Tontolo Arabo: Ny Feon'ireo Sembana

Nisy ny fanentanana antserasera nalefa vao haingana teo amin'ny tontolo Arabo mba hampahafantatra bebe kokoa ny tolona ataon'ny olona sembana ho fiarovana ny zony. Nanambara i Abdallah AlShalaqi, mpitolona ao Arabia Saodita, sy tompo-kevitra tamin'ny fanentanana fa nandritra ny resadresaka tamin'ny fahitalavitra izay mikendry ny hanaitra ny  sain'ny tontolo Arabo mikasika ny zon'ny olona sembana, sy handrava ny fahanginanan'ny fampahalalam-baovao manoloana izany toe-javatra izany ary hamporisika ireo tompon'andraiki-panjakana handray ny andraikitriny.

Iharan'ny fanavakavahana sy ny fanilikilihana ireo olona ireo kanefa efa nitolona ho amin'ny fitovian-jo amin'ny maha-olom-pirenena azy mba ahafahany mampiasa ny fahaiza-manaony manokana. Mampisongadina ny fahafahana (mivezivezy malalaka amin'ny tontolo tiana idirana), ny fitovian-jo eo amin'ny fampianarana, ny asa, ny trano fonenana, sy ny fitsaharan'ny herisetra sy fihantsiana isan-karazana ny fanentanana izay matetika mora mihatra amin'izy ireo.

Twitter no fitaovana voalohany nampiasaina mba handrenesana ny feon'izy ireo. Angatahana ireo mpiserasera mampiasa izany tambazotra sosialy (twiter) izany mba hanaisotra ny sariny ary hanolo izany amin'ny tenifototra hoe #للمعوق_حقوق, na koa hoe “ Manana ny zony ny olona sembana“, mba hanairana ny sain'ny maro amin'izany izany. Nanohana izany fanentanana izany ny mpiserasera marobe avy amin'ny tontolo Arabo.

Safar Al Hogbani,  sembana mpilalao basket-ball aminà ekipa iray, nanoratra ity tweet ity:

@safar_ALhogbani: المعاقون جزء من المجتمع، ومراعاة ظروفهم واجب وطني وانساني، كما ان احترام القوانين الخاصة بهم دليل على رقي المجتمع وتحضره ‎‫#للمعوق_حقوق‬
Ao anatin'ny fiaraha-monina ny olona sembana. Adidy maha-olona sy eo amin'ny firenena no miraharaha ny seha-piainan'izy ireo. Fitarafana ny fandrosoana maha-olona sy ny haavon-tsivilizasionan'ny fiaraha-monina ny fanajana ny lalàna.

Nitantara ny niainany manokana i Sumaya Al Ghamadi :

@sumaya1405: #للمعوق_حقوق‬ عندما سافرت للعلاج لألمانيا لقيت إهتمام ولم أرى نظرات الشفقة,, وهنا وجدت نظرات شفقة بلا إهتمام.
Nanana zo hokarakaraina aho fa tsy fijery onena velively raha nandeha tany Alemaina, eto kosa mifanohitra amin'izany, mijery ahy tahaka ny ontsa dia ontsa fa tsy misy miraharaha izany.

manameloka ny fiarah-monina i @jessica_2090 :

@jessica_2090: ‫#للمعوق_حقوق‬ لا يوجد شخص معوق بل يوجد مجتمع يعيق
Tsy ny olona no sembana fa ny fiaraha-monina no manao izay tsy hahatombana azy.

Manampy i Abo Khaled :

@AaaAbokhaled: #للمعوق_حقوق‬ أهمها حقه في كسب قوته فالإعاقة لا تعني أن يصبح عالة على غيره
Manan-jò ny olona manana fahasembanana, indrindra ny mba hivelomany. Tsy hoe sembana dia hiankin-doha amin'ny hafa.

Mitaky ny zony [sembana] ara-drariny ihany koa ny mpisera Twitter hafa. Toy izany ny Dr ott.ssa Sohair Abdel Hafeez izay nilaza fa vehivavy, renina zazalahy dimy izay tsy mandre ny roa, dia nahavita ny fianarany teny amin'ny anjerimanontolo. Nandritra ny nahavoafidy ny filoha Mohamed Morsi, nametraka izao fitakiana manaraka izao tamin'ny ekipany ravehivavy .

