India: Fifandonana Ara-poko Ao Assam

Namono olona 32 raha kely ary nandratràna maro hafa ny ady teo amin'ireo foko Bodo zanatany sy ireo voanjo miozolmana tao amin'ny fanjakan'i Assam. Ny alin'ny Zoma 20 Jolay 2012 no nanomboka ny korontana, rehefa nisy lehilahy tsy fantatra namono tovolahy efatra tao amin'ny distrikan'i  Kokrajhar, izay faritra tena anjakan'ny Bodo.

Ho valifaty, nanafika sy nandoro ny tananan'ireo Miozolmana ireo Bodo nirongo fiadiana, niampanga azy ireo ho tao ambadik'ireo famonoana tovolahy. Araka ny loharanom-baovao Indiana dia milisy ivelan'ny tafika no nitifitra ireo mpikorontana ary maro tamin'ny olona no matin'izy ireo tamin'izany.

Manodidina ny 70.000 ireo mponina tao  Chirang, Dhubri, Bongaigaon, Udalguri sy Sonitpur no nandositra ny toeram-ponenan-dry zareo hatramin'ny nipoahan'ny herisetra ary nialokaloka any amin'ireo toby vonjimaika. Raha kely dia tanana 60 avy amin'ny andaniny sy ny ankilany Bodo sy Miozolmana tao amin'ny distrikan'i Kokrajhar sy Chirang no voaroba sy voadoro.

Manodidina ny 20.000 ireo mpandeha nifanizina tanaty fiaran-dalamby tao amin'ny faritr'i Assam satria zotran-dalamby 21 no nofoanana noho ireo mpanao hetsi-panoherana nitorevaka teny amin'ny lalamby sady nitora-bato ireo fiaran-dalamby.

Homes burn in the Barmanpara village in the Kokrajhar district, about 230 kms from Guwahati, the capital of the state of Assam. Image by Aman. Copyright Demotix (24/7/2012)

Trano mirehitra ao amin'ny tanànan'i Barmanpara ao amin'ny distrikan'i Kokrajhar, eo amin'ny  230 kms miala an'i Guwahati, renivohitry ny fanjakana Assam. Sary avy amin'i Aman. Fizakà-mànana Demotix (24/7/2012)

Ny Bodos no manome ny 5% amin'ny fitambaran'ny mponina ao an-toerana raha manakaiky ny 33% kosa ny Miozolmana. Ny Bodos dia mikatsaka fizakan-tena ara-politika hiavahany, izay miainga amin'ny fahavitan-tena ka hatramin'ny fisarahan'ny fanjakana ary ny fiandrianam-pirenena.

15.64 isan-jaton'ireo mponina  20.33 tapitrisa ao Assam dia avy amin'ny foko ahitàna ny Bodo, Mising, Rabha, Sonowal, Lalung (Tiwa), Deori sy Thengal (Mech). Manana faritra telo mizaka tena i Assam eo ambanin'ny fitantanan'ny Sixth Schedule ary andiany maro hafa no mitaky ny fizakan-tenan'ny faritra misy azy ireo manokana eo ambanin'izay rafitra mitovy izay ihany.

Ny antoko mpanohitra  BJP dia nanakiana “ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna” tamin'ilay herisetra ary niteny azy io ho adim-paritra. Kanefa ny lehiben'ny Polisy ao Assam dia nanamarika fa resa-poko kokoa ireny fifandonana ireny fa tsy resa-paritra. Araka ny filàzany, ny fifandonana teo amin'ny foko Bodo sy ireo foko maro an'isa, izay  ny ankamaroany dia Miozolmana manana razambe voanjo napetraka tao amin'ny faritra, tany amin'ny 40, 50 na 60 taona lasa tany

Robbie S manoratra hoe:

Na ny governemanta ao Assam na ny an'i India dia mila mahafantatra foana fa ity herisetra ity dia lasa lavitra noho ny resaka maha-izy manokana ny faritra, mamàka lalina ao anatin'ny maha-tany tsy mandroso ary tàndra vadin-koditry ny faritra avaratra atsinanan'i India io.

Hisham Barbhuiya ao amin'ny Youth Ki Awaaz dia mijery ny tantaran'ireo “mpifindra monina Bangladeshi tsy ara-dalàna” ao Assam, izay efa im-betsaka no nampangaina taminà tranga tahaka izao:

Nandritra ny vanim-potoana Britanika, ireo Silamo avy amin'ny ditrikan'i Mymensingh sy Rangpur any Atsinanan'i Bengalm dia nentina niditra tao mba hamboly ny tany tao amin'ny distrika ambanivohitr'i Assam. Napetraka tany amin'ny faritra amoron-dranon'ny distrika nantsoina hoe ‘char’ sy ny manodidina an'i Dhubri, Barpeta, Goalpara ary Nagaoan izy ireny. Maro tamin'izy ireny taty aoriana no nandray ny kolontsaina Assamezy ary dia nantsoina hoe ireo “Assamezy vaovao”

Villagers flee their homes in the Chirang district, Assam. Image by Aman. Copyright Demotix (24/7/2012)

Mandositra ny fonenany ireo mponina ao amin'ny distrikan'i Chirang, Assam. Sary avy amin'i  Aman. Fizakà-mànana Demotix (24/7/2012)

Arunangshu manoratra hoe :

Ny fisafotofotoana noho ny tanin'ny Bodo dia mahery setra hatrany, ary ny fifanenjehana ara-poko dia niova ho amin'ny endrika vaovao anaty rà mandriaka sy fandòrana. Manontany tena ny tsirairay ny amin'ny antony mahatonga ny olona ho mahery setra sy ny antony mahatonga azy ireo hitoetra ho faran'izay tsy mandroso . Tena mahonena satria dia faritra tena mahafinaritra raha ny Avaratra Atsinanana iray manontolo iny.

Ireto ny sasany amin'ireo bitsika fanehoan-kevitra :

@arpitade: Rà mandriaka, fahantràna ary horohoro amin'ny andaniny roa. Iza no mandresy eto? Azo antoka aloha fa tsy ny maha-olona 🙁 #Fury #AssamRiots http://t.co/xBUvSURU

@nitinchatterjee: Ary dia tsy azoko an-tsaina mihitsy hoe nahoana no tsy lohateny vaventy anaty gazety izany.”@timesofindia: Tafakatra ho 32 ny isa noho ny korontana ao Assam; maherin'ny 70.000  ny mandositra fonenana”.

@supreetha15: Mba anontanio izay olon'ny fampahalalam-baovao rehetra arahanao : Nahoana no tsy Assam??? Mariho ry zareo ireny, paingory. Asehoy azy ireny ny Tanjaka Sosialy. @janlokpal Aleo ny marina hanjàka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.