Espaina : Solombavam-Bahoaka Niteny Ratsy Ireo Tsy An'Asa An-Tapitrisa

[Mankany amin'ny tranonkala miteny espaniola ny rohy amin'ity lahatsoratra ity .]

Nandritra ny fotoam-pivorian'ny solombavam-bahoaka ny Alarobia 12 Jolay teo, no nanambaran'ny filohan'ny governemanta, Mariano Rajoy, ny fampihenana tetibola faran'izay henjana tsy mbola nisy teto amin'ny firenena hatramin'izay nisian'ny demokrasia. Mba ho valin'ny fitakian'ny  Firaisambe Erôpeana, FMI sy ny BCE , hahatratrarana ny tanjona fampihenana ny fatiantoka notrena hampihanrin'ny firenena, ny governemanta dia nandray fepetra izay tsy mahavaha akory ny tena olana  fototra any Espaina, ny tsy fisian'asa sy ny olana ara-toekarena.

Narahan'ireo solombavam-bahoaka avy amin'ny antokony tehaka ny fepetra noraisiny tamin'ny fandraisam-pitenenan'ny filohan'ny governamanta, izay manamarika ny fahatapahan'ny fifanarahana sosialy mamatotra ny antoko politika sy ny olom-pirenena. Toy izao ny fanambaran'i Mariano Rajoy ny fepetra henjana mahakasika ny fanampiana sosialy ho an'ny tsy an'asa :

Hasiana fanamboarana ny fitsinjarana ireo fanampiana omena ny tsy an'asa mba tsy hahasarika ny sain'izy ireo tsy hitady asa, toy izay hita any amin'ny firenena sasany  mpikambana ao amin'ny Firaisambe Eoropeana.

Ilay solombavam-bahoaka Andrea Fabra dia nanamafy ny  horakorany tamin'ny fitenenany hoe : Que se jodan  (« Asaivo mandeha mi…. any ry zareo »), niteny ratsy  ireo tsy an'asa an-tapitrisa ao anatin'ny firenena sy ireo antoko politika ambiny misolo tena ny vahoaka.

Sary fampitàhana, eo ankavia minisitry ny asa italiana tamin'ny fotoana nilazana ny fepetra, eo ankavànana ireo solombavam-bahoaka espaniola.

Ny bilaogy El “blo” del Moe y Triana dia mamoaka ity filazana manaraka ity :

Andrea Fabra dia niditra teo amin'ny sehatra politika tamin'ny taona 1990, nanatevin-daharana ny Jeunes du parti populaire. Tamin'ny 2000, fony lehiben'ny antokom-paritra ny rainy, Carlos Fabra, dia voafidy ho solombavam-bahoaka tany Castellón izy. Ankehitriny, voarohirohy amin'ny raharaham-pitsarana misokatra anenjehana an-drainy izy.

Io fitenenan-dratsy io dia niteraka fahasorenana tamin'ireo vondrona politika maro nanatrika ary tsy niandry ela ny fanehoan-kevitr'ireo mpiserasera amin'ny aterineto :
@alexizag : Le Que se jodan an'i Andrea Fabra dia tena fandaharan'asan'ny PP. Matotra izy arafaha-ratsiny .
@iescolar : Aza manantena fa hametra-pialàna  i Andrea Fabra. Navelan'ny PP ny heloky ny rainy http://kcy.me/6az9
@hablandorepubli : Hanotrona an'i  #AndreaFabraHijaDePuta. Nihiakiaka hoe :  «Tsara izay, asaivo mandeha mi…. any ry zareo !» izy tamin'ny fotoana nanambaràna ny fampihenana ny fanampiana ho an'ny tsy an'asa.
@a_lo_gonzo : Aoka ho fantatra fa nahay namintina tamin'ny teny vitsivitsy sy mazàva ny politika ara-toekaren'ny governemanta i Andrea Fabra.
 @javier_parra :  Rahoviana no iheverana ny PP ho mpampihorohoro ara-toekarena tsy ara-dalàna ? Andrea Fabra sy ireo #DiputadosDelPPAplaudiendo , fara-tampon'ny herisetra.
 @TRADMONTANA : Sorena aho ! fa inona ity antoko politika ity ? #diputadosdelPPaplaudiendo izay mankasitraka fepetra iray faran'izay  henjana ho an'ireo tsy manan-koraisina ary  solombavam-bahoaka iray mihiakiaka hoe : #quesejodan…
Marobe ireo taratasy nalefa tany amin'ilay solombavam-bahoaka, indraindray tena manafintohina, sahala amin'ny hoe A la que gritó que se jodan.
Tsy niandry ela, nisy fanangona-tsonia nandeha tao amin'ny aterineto mba hitakiana ny fametraham-pialan'ilay solombavam-bahoaka ary nahangona sonia 150 000 tao anatin'ny ora vitsivitsy. Nisy vondronà mpanohitra ihany koa nangataka an'i Andrea Fabra hametra-pialana , izay no nahatonga ilay minisitra sy ny vondrona parlemantera misy azy namaly :
Tsy hiala amin'ny toerany izy. Na dia misy fangatahan'ny PSOE ( Antokon'ny mpiasa sosialista espaniola) aza, tsy mihevitra ny hametra-pialàna i Andrea Fabra. Heverinay ato amin'ny PP fa tsy misy antony hanaovany izany, izay niseho dia ampahany amin'ny tontolon'ny parlemanta ihany.
Ireto ny sasany amin'ireo fepetra mahakasika ny tolotra sy ny fanampiana ara-tsosialy :
  • Fampihenana ny fanampiana ho an'ny tsy an'asa maharitra (fanampiana mandritra ny 2 taona, saingy ahena 60% ka hatramin'ny 50% aorian'ny faha enim-bolana)
  • Fampihenana 20% ny isan'ny mpanolotsainan'ny tanàna
  • Fampiakarana ny TVA, 18% ho lasa 21%
  • Fanamboarana ny lalàna mifehy ny fitsaharana amin'ny asa mialoha ny fotoana
  • Fanafoanana ny tataon-ketra amin'ny fividianana trano
  • Fampihenana ny isan'ny andro fialan-tsasatra sy fanafoanana ny volana faha 13
  • Fampihenana ho 20% ny tetibola natokana ho an'ny antoko politika sy ny sendikà.
  • Fanamboarana ny rafitra fanampiana ho an'ny tsy an'asa

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.