Libanona: Resadresaka Nifanaovana Tamin'i “Brofessional Review”

Sivy volana lasa izay, nanangana bilaogy mifandraika amin'izay rehetra miompana amin'ny haibika (design) rehefa nivondrona ny andiana mpahaibika telo sy nahazo mari-pahaizana momba ny dokam-barotra anankiroa: dokambarotra, lamaody ary media; Nantsoiny hoe “Brofessional Review” izy io. Ankehitriny, efa mihoatra ny 100 ny revion-dry zareo ao amin'ny tahirin-keviny, miandry fatratra izay avoakany na ny heviny ny mpamaky raha vao misy marika na doka fanentanana na varoboba mipaka any amin'ny tsena. Nifampitafatafa tamin'izy ireo hahalalana bebe kokoa amin'izay ataony ny Global Voices Online.

Ny ekipa “Brofessional Review” Voices Online: Voalohany, iza ireo mpikambana ao amin'ny Brofessional Review?

Brofessional Review: Hivoaka ho Mpahay sary amin'ny haibika ny telo aminay ary efa nahazo diplaoma amin'ny dokambarotra kosa ny roa aminay, ireo no mandray anjara amin'ny ankapobeny amin'ny bilaogy. Misy ny mazoto kokoa noho ny hafa saingy samy mizara ny tohi-keviny eo amin'ny sehatry ny haibika amin'izay zavatra na lohahevitra resahiny sy ny fomba iaraha-miasa na ifanakalozan-kevitra eo amin'ny taranja (kianja). Nifanaiky izahay mba hangarahara sy hahay manala azy, fangarona fomba fisaina manivaka nefa tia tsikera, ny fomba ‘Brofessional’.

GVO: Inona no nahatonga anareo hanankevitra hanomboka bilaogy?

BR: Admin I : Tsy misy raha lazaina manokana; mavitrika dia mavitrika eo amin'ny haibika ary be fikirizana amin'ny maha-olona ahy tsotra, indraindray misy fotoana te-hilaza zavatra betsaka aho saingy tsy mahita ny sehatra anambaràna azy. Fotoana kisendrasendra no nahatongavan'ny hevitra ary novolavolaina indray no nahatrarany izao dingana izao.

GVO: Efa nahazo valinteny ofisialy na tsia avy amin'ny marika na sampan-draharaha noresahinareo ve ianareo?

BR: Saiky mahazo valiny hatrany izahay. Herinandro vitsivitsy monja no nanombohan'ny bilaogy dia efa tsara toerana fantatry ny maro izy. Efa manomboka mahafantatra anay ny sampan-draharaha ary efa maro ny mpitantana ny marketing (haivarotra) amin'ny marika maro no mifandray aminay. Isan-karazany ny valiny ka misy ny mankahala ary misy ny mifampidinika tsy mitongilana. Manakaiky ny valo volana izao fa efa betsaka ny sampan-draharaha nifampiresaka taminay ny momba ny asany ary mbola mifandefa mailaka hatrany momba ny lohahevitra kanefa tsy nanova ny fomba fiteninay sy ny fitokisana anay izany.

GVO: Raha fotorina amin'ny fomba fanentanana na ny dokambarotra nojerenareo, ahoana ny hanavazavanareo ny fandraharahan'ny fanaovana dokambarotra ao Libanona?

BR: Tena mila haibika mihitsy ny sehatry ny fanaovana dokambarotra ao Libanona. Tsy tekinikam-pampitan-kafatra io, tsy fitaovana fa fomba fisaina. Saiky manadino izay fomba izay ny ankamaroan'ny sampan-draharaha fa mihazakazaka amin'ny asana mpivarotra izay tsy ahitana famoronana sy fanavaozana. Tsorina fa mbola fihatsaram-belatsihy feno fomba fijery efa lany andro ny fanaovana dokambarotra ao Libanona ankoatra ireo vitsy tena vitsy manandrana ny mamaky lay.

GVO: Inona ny dingana manaraka ho an'ny Brofessional Review?

BR: Mana-tanjona hanampy fahasahiana kokoa eo amin'ny fijery izahay eo amin'ny sehatry ny haibika (design), hanasongadina ireo kalazan'ny haibika hamahavahana ny ao an-tsainy – ny fomba ‘Brofessional’. Ny haibika no mahaliana anay, na miresaka dokambarotra io na lamaody. Hifantoka amin'ny fifamalian'asa ahitana daozina fahasahiana ambony kokoa ny dingana manaraka!

Misaotra tompoko!

Azonao arahina ny Brofessional Review ao amin'ny Twitter @BrofessionalR sy ao amin'ny Pejy Facebook ihany koa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.