UK: Nanjavona Tsy Teo Amin'ny Làlam-be Olaimpika Tao Londona Ny Sainam-Pirenen'i Taiwan

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny  Lalao Olaimpika ao Lodona 2012.

Ny 24 Jolay 2012, fotoana fohy talohan'ny hahatongavan'ny afo olaimpika hamakivaky an'i Londona , nesorina teo amin'ny Regent Street  tao an-drenivohitr'i Angletera ny sainam-pirenen'i Taiwan. Ny sainam-pirenena hafa rehetra dia nijanona nihantona teo hatrany niarahaba ny fahatongavan'ireo solontena avy amin'izao tontolo izao ho amin'ity lalaon-dohataona ity.

Marobe ireo Taiwnais diso fanantenana tamin'ity fanjavonana tampoky ny sainam-pirenena ity. Yi-hao Liao, mpampiasa Facebook, dia nitaraina [zh]:

哀… 原本還高興一下下的

Indrisy…Fotoana fohy monja aho no faly.

Miomana handray izao tontolo izao i Londona ho fanombohan'ny lalao Olaimpika.

lol_oopsie, mpampiasa ny Reddit , dia nanontany ny antony nanesorana ny sainam-pirenen'i Taiwan :

Liana te-hahafantatra aho na ny manampahefana ao Londona no nisavoritaka, na ny manampahefana Shinoa no nampitandrina an-dry zareo hanàla azy io. Na ahoana na ahoana, heveriko fa mendrika hifantohan'ny saina izany. Ny ankamaroan'ireo mpandrakotra vaovao rehetra momba ny lalao Olaimpika no tsy niraharaha azy ity.

mintytiny, iray hafa mpampiasa Reddit, no niezaka hanome valiny :

Na tsy nisy aza fanazavana natolotra, araka ny nambaran'ny Regent Street Association, ny sainan'ny lalao Olaimpika no hampiasain-dry zareo ho entina maneho an'i Taiwan.
Tsy maintsy ambarako, tsy tena mitombina izany ary tsara ny hisian'ny fanazavana metimety kokoa .

Iray hafa mpampiasa Facebook, i Melissa Alexender, no nanamboatra sary ho endri-panoherana tamin'ny nanesorana ny sainam-pirenen'i  Taiwan :

Melissa Alexender's protest photo, via Facebook.

Sarim-panoherana avy amin'i Melissa Alexender, tao amin'ny Facebook.

Taorian'ilay sary, Melissa dia nanainga ny hafa mba handefa mailaka ho an'ny mpitantana ny Regent Street, Anastasia, sy hitaky amin'izy ireo hametraka ny sainam-pirenena Taiwan indray. Ho valinteny ho an'ny antson'i Melissa, Kenneth Wong, dia nanoratra ho an'ny Regent Street Association ary nandefa ny valinteny eo ambanin'ny sary nataon'i Melissa :

Atoa Kenneth

Misaotra amin'ny mailaka nalefanao.

Nojerena io olana io ary azo amafisina fa rahampitso hariva dia hiverina hitsangana ny saina Shinoa avy any Taipei.

Manome toky anao aho fa ho eo daholo ny sainam-pirenen'ireo firenena rehetra mifaninana.

Mankasitra indrindra

Lucy Turnbull
Regent Street Association Ltd

Diso fanantenana tamin'ilay valinteny i Melissa Alexender :

Tsy ny sainam-pirenena Shino avy any Taipei no tadiavinay fa ny sainam-pirenenay! Tsy tafiditra ho isan'izay rakofan'ny Network of London Olympic Route (Tambajotran'ny làlana lalovan'ny lalao Olaimpika) ny Regent Street, na koa hoe ampahany amin'ireo toeram-pilalaovana, noho izany, tsy dia misy antony tokony handàvana ny fametrahana ny sainam-pirenena Taiwanais !

Mandritra izany, ilay mpanome endrika, Tammy Lin, dia nanoratra lahatsoratra iray manohina ny fo niteraka soso-kevitra sasantsasany avy amin'ny fahaiza-mamorona mba hanitsiana ny zava-misy, toy ny fampidirana mangigina ny sainam-pirenan'i Taiwan ho eny an-dalambe, fanamboarana sainam-pirenena amin'ny fomba fanaovana dokambarotra  3D na famadihana azy amin'ny alàlan'ny  QR code.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny  Lalao Olaimpika ao Lodona 2012.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.