Bangladesh: Nahazo Vokatra Tsara Ireo Zazavavy Na Dia Teo Aza Ny Sakana

Araka ny valin'ny fanadinana Ambaratonga Faharoa Ambony any Bangladesh navoaka vao haingana dia tsaratsara kokoa ny an'ny zazavavy noho ny an'ny zazalahy. Tamin'ity taona ity, ny salam-pahafahan'ny mpianatra zazavavy dia 79.19% izay ambony kokoa noho ilay 78.23% an'ny mpianatra zazalahy.

Fanampin'ny Rafi-Pampianarana Ankapobeny, efa nivoaka ihany koa ny vokatra avy amin'ny Fampianarana Madrasa sy ny Fampianarana Teknika ary ny ankizivavy ihany koa no mbola lohany ao amin'ireo sehatra ireo. Taona vitsy lasa izay dia nisy fiakarana ny salam-pahafahan'ny mpianatra zazavavy amin'ny fanadinam-panjakana ary  lazain'ny olona fa vokatry ny dingana maro noraisin'ny governemanta io

Naneho hevitra momba io zava-misongadina io i Hasan Ferdous :

Mety hahadiso ny mandika io fahombiazana io amin'ny alalan'ny isa fotsiny. Fantatsika rehetra ny zava-tsarotra atrehan'ny zazavavy any Bangladesh.  Zaza tsy niriana loatra ho an'ny fianakaviana sasany ny zanaka vavy. Raha misy kosa zazalahy ao amin'ny fianakaviana, omena azy daholo ny fikarakarana rehetra sy ny tombotsoa. Anjarany ny sakafo tsara ary ny sisany no an'ny zazavavy. Raha ohatra ka tsy afaka mandefa ny zanany any an-tsekoly ny fianakaviana dia ny zazavavy no voalohany  atao sorona… mbola eo koa ny tsindrin'ny fiaraha-monina, ny fivavahana ary ny olan'ny fampirafesana. Ary dia maka fanapahan-kevitra mifanaraka amin'izay ireo ray aman-deny fa tena fahasahiana tokoa ny mandefa zazavavy any an-tsekoly.

Aorian'ny fandresena ireo sakana rehetra ireo, rehefa mahatafita ny zanany lahy amin'ny fianarana izy ireo, amin'izay afaka miteny isika hoe : ” Oeee!!!!”.

Women celebrate good results

Vehivavy mankalaza sy mampiseho ny mariky ny fandresena taorian'ny filazàna ny valin'ny Fanadinan'ny Ambaratonga Faharoa Ambony. Sary avy amin'i Bayazid Akter. Zon'ny mpamorona Demotix

Iray amin'ireo sakana lehibe eny amin'ny làlana omban'ny vehivavy ny fampirafesana  na filàna kisa amin'ny filàn'ny nofo amin'ny zazavavy.  Mitantara ny Bangladesh Nari Prgati Sangha ao amin'ny iray amin'ny tatitra nataony :

28 ny zazavavy namono tena tamin'ny taona 2010 rehefa niharan'ny filàna kisa amin'ny filàn'ny nofo ary 7 mahery nanandrana namono tena. Nambara ihany koa ny fisiany filàna kisa tamin'ny vehivavy 166. Lehilahy 10 sy vehivavy 2 no maty teo am-panandramana hiaro vehivavy taminà filàna kisa.

Ny tantaran'i Jui :

Hawa Akhter Jui dia vehivavy tsotra avy any Bangladesh. Nampanambadiana izy raha mbola nandeha an-tsekoly. Tsy tian'ny vadiny ny hanohizany ny fianarany. Fantatry ny rainy anefa ny faniriany hianatra ary dia nampidiriny tao amin'ny kilasy faha 11 tao amin'ny Kolejim-Panjakana Narshingdi (HSC) izy. Tezitra ny vadiny, izay monina any ivelany, rehefa nandre fa niditra nianatra any amin'ny oniversite izy. Rehefa tafaverina rangahy, notapahany ny rantsan-tànana dimin'ny vadiny taorian'ny fifamalian'izy roa fa hoe tsy tokony ho niverina nianatra intsony izy.

