas, la misma fue en Beijing 2008. Esperando que cuatro años después de este histórico momento pueda repetir esta hazaña.

Kangaroo, Irving Saladino, no hitondra ny sainam-pirenen'i Panama, Panamaniana voalohany nandrombaka ny medaly volamena ho an'ny firenentsika tamin'ny Lalao Olaimpika, notontosaina tany Beijing ny taona 2008 izy. Antenaina fa mbola ho toy izany ihany koa ny amin'ity Lalao Olaimpika indray mitoraka ity.

Naneho ny fanohanany ireo atleta Panamaniana ihany koa ireo mpisera Twitter. Manuel Fuentes (@Manuel_P20), ohatra, toa hita fa be fanantenana ary mino izy fa hibata medaly maromaro ireo atleta valo rehefa tafaverina an-tanindrazana, na dia mbola tsy nahazo medaly telo aza i Panama.

Mpanohana an'i Irving Saladino tamin'ny lalao Olaimpika Beijing taona 2008. Sary avy amin'ilay mpisera Flickr  Steven Yuen-Pak Liu, inder a Creative Commons licence (CC BY-NC-ND 2.0)

@Manuel_P20: 8 Panameños en las Olimpiadas Dios quiera y traigan 8 medallas para #Panama apoyarlos con todo #VamosPanama

@Manuel_P20 [es]: Solontena Panamaniana 8 no handray anjara amin'ny Olaimpika. Raha sitrapon'Andriamanitra dia hitondra medaly  8 ho an'i #Panama izy ireo, tohano hatrany izy ireo #VamosPanama

Ny sasany kosa toa kivy noho ny fahavitsian'ireo solontena , hoy i  Dretti (@An_Dreetti) naneho ny heviny:

@An_Dreetti: Eso de que Panamá solo llevará 7 atletas a las olimpiadas me desepciona, me averguenza y me entristese… [Sic] Inviertan porque plata sí hay

@An_Dreetti: Mahakivy ahy ny mahita fa atleta 7 fotsiny no hisolotena an'i Panama amin'ny Olaimpika, menatra aho no sady malahelo… Vatsio satria misy ny vola

Naneho hevitra tamin'ny tambazotra sosialy ihany koa ireo atleta. Ohatra tamin'izany i Carolena Carstens (@CarolenaPanama), 16 taona izy ary  izy no zandriny indrindra hifaninana amin'ny taranja Taekwondo, nampiseho ny fitiavany an'i Panama tao amin'ny Twitter izy:

@CarolenaPanama: Amo a Panamá

@CarolenaPanama [es]: Tiako i Panama

Naneho hevitra ihany koa ilay tompon-daka tamin'ny Vikin-davitra, Irving Saladino (@irvingsaladino):

@irvingsalad.ino: Gracias a todos, hay que seguir trabajando y corrigiendo detalles, solo tranquilidad y humildad ante todo para que las cosas salgan bien

@irvingsalad.ino: Misaotra ny rehetra, mila miasa mafy aho ary manitsy izay tsy mety kely eny, milamina fotsiny ary manetry tena mba hahazo valiny mahafa-po ireto ny atleta solontenan'i Panama sy ny taranja hifaninanan'izy ireo tsirairay avy: Alonso Edwards – 200 metatra, Irving Saladino -Vikin-davitra, Andrea Ferris – 800 metatra, Juan Huertas – Ady totohondry, Omar Simmonds – Judo,  Edgar Crespo – Lomano , Diego Castillo -Lomano,  Carolina Carsten -Taekwondo.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.