Syria: Lahatsary Mitatitra Ny Fiakaran'ny Fifandirana

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fanadihadiana nataonay manokana momba ny Hetsi-panoherana ao Syria 2011/12.

Fanafihana iray tao amin'ny renivohitra Syriana, tao Damaskaosy, ny Alarobia lasa teo, no nahafaty ny lehiben'ny fiarovana ny Filoha Bashar Al Assad, ka nanamarika ny fiakaran'ny hamafin'ny fifanolanana eo amin'ny fitondrana Syriana sy ny tafiky ny mpanohitra efa ho 16 volana. Ny Alakamisy, ireo mafana fo no nanambara fa mitohy tsy ankijanona ny ady any amin'ny tanàna manodidina an'i Damaskaosy renivohitra. Ary tamin'io andro io ihany, i Rosia sy Shina  no nampiasa  ny vato tsy azo ivalozana nandavany ny hevitra tapaky ny Filan-kevi-Pilaminan'ny Firenena Mikambana izay nanasazy ny Governemanta Syriana noho ny tsy nahombiazany tamin'ny fandavorariana ny fametrahana drafi-pandriam-pahalemana iraisam-pirenena.

Mampirehitra ny haino aman-jerim-bahoaka ny vaovao misy ao Syria. Nahafahan'ireo mpijery mba hanaraka ireo dingana tena nampiakatra avo ny hamafin'ny fifanolanana ny lahatsary nalefan'ireo mafana fo tao amin'ny YouTube.

Nony afaka kelikely taorian'ny daroka baomba nahazo an'i Damaskaosy, dia nanomboka niditra ireo tatitra momba ny tifitra variraraka sy zera-baomba an'habakabaka  teny amin'ny manodidina ny tanàna. Voarakitra anaty lahatsary ny sasany tamin'izy ireny, toy ilay anakiray manaraka izay nalefan'i msyria91:

Taoriana kely, ny Alarobia, dia nilaza ireo mafàna fo fa naparitaky ny tafika Syriana tao Damaskaosy ny fiara mifono vy. Nanidintsidina teny ambony teny ny Hélicoptères raha nanomboka nhita voalohany itandahatra teny an-dàlana ireo mpisaona, araka ny fandraketana nataon'i marrywayne ao amin'ny lahatsary manaraka etoana :

Nandefa ity lahatsary manaraka ity ihany koa i marrywayne , izay eritreretina ho mampiseho ny fankalazàn'ireo mponina tao an-tanàna ny fahafatesan'ny olona henjan'i Bashar Al Assad:

Misy vaovao tsy voamarina mikasika vono olona faobe tao Damaskaosy nataon'ireo mpanatanteraka asa maloton'i Bashar Al Assad, ny “shabiha”, izay nipoitra tety amin'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra ny androtr'iny. Lahatsary maherivaika (mitondra mankaminà lahatsary iray izay maherivaika ny rohy — ilaina fitandremana ny fijerena azy) mampiseho ireo olona izay heverina ho niharan-doza no hita tsy ela akory tao amin'ny YouTube.

Lahatsary hafa, toy ity manaraka ity, izay nalefan'i Moviestrailersclips,  no mampiseho ny tohin'ny fidarohana baomba an'i Midan any akaikin'i Damaskaosy izay nataon'ny miaramilan'ny Governemanta :

Nitohy nandritry ny alina ny daroka baomba natao tamin'ny manodidina an'i Midan sy ny poa-basy mavesatra araka ny hita ao amin'ny lahatsary manaraka izay nalefan'i MidanRevolution:

Ny Alakamisy, no nilaza ireo mafana fo mpanohitra fa mitohy ny ady any amin'ny distrika Atsimon'i Damaskaosy. Tsy ela dia nitranga ny  tsy fahampian-tsakafo. Mampiseho ny fitarainan'ireo mponina ao Damaskaosy izay milahatra mba hahazoana mofo, ny lahatsary manaraka nalefan'i jamalworkmail :

Nony afaka kelikely, ny Alakamisy ihany, dia hita fa nivoatra  haingana be ny toe-draharaha. Mampiseho fitarainana ihany koa ny lahatsary iray nalefan'i libyanproud, izay ahitàna ny tafiky ny mpanohitra mifehy ny vavahady iray fiampitàna any amin'ny sisintany iraisan'ny Syriana sy Irakiana:

Tompon'andraikitra Irakiana iray no nanamarina ilay vaovao taty aoriana kely izay nilaza tamin'ny AFP ny Alakamisy fa ny mpikomy Syriana no mifehy ny sisintany rehetra mampisaraka an'i Iraka sy Syria.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fanadihadiana nataonay manokana momba ny Hetsi-panoherana ao Syria  2011/12.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.