Poerto Riko: Vorona io… Fiaramanidina io… Aslan io!

Malaza amin’ny aterineto sy eny amin’ny rindrina amin’ny anarana hoe Aslan i Enrique “Kike” Arce, iray amin’ireo mpanankanto an-dalambe mitondra zava-baovao  ao Poerto Riko. Nanjary fitaovana lehibe amin’ny fampandrosoana ny  asany ny fahitana azy ao amin’ny aterineto, indrindra amin’ny firesahana amin’ireo mpanaraka sy mpankafy azy . Mampiaraka ny fitaovana ilaina nenti-paharazana  pensilihazo, ranomainty, taratasy fandokoana hafa sy ireo fitaovana  avo lenta fampiasa tambazotra sosialy toy ny Instagram, ny sehatry ny bilaogy, ary koa ireo singa mahafinaritra tahaka ny kilalao , t-shirt, kapila mangilatra, ary ny bakoly (carrelage) ny  tetikasan’i Aslan.

Ny bilaogin’ i Aslan no toera-pampirantiana zavakanto virtoaly ahitana ny asany sy ny heviny, izay mampiseho tontolo falifaly, voakaly tsara ary voaravaka loko feno hery sy hanina (tsy sakafo fa nostalgie), ary niainga avy amin’ny kolontsaina Amerikana sy Japoney mlaza. Soritan’I Enrique ho toy ny fanalan'andro ho azy sy ny mpijery azy ny asa-tanàny – ary izany mampiavaka azy izany indrindra no mampirindra ireo  tetikasany isan-karazany.

Ireo andian-tsary fiaramanidina nalainy, #parraba (eo ambony), angamba no tetikasan’I Islan tena mamerovero sy manintona indrindra. Nampiasainy tamin’izany ny  iPhone sy ny fitaovana fakan-tsary malaza Instagram, Fiaramanidina misidina ambony eny amin’ny habakabaka no nasehon’I Enrique –manana sary an-jatony amin’izany izy. Antonta printy ireo sary voafantina ary avy eo apetaka aminà bakoly, izay miparitaka eny amin’ny tranobe, rindrina sy ny araben’i San Juan. Asaina amin’ny alalan’ny bilaoginy sy ny Instagram avokoa ny olona  handray anjara amin’ny “Scavenger Hunt” (fihazana harembe na chasse aux trésors): mahazo dika mitovy ny olona voalohany mahita bakoly iray ary maka sary ny toerana misy izany.

Andiana #parriba nofantenana.

Ny andiana-#parriba no ohatra tsara indrindra amin’ny fiasa mifamaly eo amin’ny mpanakanto sy ny mpijery amin’ny alalan’ny aterineto. Tamin’ny fampifangaroana ny teknolojia, ny fizahana sy ny fanakambanana, vitan’I Aslan ny nanatontosa zavatra matanjaka nefa mora takatra, zava-kanto azo ankafizina eny amin’ny toera-mpampirantiana sary matetika manalavitra ny mpanakanto amin’ireo izay tokony hanaraka azy- sy ny mpankafy azy

Global Voices (GV): Ahoana no hamaritanao ny asanao? Inona avy ny toetra mampiavaka ilaina?

Aslan (A): Mampiseho fitiavana mahery vaika ny asako, izay ahatsapako toy ny ankizy amin’ny kolontsaina japoney Otaku sy ny kolontsaina malaza tamin’ny taona 80. Tampotampoka, nanapa-kevitra ny hampiasa ireo lohahevitra mahaliana nandalo tato an-tsaiko aho, amin’ny alalan’ny famoronana olona na zavatra efa hitako amin’izao tontolo.

GV: Anisan’ireo anatin’ny hetsika ara-javakanto midadasika ve ianao?

A: Mino aho fa nanome sehatra ahy ho ao anatin’ny vondrona mpanakanto miroborobo ao Poerto Riko ny asako. Fantatra manerana izao tontolo izao amin’ny fitiavana manampy olona koa ny Poerto Rikana, sy amin’ny fanampiana ireo mpifanolo-bodirindrina, namana, mpiara-miasa – fa tsy amin’ny tontolon’ny zava-kanto ihany. Mahafo-po avokoa ny fanohanana azo amin’ireo tetikasako tsirairay avy, izay mandrava ny elanelana no sady mitarika amin’ny finamanana. Hoentina hanatsarana zavatra kosa ny tsikera ary manampy handroso lalandava.

GV : Inona no antony nampiasana ny Instagram ?

A: Nanapa-kevitra ny hampiasa Instagram aho ho fomba iray hanehoana ny tanjona ara-javakanto. Olona mahatarika sy mavitrika be aho izay mitady zavatra atao lalandava ka hitako tamin’izany ny fomba tsara ampiasaina – ny tambazotra sosialy, maro ny zavatra miseho ao ka fitaovana lafatra azo ampiasaina tsara izy. Anisan’ny modely vaovao izy , izay ahazoana vaovao aman-taoniny.  Nisafidy ny hamoaka ny asako amin’izany  aho mba hanentanana ny Portorikana hankafy ny zavakanto

 

GV: Ahoana ny nahatongavanao tamin’ny famoronana ny #parriba sy ny antony nahasarika anao nisafidy ny fiaramanidina?

A: Raha mba fantatrao – Tsy nisy nanintona ahy manokana  ny amin’ny fiaramanidina. Fa ny fitiavana diso tafahoatra mamoaka sy mizara sary no tato amiko. Raha nieritreritra ny sary alefako amin’ny Instagram aho izay tsy mitovy  amin’ny fampiasana azy mahazatra –fakàna sary ny andavan’andro – hitako fa nahafinaritra ahy ny fiaramanidina noho ny fahamaroany sy ny  “monotematika” aminy izay mifandraika tanteraka tamin’ny fijeriko.

Nanomboka nanangona sarinà fiaramanidina tsy amin’ny antony aho. Tamin’ny fotoana nanapahako hevitra hirotsaka eo amin’ny sehatry ny zavakanto no nahatsapako fa afaka hampiasaina tsara aminà karazana famoronana zavakanto mety hanintona kokoa ilay fijery. Mahafinaritra tokoa ny mahita hoe fa hevitra tsotra indrindra , tahaka ny mijery eny amin’ny habakabaka (na “p'arriba”) sy maka sary fiaramanidina no manintona olona maro.

 

GV: Firy ny sarinà fiaramanidina anananao ankehitriny? Firy no tena ilaina?

A: Tao anatin'izay enim-bolana mahery izay -farafahakeliny – naka sary betsaka aho. Nanjary tato anatiko izany, ka nahatonga ahy nahangona sary hatramin'ny 600. Inoako fa mba hampandroso ny karazana tetikasa tahaka izao,  mila sary 200 ianao na maherin'izany farafahakeliny. Kanefa tena mbola tsy ampy aza izany -Nieritreritra ny hanaparitaka ny tetikasa manerana ny nosy rehetra aho, arak'izany, mila sary an'arivony mahery. Zavatra efa noeritreretiko izany, ka tsy maintsy hotanterahiko any aoriana any. Eo am-piandrasana ny fanatanterahina izany, miezaka maka sary foana isaky ny manana fahafahana amin'izany aho.

Raha te ahafantatra bebe kokoa ny momban'i Aslan sy ny zavakantony, tsidio ny bilaoginy ary araho ao amin'ny Twitter izy.

Dika nafohezina sy nohatsaraina ity resadresaka niarahana tamin'i Aslan ity. Navoaka tamin'ny teny Espaniola ao amin'ny rohy PuertoRicoIndie.com ny dika manontolo ka azonao vakiana eto.

 

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.