Zambia: Maro Noho Ny Atleta Ny Manampahefana Ho Any Amin'ny J.O. Londres?

Nosiahan'ny Farayi Mungazi avy ao amin'ny BBC vao haingana ny nandefasan'i Aostralia delegasiona vitsy indrindra any amin'ny lalao olaimpika any Londres taorian'ny lalao olaimpika tamin'ny 1992, izay maventy miisa 410. Novaliako tamin'ny fanontaniana moa raha atao hoe vitsy izany satria 10 monja no nalefan'i Zambia. Ary rehefa naseho vahoaka dia lehilahy fito no isany.

Tamin'ny kivazivazy ratsy no nilazan'ny mpiserasera ao amin'ny Facebook, Durban Kambaki, ny tsy fahamatoran'ny firenena na inona na inona taranjam-panatanjahantena:

Feno fanontaniana tao an-dohako tao raha nijery ny fifaninanana IAAF junior tany Barcelona andro vitsivitsy lasa izay. Tsy afa-manipy na inona na inona ny Zambiana (Lefona, disika, tsipy fonjam-by (sic). Tsy afa-manao na inona na inona anaty rano, tsoraka, lomano sns aiza ny Lozis sy ny ba ku Luapula antsika (lomano sy tsoraka) [mponina amoron-drano i Lozis sy Luapulans], tsy afa-mihazakazaka isika? (Jereo ry zalahy ao amin'ny Manda Hill mitady vol na ny mpivarotra mihazakazaka mandositra ny LCC). Maro dia maro ny mpihaza an-tsokosoko nefa tsy misy iray mba mifaninana mitifitra. Maro ny olona miady nefa tsy misy mifaninana manao judo, ady totohondry na tolona. Af-manao izany isika fa tsy mba mahavita tsara amin'ny zavatra rehetra?

Ilay monina any Etazonia Prince Mumba no hisolo tena an'i Zambia eo amin'ny 800 metatra mandritra ny lalao olampika any Londres. Loharanontsary: daily-mail.co.zm

Niverina i Kambaki rehefa maro ny namoaka hevitra ka nanoratra:

Isika irery ny firenena ka ny manampahefana no ho betsaka noho ny atleta. Tsarovy fa misy hatrany ny fihaonan-dalao iraisampirenena tokony atrehintsika. Noho izany 4 ny mpikambana ao amin'ny komity, iray mpanazatra Judo, iray mpanazatra lomano, telo mpikambana ao amin'ny mpitantana ny ady totohondry, roa mpanazatra ny hazakazaka sy mpitarika ny delegasiona ary izay ireo efa mahazatra avy amin'ny minisitera. MARIHINA FA IREO NY KELY INDRINDRA LAZAIKO

Heverina fa karazany mamaly ny notsongaina tamin'ny tenin'ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Chishimba Kambwili hoe tsy manantena hahazo medaily avy any Londres i Kambaki:

Amin'ny lalao olaimpika, amin'ny maha-Governemanta dia tianay ny handreseny saingy manantena be loatra raha mieritreritra fa hahazo volamena ny atletantsika.
Mankany isika mba mandray anjara sy hihaona amin'ny besinimaro. Manampy ny atletantsika hiatrehana ny ho avy ny lalao any Londres. Maniry azy ireo hahavita tsara fotsiny isika.

Ny tompondaka erantany teo amin'ny 400metatra misy fefy, Samuel Matete, no Zambiana farany nahazo meday olaimpika fony tany Atlanta 1996 raha tany Los Angeles 1984 kosa ny meday voalohany tamin'ny alalan'ny mpanao ady totohondry Keith Mwila.

Ireto avy no hisolo tena an'i Zambia: mpanao ady totohondry sokajy maivana indrindra: Gilbert Choombe, ny judoka Boas Munyonga, ireo mpilomano: Jade Howard sy Zane Jordan ary ireo mpihazakazaka: Prince Mumba, Gerald Phiri ary i Chauness Choosha.

Choosha, miditra amin'ny maha- wild card, misolo ilay mpihazakazaka lavitr'ezaka Tony Wamulwa, izay very an-javony ny fanambiny ho any Londres rehefa naratra tratran'ny lozam-pifamoivoizana vao tsy ela izay.

Voarakitra ato  ny fandraisana anjaran'i Zambia tamin'ny lalao olaimpika taloha.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.