Bus Mpizaha tany Isiraeliana Voatafika Tany Bolgaria

Farafahakeliny fito no maty tamin'ny fanafihana tanora Isiraeliana tao amin'ny bus ho an'ny mpizaha tany tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Burgus tao Bolgaria.

Milaza ny tatitra fa nataona mpitondra baomba manao vivery ny ainy ny fanafihana, izay na teo akaikin'ny bus na tafiditra tao anaty bus. Araka an'i  nrg, nijoro teo anoloan'ny bus iray ny vehivavy mpanao vivery ny ainy iray ary napoakany ny baomba.
FANAVAOZAM-BAOVAO:
@BarakRavid:

Nifampiresaka ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Bolgara ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Lieberman ka notenenin'itsy voalohany ny vokatry ny famotorana fa baomba niafina tao amin'ny fitoeran'entan'ny bus no niteraka ny fipoahana

Nambaran'ny Praiminisitra Isiraeliana Bibi Netanyahu fa “mampitodika any Iran ny marika rehetra” ka hamaly bontana i Isiraely.

@ruslantrad:

bTV mampiseho ny sary fanafihana ny mpizaha tany Isiraeliana tao Bolgaria

Niteny i Shoshi, Isiraeliana vavy nanatri-maso ny fipoahana:

Nandalo ny fifindra-monina izahay ary niditra tao amin'ny bus #4 teo ivelan'ny seranana. Nametraka ny entanay izahay ary roa minitra taoriana nirehitra ny bus #2. Nampitsoahina tany amin'ny efitra voaaro izahay.

Nanampy azy ny zananilahy:

Tsy maintsy nitsambikina niala ny bus ny sisa velona mba tsy hanitsaka vatan'olombelona. Nahita ny bus izahay, nisy Isiraeliana naka sary azy. Nahita ny fitoeran'entany nipoaka izahay. Nalefa haingana tany amin'ny faran'ny efitra (seranana) izahay.

Ao amin'ny pejy Facebook-ny, ny minisitry ny raharaham-bahiny Avigdor Liberman no nanoratra:

Vao nifampiresaka tamin'ny minisitry ny raharaham-bahiny Boligara, Nikolay Mladenov, momba ny fipoahana aho. Mizotra mankany amin'ny toerana i Mladenov ary hanome ny vaovao farany ho ahy rehefa tonga any.

Milaza ny sioka avy amin'i @MokedNews:

Iray amin'ny maty tamin'ny fanafihana boligara – Boligara mpitarika mpizaha tany iray izay tafaraka tamin'ny mpizaha tany Isiraeliana raha nisy ny fipoahana. (loharanom-baovao: TV Boligara)

Fitantarana mivantana “tena tsara dia tsara” ao amin'ny bilaogy fitantarana an'ny Haaretz amin'ny teny Hebreo (betsaka kokoa ny fanavaozam-baovao) sy amin'ny teny Anglisy.

Sioka arahina raha hanaraka mivantana ny vaovao farany:
@BarakRavid – solontena diplaomatika, gazety Haaretz
@ruslantrad – bilaogera Syriana-Boligara sy mpanadihady ny faritra Afovoany Atsinanana Afrika Avaratra
@MokedNews – mpamahana vaovao Isiraeliana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.