Hifaninana Eo Ambanin'ny Sainan'ny Lalao Olaimpika Ilay Sodaney Tatsimo Mpihazakazaka Lavitr'ezaka

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Lalao Olaimpika ao Londona 2012 ity lahatsoratra ity.

Handray njara anatin'ny Lalao Olaimpika any Londona ilay mpanao fanatanjahantena avy any Sodana Atsimo, Guor Marial, saingy tsy eo ambanin'ny sainam-pirenen'ny fireneny. Hifaninana amin'ny lalao hazakazaka lava indrindra anatin'io Lalao io – ny hazakazaka lavitr'ezaky ny lehilahy– amin'ny maha mahaleotena azy i Marial.

I Sodana Atsimo no firenena tanora indrindra eran-tany. Tamin'ny 9 Jolay 2011 izy no nambara ofisialy ho firenena mahaleotena ary mbola tsy ankasitrahan'ny Kaomity Iraisam-pirenenan'ny Lalao Olaimpika (IOC).

Nanoratra momba an'i Guor i Martina Nicolls ao amin'ny Feast na ny bilaogin'ny Hanoanana:

“Hihazakazaka amin'ny maha mahaleotena azy i Guor Marial, anatinà akanjo tsy ahitàna sainam-pirenena na famantarana. Hihazakazaka eo ambanin'ny sainan'ny Lalao Olaimpika izy. Hifaninana anatin'ilay hazakazaka lavitr'ezaka tanterahana ny 12 Aogositra ilay lehilahy 28 taona.  Ny tanindrazan'i Marial, Sodana Atsimo, nahazo ny fahaleovantena herintaona lasa izay dia mbola tsy afaka nanangana kaomitim-pirenenan'ny Lalao Olaimpika. Ny firenena itodiany amin'izao fotoana izao dia Etazonia. Marial, mponina maharitra any Amerika, dia eo an-dalàna hahazoana ny taratasy maha-tera-tany Amerikana azy. Na eo aza izany dia mbola tsy teratany Amerikana ara-dalàna izy ka noho izany dia tsy afaka hihazakazaka eo ambany ny sainam-pirenena Amerikana.”

Ho any Londona i Guor Marial ho an'ilay hazakazaka lavitr'ezaky ny lehilahy. Sary nalaina tao amin'ny www.RunBlogRun.com

Tamin'ny voalohany dia nanome soso-kevitra an'i Marial hifaninana amin'ny maha-olom-pirenenan'i Sodana azy ny IOC, nefa nandà hisolotena ilay firenena nandosirany fony izy 15 taona i Marial. Nanoratra i Rajib Sen :

Teraka tany Sodana Atsimo i Guor Marial tamin'ny fiantombohan'ny fifandirana naharitra tanatin'io firenena io izay niafara tamin'ny fananganana ny firenena vaovaon'izao tontolo izao, Sodana Atsimo, vao tamin'ny taona lasa izay. Noho izany, tsy mbola nahatsangana Kaomitim-pirenena ho an'ny Lalao Olaimpika izy, ary tsy afaka mandefa ekipa any amin'ilay Lalao izay misokatra amin'ity herinandro ity, ka mahatonga an'i Marial tsy ho afaka hisolotena ny fireneny. Nanome soso-kevitra ny amin'ny hihazakazahany ho an'i Sodana ny IOC, izay nanasa azy hiditra ao amin'ny ekipan'izy ireo nefa tsy nanaiky i Marial izay namoy havana  niisa 28 nandritra ilay ady. “Namoy ny fianakaviako sy ireo havako aho ary olona roa tapitrisa ihany koa no maty tany Sodana, ” hoy izy tamin'ny finday avy any Flagstaff, Arizona, Etazonia izay hipetrahany. “Ho ahy, ny fandehanako hisolotena an'i Sodana dia famadihako ny fireneko aloha voalohany indrindra ary fanitsakitsahako ireo olona maty ho an'ny fahafahana.

Misy mpifaninana roa hafa ihany koa handray anjara eo ambanin'ny sainan'ny Lalao Olaimpika:

Firenena maro 204 no hifaninana amin'ilay Lalao Olaimpika izay misokatra amin'ny herinandro. Nefa tsy ho anatin'ireo delegasiona ireo i Philipine van Aanhotl sy Reginald de Windt. Hifaninana (amin'ny) maha mahaleotena azy amin'ny Lalao Olaimpika ihany izy ireo satria tsy misolotena firenena. Olom-pirenenan'i Antilles Nerlandey any amin'ny nosy Karaiba izy ireo, firenena izay rava tamin'ny 10 Oktobra 2010. Araka izany, nandrava ireo mpikamban'ny IOC ny Kaomitin'ny Lalao Olaimpika ao Antilles Nerlandey. Izany no mahatonga ireo mpifaninana roa mandray anjara eo ambanin'ny sainan'ny Lalao Olaimpika ireo tsy manana firenena hosoloina tena.

Nanadihady an'i Mariala i Nick Weldon avy ao amin'ny bilaogy Runner’s World:

Raha mahazo famelana aho, ny hany azoko atao dia ny mankany sy malala-tsaina. Tsy fantatrao mihitsy. Nefa amin'izao miteny izao dia manan-danja ho ahy ny fisiako any, hampiseho izao tontolo izao sy ireo mponin'i Sodana Atsimo. Eto aho. Eto ianao. Firenena ianao. Eto ianao. Izay midika fa amin'ny manaraka, 2016, tsy izaho irery no any. Misy ankizy maromaro, rehefa mahita ahy amin'ity taona ity izy ireo; hanentana azy izany. Ho faly aho raha afaka hahita zavatra tahàka izany mitranga.

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Lalao Olaimpika ao Londona 2012 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.