Kazakhstan: Fanentanana Tsy Mahazatra Loatra Nampiasa Ny Ondry Hiantohana Ny Fifamoivoizana ieren-doza

Ny 17 jolay, ireo mponina any Almatia, tanan-dehiben’ i Kazakhstan, dia finaritra nahita ireo lambabe fanentanana vaovao sy ilay takela-by fanaovana dokam-barotra napetraka eran’ ny tanàna misy hafatra nahatalanjona milaza hoe : ” Manaraha lalàna rey olona rehefa miampita. Ny ondry [no miampita ny lalana]” eny rehetra eny araka izay tiany.

Ireo lambabe fanentanana sy takela-by fanaovana dokam-barotra ireo dia mikendry ny famonjena ny ain'ny olona amin'ny fampahafantarana an-dry zareo ny lanjan'ny fitsipika tsotra tokony harahana rehefa miampita làlana. Izy ireny dia novokarin'ny Ministeran'ny kolontsainan'i Almaty, ireo masoivohona dokam-barotra eny an-toerana ary ny mpitandro filaminana mpandrindra ny fifamoivoizana .

Ireo takela-by ireo dia ampahany amin'ny  fandaharana dokambarotra sosialy vao noforonina mba hanovana ny toetra malaza fanaon'ny olona, eny amin'ny faritra rehetra, manomboka amin'ny fanajàna ny fitsipiky ny fifamoivoizana ka hatramin'ny fikajiana ireo harena voajanahary. Araka ny  fanamarihan'ny Ministeran'ny Kolontsaina ao Almaty [ru]:

Что может повлиять на поведение людей, пробудить в них ответственность за себя и за других? Только социальная реклама с сильным эмоциональным посылом.

Inona no mety hitondra vokatra eo amin'ny fitondran-tenan'ny olona, mba hahatonga azy ireo ho tompon'andraikitra kokoa? tokana ihany, dokam-barotra ara-tsosialy manambara hafatra manetsi-po mafy.

Io takela-by io dia anisan'ny tafiditra ao anatin'ny fanentanana ara-tsosialy any Almatia. Sary an'ny Ministeran'ny Kolontsaina any Almatia, ampiasaina nahazahoana fahazoan-dalana.

Ilay hafatra nahatalanjona nipetaka teo amin'ireo takela-by  ireo dia nahatonga resa-be tamin'ireo mpampiasa media sosialy teo amin'ny firenena. Mitsikera io sary eo ambony io izay navoakan'ny Ministeran'ny Kolontsaina any Almatia (AlmatyMADENIET) tao amin'ny facebook, nanoratra ‘i Ruslan Kuvatov [ru] hoe :

Отличный постер. Надеюсь их много будет по городу. Еще надо сделать креатив на тему культурного вождения и уважения друг к другу на дроге. Короче говоря надо идентифицировать баранов за рулем :).

Afisy lehibe. Mino aho fa hahazo fa hahazo betsaka amin'ireny isika manerana ny tanàna. Ankehitriny isika dia mila ihany koa mamokatra zavatra amin'ny alalan'ny famoronana momba ny lafiny kolontsainan'ny familiana fiara sy ny fanajana ny tsirairay eny amin'ny làlana. Raha fintinina dia tokony hamantatra ireo ondry ao ambadiky ny familiana isika :).

Raha ny ankamaroan'ny mpampiasa aterineto dia toy ny mankasitraka ireo fanentanana vaovao, ny olona sasany dia mandray azy ireo ho manafintohina. Nanome soso-kevitra ilay Kazakh bilaogera, Gizatm [ru]:

Просто нельзя называть людей баранами за то, что они переходят дорогу в неположенном месте. В США и Канаде тоже так же переходят… Если машины за км нет, то почему бы и не перейти.

Tsy tokony hiantso ny olona ho ondry noho izy ireo tsy manaja fitsipika rehefa manapa-dàlàna. Any Etazonia sy Kanada, mitovy amin'io ihany ny fiampitan'ny olona ny làlana … Raha tsisy fiara mandeha [ eny an-dalambe ] ao anatin'ny 1 kilometatra, maninona no tsy tokony hiampita ny olona ?

Tsy maintsy namaly ireto tsikera ireto ny manam-pahefana [ru]:

Мы никого конкретно не называли баранами. Это шуточный плакат с небольшой издевкой… Мы хотели максимально привлечь внимание аудитории.

Tsy niantso ny olona ho ondry izahay. Afisy kivazivazy io, miaraka amina fanesoana faran'izay kely indrindra … Mba te hisintonana ny sain'ny mpijery betsaka araka izay tratra  fotsiny izahay.

Kanefa, betsaka amin'ny mpampiasa aterineto no mankasitraka ilay hetsika ary nanome soso-kevitra hafa mba hamonjena ain'olona eny amin'ny làlana. Nosoratan'i Salken Balbayev [] ao amin'ny Facebook hoe:

Хороший проект. Еще хотелось бы, чтобы сами пешеходные переходы освещались в темное время суток и знаки были видны издалека.

Tetikasa tsara. Tsara koa raha mba misy jiro filazàna ny làlana rehefa maizina sy takelaby fandrindràna fifamoivozana tsinjo avy lavitra.

Amin'ny ankapobeny, ny ankabetsahan'ireo mpampiasa aterineto any Kazakhstan dia faly mahita fa tena miatrika ny olana marina tokoa amin'ny fomba misy fahaiza-mmorona ireo manam-pahefana. Mbola faly ihany koa izy ireo mahita fa ny mpiasam-mpanjakana dia namaly ny  soso-kevitra sy tsikeran'izy ireo.Taorian'ny fanombohan'ilay fanentanana dokambarotra ara-tsocialy nahomby io, namoaka hafatra vaovao hoan'ireo dokambarotra ikendrena ny fanatsatsoana ny olona tsy hanao antso eny am-pamiliana ny Ministeran'ny Kolontsaina: ” Mety ity antso ity no farany”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.