Mali : Mitokona Manohitra Ny Fakàna An-keriny Mpanao Gazety Iray Ireo Mpampahalala Vaovao

El Hadj Saouti Labass Haïdara, 62 taona, talen'ny gazety L’Indépendant ary ela nihetezana teo amin'ny gazety an-tsoratra ao Bamako, dia nalain'olona misaron-tava an-keriny, nodarohana ary avy eo navela teny amoron-dàlana. Milaza misimisy kokoa amintsika mikasika ny manodidina io fakàna an-keriny io ny MDD :

“Tonga nikaroka azy tany amn'ny birao ireo olona ireo. Nanao tifi-danitra ry zareo hampihorohoroana ny mpiara-miasa sady nisintontsintona ny lehibenay”, hoy ny mpanao gazety iray mitantara. “Teo amin'ny 9:30 alina teo tamin'izay. Avy eo nentin-dry zareo tany amin'ny lalambe Sénou mankany amin'ny fiantsonam-piaramanidina i Saouti Haidara. Taorian'ny fidarohan'ireto olona ratsy saina ireto azy, izy izay vitan'ireo namany ny nanaraka ny nisy azy, dia navotsotra ora 4 taty aoriana ary nentina tany amin'ny toeram-pitsaboana ny reny sy ny zaza tao Luxembourg. ” Nandany ny alina tontolo tao izahay, ny tànany iray no notapahan-dry zalahy”

Ny ORTM, fahitalavitra maliana, dia nandefa ny sarin-dranamana taorian'ny herisetra nahazo azy.

Herinandro talohan'io dia i Abderahmane Keita avy amin'ny  L’Aurore no niharan'ny toy izao.

Hatramin'ilay fanonganam-panjakana tamin'ny 22 Martsa, tsikaritra ihany koa ny fitomboan'isan'ny fisamborana :  anisan'ireny, Birama Fall, avy amin'ny gazety Le Prétoire, Abdoulaye Barry, avy amin'ny fahitalavitra Africable.

Ireo gazety sy onjam-peo tsy miankina dia milaza fa andro fitokonana ny Talata ho avy izao mba hanoherana ny herisetra nahazo ny naman'izy ireo.

MDD manampy hoe:

Androany,  hatezerana miharo hasosorana faobe no misy taorian'ny fanaovana herisetra tamin'ny zokiolon'ny asa fanaovana gazety. Rakotra mangana i Saouti Haidara ary tapaka tànana an'ila. Ny Filohan'ny Union nationale des journalistes du Mali (UNAJOM), Sendikam-pirenen'ireo Maliana Mpanao Gazety, Ibrahim Famakan Coulibaly ary ny an'ny Tranoben'ny Asa Fanaovana Gazety any amin'ity firenena ity, Makan Koné, dia samy “nanameloka” izao fihetsika izao. M. Koné dia nanambara “ny fisian'ny Fivoriambe nanomboka tamin'ny 8 ora marainan'ny Zoma (ora any an-toerana) tao amin'ny Tranoben'ny Asa Fanaovana Gazety, izay narahan'ny diabem-panoherana iray manohitra io fakàna an-keriny io sy izay rehetra tany aloha “. M. Koné dia nanambara ihany koa “ny fampiatoana ny asa fanontàna rehetra ao Mali manomboka ny Alatsinainy, mbola tafiditra ao anatin'ny hetsika fanoherana hatrany” [..] Ny fikambanana mpiaro ny mpanao gazety Reporters sans frontières (RSF) dia nihetsika tamin'ny volana May noho ireo fanitsakitsahana ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety tao Mali hatramin'ilay fanonganam-panjakana nataon'ny tafika tamin'ny 22 Martsa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.