Bahrain: Lehilahy Antitra Nosamborin'ny Polisy Satria “Niaro Ireo Vehivavy”

Tsy ilaozan'ny fisamborana ihany koa ny olona antitra mandray anjara amin'ny fihetsiketsehana “tsy nahazoan-dalana” tao Bahrain, fihetsiketsehana tokony hofaizin'ny fanjakana. Araka ny nambaran'ny mpiserasera, lahy antitra roa no voasambotra noho ny “fiarovany ireo vehivavy saiky nosamborin'ny polisy” tao an-tanànan'i Karzakan.

Mpanao gazety mpakasary Mazen Mahdi, nitaraina momba ilay fisamborana. Hoy izy nisioka:

@MazenMahdi: Ireo lahy antitra 2 voasambotra tao #karzakan omaly .. Mba fantatry ny polisy ve fa ny zo hivory no asiany amin'ny fisamborana azy mirahalahy?

@MazenMahdi: Tsy loza mitaotao ho an'ny fiarovana nasionaly izy roa lahy ireo .. Tsy manana fitaovam-piadiana izy ireo.. Ary tsy nanafika na iza iza ihany koa

@MazenMahdi: Ny fisamborana azy roa lahy sy ny filazana fa  mpandika lalàna izy ireo dia maneho fa ireo izay nisambotra no tena mbola mpanararao-pahefana- hoy i Timoney 🙂

Abdulmajeed, an elderly man arrested in Bahrain reportedly for defending women

Abdulmajeed,  ilay lehilahy antitra nosamborina tao Bahrain noho ny fiarovany vehivavy iray. Sary nozarain'i @yassmha tao amin'ny Twitter

John Timoney no lehiben'ny Departemantan'i Miami teo aloha efa nahabe adihevitra (Google Timoney+Lexus), ary mpanolotsaina manokana momba ny fiarovana ao Bahrain amin'izao fotoana izao. Mahazatra ny mpiserasera ny fampiasana fampahalalam-baovao mba hilazana ny tsy mety ataon'ny mpitandro ny filaminana, mizara lahatsary sy sary misy ny habibiana ataon'ny mpitandro ny filaminana amin'ny mpanao fihetsiketsehana ireo mpiserasera. Facebook, YouTube ary Twitter no sehatra hizarana tantara tahaka izany, satria na ny governemanta no tompon'ny fampahalalam-baovao an-tsoratra ao an-toerana, na voafehin'izy ireo ny fampahalalam-baovao hafa, na tratran'ny sivana goavana .

Tao amin'ny Twitter, Mohamed Almakna nizara  rohy ahitana lahatsary tao amin'ny YouTube izay mampiseho ireo lahy antitra roa, antsoina hoe Abdulmajeed sy Mohammed, izay toa miady hevitra amin'ireo mpitandro ny filaminana mitam-piadiana sy manao sarontava. Voalaza fa “niaro ireo vehivavy” [noho ny herisetra sy fisamborana] tao an-tanànan-kelin'i Karzakan izy roa lahy, talohan'ny nisamborana azy ireo.

Almakna nisioka hoe:

@Almakna: Lahatsary fisamborana ireo lahy antitra  Abdulmajeed sy Mohamed raha nitsangana niaro ireo vehivavy tao Karzakan izy ireo http://fb.me/1vNsVdhhB #Bahrain

Nanazava lalindalina kokoa izy:

@Almakna: Vaovao: lahy antitra Abdulmajeed nosamborina androany! iray amin'ireo tarehy hita foana isaky ny fihetsiketsehana i Abdulmajeed #Bahrain

@Almakna: Lahy antitra Abdulmajeed no tena famaritana marina ny hoe “Mazoto” na amin'ny vanim-potoana mangatsiaka na amin'ny vanim-potoana mafana, mandray anjara amin'ny fanohanana ny fahalalahana hanao fihetsiketsehan foana izy #Bahrain

Nandritra ny fotoana nandroatana ity lahatsoratra ity, mbola tsy fantatra raha efa noafahana na tsia  i Abdulmajeed sy Mohammed .

Nanomboka tao Bahrain tamin'ny 14 Febroary 2011 ny hetsi-panoherana ny governemanta. Tamin'ny volana Martsa tamin'izany taona izany, nihena ny hetsika raha nitsofoka tao amin'ny firenena ny tafika Saodiana. Vahoaka an'arivony, anisan'izany ireo mpiasa toy ny dokotera sy mpampianatra no voaraoka tamin'ny asany. Maro tamin'izy ireo ihany koa no nogadraina. Noravàna ihany koa ny fiholàhana Pearl, toerana nanaovana ny hetsi-panoherana, ary nanamboarana lalany mifampitohy [mankany amin'ny faritra misy miaramila izay mbola mikatona ny làlana mitsofoka any] ihany koa. Mbola mitohy tsindraindray ny hetsika  ao an-tanàna na dia  tafihan'ireo mpitandro ny filamina sy bahanany azy. Olona eo amin'ny 90 eo no namoy ny ainy nandritra ny fikomiam-bahoaka

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.