Korea Atsimo: Nakatona Ny Raharaha Taratasy Hosoka, Fiarovana Ny Filoha?

Manjaka ao Korea Atsimo indray ny fanambarana politika sy ny ahiahy, taoriana ny fahafahana nomen'ny mpampanoa lalàna ireo olona voarohirohy tamin'ilay raharaha “taratasy Hosoka” nahabe adihevitra tamin'ity herinandro ity, mandeha ny  resaka fiampangana fa miaro ny filoha izy ireo.

Marobe ireo fanambarana miantefa any amin'ny filoha Korea Atsimo Lee Myung-bak, hatramin'izay nilatsahany hofidiana tamin'ny taona 2007 izay. Iray amin'ireo raharaha malaza nahatonga fanambarana maro tafiditra ao ny fanafintohinana Fanamboamboarana ny vidin'ny taratasim-bolan'i BBK ao amin'ny tsenam-bola [fanamarihana: BBK no anaran'ilay orinasa mpamokatra taratasy] izay nahazoana fanazavana sarotra sy tsy mazava, indrindra ny fanazavana azo avy amin”ireo vahiny. Nandà ny fikasohany amin'ity orinasa ity na ilay resaka hosoka  nahabe adihevitra izay nahatonga ny faharitran'ny volan'ireo mpampiasa vola an'arivony ny filoha.  Namono tena mihitsy aza ny mpamatsy vola iray very tanteraka.

Na izany aza, nahazo vahana ny ahiahy hatramin'ny nahitana ilay horonantsary misy an'i Lee, voalazany tao anatin'izany fa izy no nanorina ny orinasa ary hita tao anatin'ny antonta-taratasy ofisialin'ny orinasa ihany koa ny sonian'i Lee

Vao haingana, Nanaporofo fa namboarina tokoa ilay taratasy manamafy ny fanambaran'i Lee izay milaza fa fanafihana ara-politika ataon'ny mpanohitra tsotra izao ny filazan'ny BBK. Nivoaka tamin'ny 12  Jolay 2012 lasa teo ny valin'ny famotorana momba ity taratasy hosoka ity, mahagaga fa afaka madiodio tamin'ny fanenjehana azy ireo avokoa ny tsirairay voarohirohy tamin'ity raharaha manafintohina ity. Nilaza ny biraon'ny mpampanoa lalàna ao amin'ny distrikan'ny Seoul Afovoany fa tsy nisy ny” ambadika politika’ lazaina fa ‘ atidoha nikotrika tamin'ny fanoratana ny taratasy’.

Naneho ny fahadisoam-panantenany mikasika ilay fanazavana tsy mazava momba ny raharaha ny Koreana Tatsimo, nilaza izy ireo  fa miray tsikombakomba amin'ny filoha indray ny Biraon'ny mpampanoa lalàna. @Ish4u nisioka hoe :

Bbk수사, 가짜편진데 내용은 가짜가 아니라네요.은진수씨는가짜편지를 mb특보한테 받아서 홍준표씨에 주었다는데 검찰은 배후가 없다고.기획자라는 양씨는펄쩍뛰고.수사인지 소설인지 당최

Ary raha ilay taratasy ihany no hosoka, fa marina ny voalaza ao anatiny?! : Izany no valin'ny fanadihadiana momba ny raharaha BBK. Nanambara izy ireo fa tsy misy olona “ambadiky ny raharaha”, na dia nijoro vavolombela aza i  Eun Jin-soo fa natolony an'i Hong Jun-pyo ilay taratsy [fanamarihana: Hong Jun-pyo: filohan'ny antokon'ny fitondrana Saenuri teo aloha] taorian'ny nandraisany azy voalohany avy amin'ny mpanolo-tsaina manokana an'ny filoha. Mbola nandà mafy ny filazana Andriamatoa Yang izay voarohirohy ho niavian'izao raharaha izao… Izany ve no valin'ny fanadihadiana sa tantara tsangana fotsiny?

Mpiserasera marobe, tahaka an'i @wiselect, nanontany ny fomba nanaovana ny fanadihadiana fa tsy misy olona ambadiky ny raharaha:

검찰, ‘BBK 가짜편지’ 전원 무혐의, ‘배후는 없다”라고 발표. […] MB의 당선을 위해 MB캠프의 핵심인물이 줄줄이 관여되어 있는데 배후가 없다? 이걸 믿어라고 내놓은 건가.

Notsoahan'ny biraon'ny mpampanoa lalàna ny fanenjehana ireo tsirairay voakasika amin'ny raharaha taratasy hosoka BBK ary nanambara ihany koa izy ireo (birao) fa “tsy misy olona ao ambadiky ny raharaha”. […] Na dia mpikambana mafonja amin'ny fampielezan-kevitr'i Lee Myung-bak aza ireo olona ireo, dia mbola milaza ‘fa tsy misy olona ao ambadiky ny raharaha? Izany ve no tiany amidiny amintsika?

Mpisera  @b9ud nanampy hoe:

[…] 소설 구성의 3요소는 인물/사건/배경이다. […] 그런데 BBK 가짜 편지는 배후가 없다한다. 인물과 사건은 있는데 배경이 없다. 즉, 말이 안되는거다.

Ireo singa telo lehibe manamarika ny tantara noforonina dia ny mpilalao, ny lohahevitra lalaovina ary ny toerana na ny zavatra ovaina (namboamboarina). […] Saingy araka ny fanazavan'izy ireo, tsy namboamboarina ny taratasy hosoka BBK. Nisy ny mpilalao sy ny tsikombakomba, saingy tsy nisy ny fanamboamboarana. Izany no antony mahatonga ny raharaha tsy dia mazava.

Iray amin'ireo mpisera Twitter malaza ao Korea Atsimo, @dogsul, nandefa fanehoan-kevitra feno vazivazy:

BBK 가짜편지 수사한 검사가 누구누구죠??? 이분들은 내년 신춘문예에 꼭 응모하셨으면 좋겠네요. 소설을 조낸 잘 쓰시니까.

Iza ireo mpampanoa lalàna nanao famotorana momba ny raharaha taratasy sandoka BBK ? Tena mino aho fa handray anjara amin'ilay fifaninanana isan-taona momba ny literatioran-dohataona amin'ny herintaona [fanamarihana: iray amin'ireo fifaninana literatiora mahaliana sy tsara indrindra ao Korea Atsimo] izy ireo. Satria tena havanana amin'ny fanoratana tantara foronina (fiction) ry zareo.

Mpisera Twitter @hangulo nilaza tantara malaza avy aminà mpanao savony Koreana:

사건을 복잡하게 만들면 국민은 잊을 겁니다 […] BBK 사건이 바로 좋은 예.

Raha hasarotinao ny zavatra, ho adinoin'ny olona izany. Singa A: raharaha BBK.

[fanamarihana: Mpisera Flickr Ashley Rose no nanao ny hajian-tsary, ka tsy misy ifandraisany amin'ny raharaha voasoratra eto amin'ny lahatsoratra. (CC BY-NC-ND 2.0)]

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.