Nefa tsy nahasakana azy izany. Nandeha niatrika ny fanadinan'ny HSC izy tamin'ity taona ity ( nampian'ny anadahiny) ary afaka nahazo ny naoty  “A”  izy.

Ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy eo amin'ny sehatry ny fanabeazana :

Nanapa-kevitra ny hampakatra 100% ny tahan'ny fianarana mamaky teny sy manoratra ny Governemanta Bangladesh hatramin'ny 2014 amin'ny politikan'ny fanabeazam-pirenena. Ny tatitra ao amin'ny Unnayan Anneshon mitondra ny lohateny “Ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy any  Bangladesh” dia manambara fa tamin'ny 2000 dia 49.5% ny tahan'ny fahaiza-mamaky teny sy manoratra ho an'ny lehilahy.  Tafakatra ho 61.12% izany tamin'ny 2010. Etsy andanin'izany, 40.1% ny tahan'ny fahaiza-mamaky teny sy manoratra ho an'ny vehivavy tamin'ny 2000 izay niakatra ho 54.8% tamin'ny 2010. Ny antontan'isa dia milaza fa nahitana fiakarana 1.47% isan-taona  ny tahan'ny fahaizana mamaky teny sy manoratra eo amin'ny vehivavy. Raha izao taha izao dia tsy ho tratra ny tanjona (100%) amin'ny 2014. Misy tsy fahafenoana 39.32%. Misy elanelana ny taham-pahafahana eo amin'ny  zazavavy avy any an-drenivohitra sy ireo any ambanivohitra. Eny amin'ny ambaratonga ambony dia vao mainka misongadina io eo amin'ny lahy sy ny vavy.  Na dia any amin'ny ambaratonga voalohany aza ny ankizy vavy no tompon'ny tanàna, any amin'ny ambaratonga ambony, mitarazoka any aoriana izy ireo. Eny amin'ny anjerimanontolom-panjakana dia 24.3% fotsiny ny vehivavy misoratra hianatra.

Mitovy zo ny lahy sy ny vavy araka ny lalàm-panorenana ao Bangladesh. Nefa ny marina, misy ny fanavakavahana ao anivon'ny fianakaviana. Mba hanomezana tosika ny vehivavy, dia takiana ny fanamboarana sy ny fanovàna ny fomba amam-panao, ny lalàna sy  ny politika izay manavaka ny lahy sy  ny vavy, filàna manavao ny lalàna, ny fitantànana sy ny fiombonana ezaka hahavitàna izany.

Amin’ ity lahatsoratra nataon'ny BNPS ity dia notsindriana fa ny famahàna ny olana ara-tsosialy no vahaolana iray hahatratrarana taha ambony amin'ny fahaiza-mamaky teny sy manoratra ho an'ny vehivavy :

Taona vitsy lasa izay, nakarina ny teti-bola amin'ny fampianarana ambaratonga voalohany ho an'ny vehivavy izay hanampy amin'ny fampidinana ny hantsana eo amin'ny mpianatra lahy sy vavy. Araka izany, tokony hahatratra ny tanjon'ny MDG ara-potoana i Bengladesh amin'ny dingana voalohany. Nefa ny salan'ny fandaozana sekoly dia mbola aminà taha tsy azo ekena. Noho izany, mbola misy elanhantsana goavana amin'ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy any amin'ny ambaratonga faharoa sy ny ambaratonga ambony. Nihena kely io hantsana io tato anatin'ny 10 taona.  Ny dingana tahaka ny fampianarana maimaim-poana ho an'ny zazavavy hatramin'ny ambaratonga faharoa ambony dia tsy afaka hampihena misimisy kokoa ny elanelana . Ny antony lehibe dia ny filàna kisa amin'ny filàn'ny nofo sy ny fidirana aloha loatra amin'ny tokantrano. Ilaina vahàna maika ireo olana ara-tsosialy ireo mba hampakàrana ny fahaiza-mamaky teny sy manoratra ho an'ny vehivavy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.