Syria: Lazain'ny Mpiserasera Ho Manomboka Ny Fiafaran'ny Fitondrana Bashar

Malaza ny Twitter mikasika ny fanombohan'ny  fihongananan'ny fitondran'i Assad, taorian'ny fipoahana baomba tao Damaskosy izay nahafatesana olona telo mpikambana ambony ao amin'ny presidansan'i Bashar Al Assad.

Arwa Damon avy ao amin'ny CNN nitatitra toy izao:

@arwaCNN: nilaza ny tafika ao ‪#syria‬ fa fitaovana napetraka tao anatin'ny efi-pivoriana ilay zavatra nipoaka & napoaka tamin'ny alalan'ny baikon-davitra (telekomandy)

Ny manampahaizana manokana Emirati ny Sultan Al Qassemi nanamarika hoe:

@SultanAlQassemi: Mianjera toy ny lalitra ireo olon-doza vonoin'ny zanak'i Baas.

Bilaogera Syriana Yazan Badran niahiahy:

@yazanbadran: Misy zavatra somary hafahafa miseho. Izany ve ny vahaolana farany nampiasaina? Na koa ohatra ‪#Syria, mety tsy hilamin-tsaina intsony izy ireo.

Mila porofo mazava ilay Syriana The 47th:

@The47th: Fanontaniana kely fotsiny, nisy olona nahare tokoa ve ny fipoahana tao Damas? nilaza ny namako avy any Rawda izay nantsoiko fa tsy nahare na inona na inona.

Lina Sinjab ao amin'ny BBC ni-tweet hoe:

@BBCLinaSinjab: Nilaza ireo mponina mipetraka ao akaikin'ilay tranobe  fa tsy nahare zavatra nipoaka na feom-basy, ary tsy nahita olona naratra nobataina ihany koa ‪#Syria

Hoy koa izy:

@BBCLinaSinjab: Vao avy nijery ny manodidina ny tranoben'ny fiarovam-pirenena kanefa tsy nahita marika fipoahana, tsy nisy varavaran-kely vaky, tsy nahitana mpiambina betsaka ‪#Damascus‬ ‪#Syria

Rafif Jouejati nanontany voalohany hoe:

@RafifJ: Famonoana ireo miaramila mety handositra? ‪#Syria

Ary hoy koa izy nanambara:

@RafifJ: Ao anatin'ny fikorontanana tanteraka ny fitondrana. Mivoaha IZAO  hanao fihetsiketsehana, hankalaza, hihira, hanangana sainam-pirenena, & hihiaka hoe: YALLA IR7AL YA BASHAR [Andeha. Mialà ianao Bashar] ‪#Syria

Ary hoy izy nanampy:

@RafifJ: Mivoaha miaraka: TONTOSA IZANY! Aza mijery ny androany hiandry ny 20 taona ary tsarovy fa nangina foana ianao hatrizay. ‪#Syria

Mampiseho ny fankalazana tao amin'ny araben'i Damascus ity lahatsary navoakan'i eldoghem tao amin'ny YouTube ity, taorian'ny fanafihana:

Miandry vaovao mikasika izany tena nokendrena i Hiba Sarraj – Bashar Al Assad. Hoy izy ni-tweet:

بلا فيتو بلا نيتو…. روحوا جيبوا من بيته !
@hibasarraj: Aza miandry ny Veto (ONU) sy ny OTAN. Andeha hamoaka an'i Bashar ao antranony.

Nanome soso-kevitra i Ismael, Lybiana:

@ChangeinLibya: Ry namana, matoa mandefa horonantsary fanadihadiana momba ny fikarakarana ny tokantranonao & ny lakozia ny fahita-lavi-panjakana Syriana, tokony ho fantatrao fa efa hiakatra ny soratra. @LibyanStateTV ‪#Libya

Avy any Bahrain, Ali Al Saeed nanontany hoe:

@alialsaeed: Na Jeneraly mampidi-doza na mpivavaka misy fahavoazana no mitondra ny Arabo. Tsy misy hafa ankoatrany!?

Ny Jordaniana Ali Hasani namehy ireo tenifototra azo arahina ao amin'ny Twitter mikasika ity vaovao ity:

@_AHA: Tenifototra azonao hanarahina izay mitranga:

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.