Arabia Saodita: Khaled Al Johani, Mpanao Hetsi-Panoherana Mandeha Irery, Navotsotra Vonjimaika

Fony nisy ny antso hanaovana Androm-Pahatezerana iray tao  Arabia Saodita tany amin'ny 11 Martsa 2011 tany, dia azo nisaina tamin'ny rantsan-tànana ireo mpanao hetsi-panoherana sahy niatrika ny polisy marobe. i Khaled Al Johani no hany iray tamin'ireo voarakitra tanaty horonana.

Niresaka taminà andianà mpanao gazety nentin'ny  fiaraben'ny Minisiteran'ny Kolontsaina sy ny Fampahalalam-baovao ho any amin'ny toerana nomanina hisian'ny hetsika i Al Johani ary nosamborina iny andro nanaovana ny resadresaka iny ihany rehefa niverina nody tany an-tranony. Notazonina izy hatramin'ny androany, mandra-piantson'ny rahalahin'i Khaled tamin'ny 2.50 tolakandro [ar]:

@I98A:الحمد لله الذي بنعمته تتم الصالحات تم خروج اخي خالد الجهني ٤٨ ساعة وابشركم الامور طيبة خرج معه في نفس الوقت كم شخص واسأل الله الفرج للجميع
Isaorana Andriamanitra! Nafahana mandritra ny 48 ora ny rahalahiko, Khaled Al Johani. Milamina n y zavatra rehetra ary misy maro hafa navotsotra niaraka taminy.

Turki Alabdullhai, Saodiana mpanao gazety, dia nibitsika hoe:

@Turki15: ابتسامتك هي الأمل الذي أراه في بلدي ، خالد أنت ما أنت إلا أيقونة عرت الظلم ، كم بودي يا خالد أن ترى ما كتب عنك وما سيكتب
Khaled, mariky ny fanantenan'ity firenena ity ny tsikinao. Khaled, ianao no vatolahy nampibaribary ny tsy rariny. Khaled, ny zavatra iriko dia ny hamakianao izay efa voasoratra sy mbola hosoratana mikasika anao.
Khaled Al Johani immediately after his release today

Khaled Al Johani avy hatrany taorian'ny namotsorana azy androany. Sary nozarain'ny rahalahiny @I98A tao amin'ny Twitter.

Waleed Al Majid, Saodiana mpitsabo dia nibitsika hoe :

@WaleedMjd: ‎‫#خالد_الجهني‬‏ جزيل الشكر لأنك بددت دعوى أن الدولة لاتعتقل تعسفا إلا الإرهابيين. في عالم عادل الفاسد والمنافق هم من يجدر بهم أن يكونوا مكانك.
Misaotra betsaka, Khaled Al Johani, tamin'ny fanaporofoana indray mandeha tsy miverina fa misambotsambotra fahatany izay heveriny ho mpampihorohoro ireo manampahefana. Ao anatina tontolo iray misy fahamarinana, ireo mpanao kolikoly sy mpihatsaravelatsihy no tokony ho eo amin'ny toeranao.

@iNoor93 naneho ny hafaliany tamin'ny fibitsihana hoe :

@iNoor93: ابتسامة ‎‫#خالد_الجهني‬‏ : Day = made!
Andron'ny tsikin'i Khaled al-Johani = vita!

Ary i Mortada Al Atiya, Saodiana mpanoratra, dia nibitsika hoe:

@mortadha_a: ‪#‬‫خالد_الجهني‬ ،،، أتبتسم فرحاً بخروجك؟ أم تبتسم فخراً بشجاعتك؟ أم تبتسم لتخفي آلامك؟ أم تبتسم لتتحدى من اعتقلك؟ أم تبتسم لتحرج من خذلوك؟
Khaled Al Johani: Mitsiky ve ianao satria faly fa navotsotra? Sa satria ireharehànao ny fahasahianao? Sa hanafenanao ny hirifirinao? Na ho fihantsiana ireo nisambotra anao? Sa mba hampiasa loha ireo izay namela anao ho irery?

Ireo Saodiana mpampiasa aterineto dia nitahiry hatrany tsy ho levona ny fahatsiavoany an'i Al Johani ao amin'ny Twitter.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.