Meksika: Fihanihana Tendrombohitra Hiadiana Amin'ny Olan'ny Rano

Ny Fanamby “Challenge “dia ny hanairana ny saina mikasika ny olan'ny rano sy ny olan'ny fanajariana manerana izao tontolo izao ary hanangonana vola mba hiantohana rano fisotro ho an'ny olona rehetra. Ilay mpamorona ny Fanamby 21, Jake Norton, dia mihevitra ny hanatanteraka azy ity amin'ny fihanihana ireo tendro  telo avo indrindra isaky ny kaontinanta tsirairay ary ireo lahatsary roa manaraka dia ahafahantsika mahita ny fomba anaovany izany.

Vao haingana izy  no nihanika ny tendro fahatelo avo indrindra any Amerika Avaratra, ny Pico de Orizaba ao Meksika. Josh Wolff no nanangona ny tatitra momba ilay fianihana, sambany ho azy rahateo, amin'ny alalan'ny lahatsary iray ay lahatsoratra iray ao amin'ny bilaogy Gadling travel.

Ny kirimbarimbako farany indrindra dia nitondra ahy tany amin'ny sisintanin'ny fanjakan'i Puebla sy Veracruz any Meksika mba hanandrana ny hihanika ny tendro fahatelo avo indrindra  in order to attempt to summit the third highest peak (18,500 feet, na 5.640 metatra) any Amerika Avaratra ary ny avo indrindra ao Meksika, ilay “strato-volcanique” Pico de Orizaba.

Tsy tahaka ny fihaniahana mahazatra izy io. Manampy ny haavo dia teo koa ny antony.  Ilay mpihanika tendrombohitra matihanina Jake Norton sy ny ekipan'ny Fanamby 21, na Challenge 21 dia manandrana mianika ireo tendro avo indrindra miisa 21 eran-tany, ary izany rehetra izany dia hatao amin'ny anaran'ny rano madio sy ny fahadiovana avokoa ho an'filàn'izao tontolo izao. Io no isan'ny olana faran'izay maikan indrindra amin'izao vanim-potoanantsika izao. Naniry ny hanery tena ihany koa aho, ka hanao asa soa ho anà tanjona iray, ary dia nanao sonia hiaraka amin'i Jake any Meksika.

Miaraka aminà tendro 7 sahady izay no vita, isan'izany ny Everest, Kilimanjaro ary Stanley hatramin'ireo tendro avo indrindra 3 any Amerika Avaratra, tsara fiainga ilay tetikasa mivelatra mandritra ny 3 hatramin'ny 4 taona. Ny fantsoa Youtube an'ny Challenge 21 dia manana lahatsary maro momba ny dia tany Everest, tahaka ireo maro hafa mampiseho toeram-pidiovana isan-karazany ao amin'ny toby filasiana ao Everest. Ao amin'ny tranonkala dia ahitàna vaovao betsaka mikasika ilay dia ary hatramin'ireo rohy azo anolorana fanomezana ho an'ny  fikambanana Water for People, ary ireo rohinà fampahalalam-baovaon'olon-tsotra hanarahana ny firoson'ny tetikasa.

Ireo fitetezana noraisin'i Jake Norton sy ny  Challenge21 an-tànana dia famatsiam-bola avy any ivelany daholo. Amin'ny teny hafa dia hoe, izay rehetra vola narotsaka ho an'ny “Water For People” dia hivantana daholo, 100% ho an'ny “Water For People” sy ny tetikasan-dry zareo manerana izao tontolo izao. Tsy misy vola hoe nalefa tamin'ny alàlan'ny Challenge21 ho an'ny Water For People ka handeha handrakofana ny fandaniana amin'ny fitetezana na endrika hafan'ny  Challenge 21.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.