Iran: “Raha Maty Misy Mamono i Bashar, Ny Fitondrana Iraniana Dia Hiantso Azy Ho Maritiora”

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Hetsi-panoherana ao Syria  2011 ity lahatsoratra ity.

Narahan'ireo Iraniana mpitoraka bilaogy hadrohadro ny fanehoan-keviny tamin'ilay  fanafihan'ny  Syriana mpanohitra tao Damaskaosy sy ny fanapoahana baomba izay nahafaty ireo tomponandraikitra ambony telo amin'ny fiarovana ny fitondran'ny Filoha Syriana  Bashar Al Assad.

Tsara ny fifandraisana eo amin'i Iran sy Syria ary dia nanàla azy tokoa ireo vahoaka amin'ny mety ho fiantraikan'ny fialàn'i Al Assad eo amin'ny fitondrana, taorian'ny 16 volana nisian'ny revolisiona mivaivay tao Syria.

Ensiloos manoratra [fa] arahan'eso hoe :

Raha maty misy mamono i Bashar, ny fitondrana Iraniana dia hiantso azy ho maritiora ary hamadika ny anaran'ny lalambe migodana iray ao Teheran ho amin'ny anarany…Ao anatin'ny bokin-tantarantsika, ny fianakaviana Assad niaritra famoretana no horesahan-dry zareo ary any amin'ny fanabeazana fototra dia hampiany lesona mitondra lohateny hoe  “ny anganonganon'i Assad”.

Andishenovin manampy hoe [fa]:

Aorian'ny fandresen'ny mpanohitra an'i Bashar Assad, tokony ho vonona hiady hanohitra ny Repoblika Islamika isika…Ny firodanan'ny fitondran'i Assad amin'ny ho avy dia hanentana sy handrisika ny fanoherana Iraniana.

Ary Farda Iran Azad manoratra hoe [fa]:

Ny firodanan'ny fitondrana  “Ba'athist” ao  Syria dia miseho amin'ny fotoana hiatrehan'ny firenentsika olana ara-politika goavana, toekarena ary sosialy.[ Ireo tranga roa ireo] dia afaka ary tokony hitondra antsika mankany amin'ny fitroaram-bahoaka….amin'ity indray mitoraka ity ny hetsi-panafahantsika dia tsy tokony ho voafetra ho an'ny saranga antonony ihany [tahaka izay niseho tamin'ny hetsi-panoherana 2009].

Freedom Messanger maminavina ny ho endrika taratasy fiaraha-miory alefan'ny Mpitarika Iraniana, Ali Khamenei amin'ny famoizana an'i Bashar Al Assad. Mivaky toy izao ilay sarintsarin-taratasy :

Miaraka amin'ity taratasy ity no andefasako fitaovam-piadiana vitsivitsy sy mpiambina ny revolisiona ho anao mba hisorohana ny tsy haha-maritiora ireo havan-tsy foinao….ataovy an-keriny sy vonoy irao Syriana tsy  Alawite mba hifikiranao eo amin'ny fitondrana, toa ahy.

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Hetsi-panoherana ao Syria  2011 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.