Lahatsary: ‘Ndao Hotetezintsika Ny Tsena Manerana Ny Tany

Feno loko , feo sy fiainana maro ny tsena, na aiza na aiza misy azy eto amin'izao tontolo izao. Miaraha aminay mandritra ny fitsidihanay – an-tsary sy lahatsary – ireo tsena any El Salvador, Meksika, India, Indonezia sy Thailand.

Taorian'ny nahitàna lahatsary iray avy amin'i RocaCristo momba ny  tsena ao Santa Tecla any El Salvador, varistojamonbanua  dia niteny toy ity mikasika ny fitoviana be eo amin'ity tsena ity sy ireo tsena any aminy :

…avy any Manille aho, tiako ilay lahatsarinao, toy ny hoe any amin'ny tsena mandon'i Filipina izany ianao, ny anana, ny voankazo, ny vomanga ary ireo voankazo madinika izay antsoinay hoe “seneguelas” aty aminay aty Filipina, izay afaka mahita azy ity mandritra ny lohataona. Tiako ity lahatsary ity

Ao Indonezia, ny takalo sy ny varotra dia eny ambony tsena mitsingevana no anaovana azy ao Loak Ba Intan ao atsimon'i Borneo.

Boats in the floating Indonesia maket of Lok Baintan

Olona avy eny amin'ny tanàna manodidina tonga eo amin'ny 5 ka hatramin'ny 8 or maraina ao amin'ny tsena ambony renirano ao  Lok Baintan, eo akaikin'iMartsapura, tanana fitrandrahana harena ankibon'ny tany any atsimon'i Borneo, Indonezia.Sary avy amin'i bayuwinata © Demotix (7/14/2012)

MVMTelevisionDigital  dia nitsidika ireo tsena ao  Oaxaca, Meksika. Ity lahatsary maharitra iray minitra ity dia mampiseho antsika ireo toerana maroloko izay ahafahan'ireo mpanjifa mividy fitafiana, firavaka ary sakafo hatramin'ireo fahaiza-manao mampiavaka manokana ny faritra toy ny valàla sy ny kankana, na angamba sôkôla mafàna eran'ny kôpy?

Ity tsena ao Mumbai, India ity, dia somary hafa kely: raha tokony ho voankazo sy anana, dia ho hitanao ao ny kojakojam-piarakodia efa niasa, zavatra fahagola, vata fampangatsiahana sy fahitalavitra nasiam-panamboarana latsaky ny tena vidiny. Ity lahatsary novokarin'i Parasher tamin'ny 2007 ity  dia manome fahalàlana amin'izay niandohan'ny anarana : lehilahy iray mpivarotra kodiarana no mino fa tany am-piandohana ny tsena dia fantatra kokoa tamin'ny hoe  “Noisy”, na “tabataba”  tsena (Shor) saingy teo ambany fifehezan'ny Anglisy, ilay anarana dia voasosoka ho  “thieves”, na “mpangalatra”  bazaar (Chor). Mpivarotra iray hafa no namelively ny hoe, ny marina dia hatramin'ny entana halatra no efa fahazarana ny mora mahita azy eny amin'ny Bazaar, tsy dia tafahoatra loatra araka izany ny fampiasana ny fomba fiantso hoe Chor .

Fiaran-dalamby iray no mamakivaky im-8 isan'andro ny tsena Maeklong ao Thailand, ary manaisotra ny talantalany ireo mpivarotra ka manadio ny làlamby isak'izay mandalo izy io. Raha toerana efa tsy mahagaga intsony ho an'ireo ao an-toerana izany, dia zavatra tokana antony itsidihan'ireo mpizaha tany an'io tsena io, mba hahita fotsiny ireo olona manadio ny làlan'ny fiaran-dalamby.

3 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.