Iran: Iza No Afaka Hisambotra Akoho?

Ny lohahevitra mahamay eo amin'ny tontolon'ny media Iraniana amin'izao androntsika izao dia tsy Israely na Etazonia. Ny akoho. Ny akoho sy ny fidangan'ny vidiny.

Nisidina  ambony lavitry ny 80% noho ny tamin'ny volana lasa ny vidin'ny akoho ary tahaka ny hidangana hatrany tsy ho takatry ny olona ny vidinyo. Ireo mpiantsena dia mila mamoaka 70.000 rials (US $5.60) vao mahazo akoho iray kilao, manodidina ny avo telo heny amin'ny tamin'ny taona lasa.

Hanoherana ny fitaran'ny filaharan-kanina, Esmail Ahmadi-Moghaddam, filohan'ny hery mpanatanteraka lalàna ao Iran, dia  nampitandrina fa ny sarimihetsika mampiseho sehatra fihinanana akoho ho sakafo dia mety handranitra ireo saranga tsy manan-koraisina hanafika ny manan-katao

Mana Neyestani, Mardomak

Ho setrin'ny teny nataon'i Ahmadi-Moghaddam,Mana Neyestani, Iraniana mpanao sariitatra malaza, dia namoaka sariitatra iray momba “ny tantaran'akoho” (etsy ambony). Hoy izy manoratra :

“Efa impiry aho no miteny aminareo tsy hijery sarimihetsika misy akoho ao anatiny.”

Tsy maintsy miandry mandritry ny ora maro anaty laharana ny olona mba hahazo akoho. Ity misy lahatsary tao amin'ny Youtube, mampiseho fifanosehana mba hahazo akoho :

http://www.youtube.com/watch?feature=player_detailpage&v=zXcTsg8tvvs

Iran Azad ihany koa dia nampakatra  sarin'andianà Iraniana maro eny anoloanà toeram-pivarotana mba hividy akoho. Lazain'ilay bilaogera fa fomba iray entina hanomezana henatra ny vahoaka Iraniana io fomba fizaràna ny akoho amin'ny olona efa nilahatra ora maro io.

Osta Morad manoratra hoe :

Nandeha mba hividy akoho aho ny Alakamisy teo. Nangatahan'ilay mpivarotra aho mba hanoratra ny anarako mba ho isan'ny hahazo izany ny Sabotsy. Nafarany aho mba ho tonga aloha be fa vetivety dia ho lany io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.