Sodàna: Nokendrena Manokana Ny Vehivavy #SudanRevolts

Miditra ao amin'ny volana faharoa ankehitriny ny fihetsiketsehana ataon’ireo vahoaka Sodaney marobe manohitra ny fitondrana. Manohy ny famaizana mahery vaika ireo mpanao fihetsiketsehana   kosa etsy andaniny ny governemanta sy ny  Sampan-draharaha malaza misahana ny Fitsikilovana sy ny Fiarovana (NISS).

Mpikatroka Sodaney an’arivony no mbola notanana, anisan’izany ilay  mpisera Twitter mavitrika sy malaza Usamah M. Ali (@simsimt), izay nalain’ny NISS ankeriny telo herinandro lasa izay

Nitari-dàlana ny fihetsiketsehana  ireo andriambavilanitr'i Sodàna tamin’ny Zoma 13 Jolay 2012, no sady mihira ho an’ny fionganan’ny fitondrana sy ny fanafahana ireo mpanao politika nogadraina. Notokanana ho “Kandaka Friday” (Zoma Kandaka) io andro Zoma io, ho fanomezam-boninahitra ireo andriambavilanitra mahery fo sy revolisionera an’i Sodàna. Lohateny ilazana vehivavy mahery ny teny hoe Kandake (Candace) izay teny Kushitic.  Nampiasan’ireo vahoaka Kushity izany teny izany ho fanoharana ny mpanjakavavy.

Nandritra ny “Kandaka Friday”, marobe ireo vehivavy fanahy iniana nosamborin’ny NISS   ho fanimbazimbana izany andro natokana ho an’ny vehivavin’i Sodàna izany: Kandaka.

Taoriana ny fanafahana azy, ni-tweet i Aliah Khaled, izay notanana niaraka tamin’ny reniny sy ny rahavaviny  nandritra ny Kandaka Friday fa nitifitra baomba mandatsa-dranomaso mahery vaika tamin’ireo mpanao  fihetsiketsehana ny polisy.

@AliahKhaled: Tsy voaisako intsony ny isan’ny baomba notifirina taminay nandritra io fotoana io. Baomba marobe mampihomehy & nitifitra lavitra izy ireo tao anatin'ny moske. ‪#SudanRevolts.

Hoy izy nanohy:

@AliahKhaled: Notazomiko ny tànan’ny reniko sy ny vavahadin’ny moske, nisy baomba mandatsa-dranomaso nalefa, tsy nisy afaka nandositra ny olona. ‪#SudanRevolts

Ary:

@AliahKhaled: Voalohany tamiko no nahitako olona marobe  mitaraina mafy noho ny fanaintanana sy ny toraky ny baomba mandatsa-dranomaso toy izao. ‪#SudanRevolts

Hoy izy nitantara mikasika ny fisamborana:

@AliahKhaled: Raha tonga tao amin’ny biraon’ny ‪#NISS ao Omdurman izahay, tsy ho adinoko mihitsy ny nahita ireo tanora lehilahy MAROBE nosamborina, mipetraka miatrika ny rindrina

Tsara ny manamarika fa fanahy inian’ny NISS novazivaziana tsotra izao ny lohahevitra tamin’ny Kandaka Zoma:

@AliahKhaled: Noarahabain’ny manam-pahefan’ny #NISS  avy ny tsirairay tamin’ny fisamborana azy ireo & tamin’ny fahatongavan’ireo vaovao vosambotratao amin’ny HQ. Novazivazian’izy ireo ny anarana hoe Al Kandaka.

Nosamborin’ny NISS tao amin’ny Kandaka Friday  niaraka tamin’ny zanany vavy ihany koa i Zeinab Badreldine, efa tao anatin’ny telo herinandro  kosa no notànana ny zanany lahy. Noafahana ihany izy ireo taty aoriana, saingy mbola any ampigadrana kosa ilay zanany lahy. Iray amin’ireo andriambavilanitra an-jatony, vady, zanaka, rahavavy ary mpikambana manana ny maha-izy azy ao amin’ny fikambanana  Sodàney niharan’ny herisetra, notànana sy nanaovan’ny NISS herisetra ara-tsaina ihany koa izy

Ankoatra ireo fisamborana marobe natao sy ny fikendrena manokana ireo mpikatroka sy mpanao fihetsiketsehana vehivavy, fantatra fa nisy ihany koa fanolànana  sy ny fikasiha-tànana mahery vaika nihatra tamin’ireo vehivavy, tahaka an’i Halima Hussein Omar, mpianatra ao amin’ny Oniversite an’i Khartoum, izay niala ny masony iray raha iny izy handeha hianatra nandritra ny fihetsiketsehana.

Nandritra ny zava-niseho tamin’ny #SudanRevolts, olona eo amin’ny 2,000 eo no mbola notànan’ny NISS izay tsy manana antony mazava hanenjehana azy akory ary tsy mahazo maka mpisolovava ihany koa. Na dia izany aza, na dia teo aza ny famaizana mahery vaika nataon’ny governemanta nandritra ny fihetsiketsehana sy ny fikirizan’ny filoha Omar Al-Bashir  fa sady tsy tohin’ny lohataona arabo no tsy tohin’ny fikomiana roa farany nataon’ny vahoaka teo ny revolisiona Sodaney, mbola manantena hatrany ny mpiserasera fa hisy ny fihetsiketsehana goavambe handrodana ny fanjakazakan’ny antokon’ny fitondrana Kongresy Nasionaly (NCP).

Nanamarika i Mighty Mo fa tokony samy handray anjara amin’ny revolisiona ny Sodaney rehetra, izay heveriny fa hahomby:

@mighty_mo_1: Manomboka izao taona izao, hanontaniana ianao hoe… taiza ianao nandritra ny revolisiona? Inona no andraikitra norasainao tao anatin’izany? ‪#sudanrevolts

Nampiany hoe:

@mighty_mo_1: “Nogadraina” isika (ary mbola ho gadra foana) mandra-pialan’ny antokon’ny fitondrana NCP ‪#sudanrevolts

Ahmad Mohamed nisioka momba ny fijeriny fa ho tsaratsara kokoa ny toekarena  raha vao tafaongana ny antokon’ny fitondrana NCP, hoy izy:

@AhmadMohamed10: Vetivety dia hirodana ny NCP (tsy misy fe-potoana) : ho azontsika ny fanesorana ny sazy,  miditra ny vola amin’ny solitany avy amin’ny SS, mitombo ny fampiasam-bola vahiny ‪#SudanRevolts ‪#Sudan

Tsy mitsahatra mandrakizay ny fanohanan’ireo mpiserasera vahiny akaiky antsika ny #SudanRevolts, raha nisioka momba ny #KandakaFriday i Aguil Lual Blunt:

@AguilB: Nandray anjara mavitrika tamin’ny tantara ny vehivavin’i Sodàna. Ho fanomezam-boninahitra an’i Abuk, Ajoba, & ny Kandake – SALUTE vehivavin’ny ‪#SudanRevolts

Avy any Ejipta kosa, ireo  mpikatroka Ejipsiana no mandefa ny vaovao momba ny @SudanRevoltsOrg, mihevitra izy ireo fa zava-dehibe  toy ny revolisiona Ejyptiana ihany koa ny  revolisiona Sodaney

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.