@omelregalsohair: الأشخاص ذوو الاعاقة وأسرهم جزء من الشعب المصري لهم حقوق حتى التمكين فليجعلها الرئيس أمامه في مصر بلا تمييز
Ao anatin'ny fiaraha-monina ejipsianina tsara ny olona manana fahasembanana sy ny fianakaviany. Manan-jò ireo, ary anatin'izany ny fijoroana maha-izy ny tena. Tokony hijery izany zo izany tsy misy fanavahana ny filoha.

Mpiserasera fanta-daza i Mohamed Abu Taleb, olona tsy mahita mampianatra ny fampiasaina solosaina amin'olona manana olana eo amin'ny fahitana. Toy izao ny nosoratany :

@love_life2012: على الرغم من أن بداية الإستقلالية التامة بي كانت كفيلة لتجعل مني شخص حبيس بيته لكن لم أرضى هذا على نفسي مطلقا ‎‫#إعاقة‬ ‎‫#كفيف‬

Na dia mahaleo tena aza aho dia mbola voakombona ato amin'ny tranoko ary tsy manaiky izany toe-javatra izany.
@love_life2012: ومع بعض التشجيع من الأسرة لي وخصوصا والدي إستطعت ان اتغلب على كثير من صعوبات الإستقلالية ‎‫#إعاقة‬ ‎‫#كفيف‬
Nahafehy ny lalan-tsarotry ny fiainako mahaleo tena aho noho ny fampaherezan'ny fianakaviako, indrindra fa ny raiko.
@love_life2012: بعدها لم أجعل شيء مهما كان صعب ولا مستحيل أمام احلامي وطموحاتي التي أردت لها النجاح بيدي ‎‫#إعاقة‬ ‎‫#كفيف‬
Noho izay traikefa vitako izay, tsy ekeko intsony ny sakana, noho ny fahasarotana na tsy fahafaha-manao mihitsy, tsy hahatratra ny fanambiko sy ny nofinofiko avy amin'ny herin'ny tenako.
Logo Voice of The Disabled

La voix des Handicapés

Randa Aboeldahab, bilaogera hafa no miaina  amin'ny fahasembanana rehefa tapaka ny ranjony iray,toy izao no  nosoratany mikasika ny zava-iainany manoloana ny herisetra mihatra amin'ny sembana:

اغرب حالات التحرش بالنسبة دايما كانت التحرش بالعربية ، يعني المتحرش كان بيستعمل عربيته كأداة تحرش وكنت فاكرة اني انا لوحدي اللي بيتعمل فيه كدا ، اكتر واقعة مش ممكن انساها لما مرة كنت بعدي الشارع وكان في عربية راكنة ادام ، بعدي من ادامها لاقيت السواق طالع خطوة وخابطني قلت اكيد مش قاصد ، رجعت اعدي من وراه راح راجع خطوة لورا، قلت اكيد مش قاصد، وثانية راح رامي جملة من اياهم ، لاقيت نفسي بمسك العكاز اللي ف ايدي وبخبط به اول فانوس في العربية ، قال جملة تانية مصحوبة بشتيمة روحت نازلة ع الفانوس التاني وهكذا لحد ما اتهمني بأني مجنونة ، مردتش غير بضربة قوية من عصايتي في نص الباب الشمال وروحت ماشية

Ny herisetra hafahafa indrindra nahazo ahy dia natao-nà mpamily fiara : ampiasain'ny tompony ho fitaovana hanaovana herisetra io fiara io. Izaho ihany angamba no iharan'izany toe-javatra izany. Nitranga ny lozam-pifamoivoizana raha niampita arabe aho nanoloana fiara mijanona. Nalefan'ilay mpamily ny fiara dia nandòna ahy, niteny anankampo aho hoe :” Tsy fanahy iniana angamba”. Nifindra tany aorian'ny fiara aho fa mbola nodonin'ilay olona ihany aho sady mihiakiaka manompa izy.
Nosimbaiko tamin'ny tehiko ny jiro iray. Nompainy indray aho, novakiako ny jiro faharoa. Nolazainiy ho adala aho, novelesiko ny varavarana iray an'ny fiara dia lasa aho…

Hita amin'ny aterineto ireo fijoroana vavolombelona marobe mitovy izany tranga izany, indrindra ao amin'ny kaonty I Am Not Disabled  (tsy sembana aho) sy ao amin'ny tranokala Voice of The Disabled ( Ny Feon'ny Sembana), sy ireo sehatra fampahalalam-baovao ampiasaina hampitàna ny feon'ireo sembana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.