Repoblika Demaokratikan'i Congo : Thomas Lubanga, Sazy Maha-be Resaka

Ny 10 jolay lasa teo, ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao amin'ny “Cour pénale internationale (CPI)” dia nanameloka ilay Kongole Thomas Lubanga Dyilo higadra 14 taona an-tranomaizina. Izy dia voampanga ho tompon'antoka taminà heloka an'ady tamin'ny fitsimponana sy fandraisana ireo ankizy latsaky ny 15 taona ary nampandray anjara mavitrika azy ireny taminà habibiana ny 1 Septambra 2002 hatramin'ny 13 Aogsitra 2003 tany Ituri, Repoblika Demaokratikan'i Congo (RDC). Io no fanamelohana voalohany indrindra navoakan'ny CPI hatramin'ny nananganana azy ny 1 Jolay 2002.

Ny “Fanambaràna iray avy amin'ny biraon'ny Fampanoavana mikasika ny sazy nomena an'i “, dia mampahafantatra fa:

Ny tao amin'ny Fanenjehana dia nangataka mba hamoahana didy faran'izay henjana afaka mampivoitra kokoa ny vesatry ny heloka iampangana azy sy mifanaraka amin'ny vanim-potoana nitrangany. Miditra amin'ny fandinihana amin'ny antsipirihany an'ilay didy ankehitriny ny Birao ary hanapa-kevitra raha ilaina ny hanaovana fampakàrana fandravàna didy. Andrasany ihany koa ny hanaovan'ireo mpitsara famoahana momba ny resaka fanonerana, mba hahazoana antoka fa nomena rariny feno tokoa ireo niharam-boina tamin'ny heloka bevava nataon'i Lubanga.

 

Thomas Lubanga dikasary avy amin'ny FirstRaceTV

Tanaty lahatsoratra iray navoakan'ny congo opportunities, Eljiv K Ndamuso mampahatsiahy fa :

… ny 14 mars 2012 ilay filoha mpitarika fahiny ny Union des patriotes congolais (UPC) dia voampanga tamin'ireo heloka bevava sy famonoana olon-tsotra an-jatony noho ny resaka fiaviana tany Ituri, any atsinanan'i RDC. Sazy telopolo taona no nangatahana hampiharina tamin'ny voampanga tamin'ny 13 Jona lasa teo, avy amin'ilay mpampanoa lalàna teo aloha Louis Moreno. Taorian'ny fampakàrana nataon'ny mpiaro, nekena ny fanalefahan-tsazy ho an'ilay lehiben'ny mpihoko, noho ny fiaraha-miasa nanampiany nandritra ny dingam-pitsaràna rehetra. Noho izany, nahena ho 14 taona an-tranomaizina ny sazy.

Saingy noho ny voampanga natolotra ny CPI tamin'ny 2006, Wairangala Wakabi, Ogande iray mpanao gazety, no mampahafantatra antsika ao amin'ny tranonkala Lubanga trial:

… tamin'ny famaritana ny sazy famonjàna, ny Fitsarana dia nandray anaty kajy ireo taona rehetra efa lany tany am-ponja, mifanaraka amin'ny fanapahan'ny fitsarana. Ing. Lubanga dia voatàna any amin'ny toeram-pamonjan'ny CPI any Scheveningen hatramin'ny Martsa 2006.

Araka izany, T. Lubanga dia tsy tokony hanao afa-tsy 8 taona any am-ponja. Kanefa, izy koa dia ahiahiana ho nahavita heloka bevava tsy roa aman-tany. Tsy dia tsara loatra ny nandraisan'ny ankamaroan'ny Kongole sy ny sehatra iraisam-pirenena ity fanamelohana ity. Ary dia maro be ireo fanehoan-kevitra manohitra azy eny anivon'ny aterineto.

Na dia eo anivon'ny samy mpitsara izay namoaka ilay didy aza, tsy nisy ny tena firaisan-tsaina tanteraka. Ny tranonkala aeta-network.org an'ny ONG “Agir pour des élections transparentes et apaisées au Congo“, na Miasa hisian'ny fifidianana mangarahara sy tony ao Congo, dia mamoaka fa:

Ramatoa mpitsara, Odio Benito, dia nanoratra ny fijeriny manokana sy manohitra mikasika raharaha iray voafaritra. Ialàny ny fanapahan-kevitr'ireo mpitsara roa, amin'ny filazany fa io dia fanapahana tsy mandray ho anaty kajy ny tsy rariny rehetra natao an'ireo tra-doza sy ny fianakaviany, ary indrindra fa ny vokatr'ireo famaizana henjana sy herisetra ara-nofo/fanolanana nozakain'ireo tra-doza tamin'ireny heloka bevava ireny.

Anatinà tranonkala maro, napoapoakan'ireo mpiondana aterineto ny hatezeran-dry zareo. Ity ny santionany. Ao amin'ny tranonkalan'ny Radio France Internationale, iray amin'ireo onjam-peo isan'ny arahana indrindra any amin'ny faritra atsimon'ì Sahara, olona iray tsy nitonona anarana no nanoratra hoe:

tsy maintsy hiandry 50 taona ve, tena mba azafady aho an

Iray hafa no maneho ny hadisoam-panantenany toy izao :

Tena diso fanantenana tanteraka tamin'ny CPI aho. Mbola tsara lavitra noho ny CPI ny fitsaràna any Congo. Tokony ho niharan'ny sazy mandra-maty i Lubanga. Indrisy anefa fa ny CPI no nanavotra ny ainy.

Ao amin'ny fahitalavitra France24 koa, nisy koa ny fanehoan-kevitra masiaka. Roger Nzita nanoratra hoe :

Renay vahoaka Kongole, niaraka tamin'ahiahy, ny fanamelohana an'Ing Thomas Lubanga izay namafy faharavàna tany atsinanan'ny firenenay, saingy tena mampalahelo anay fa tsy voatohintohina ireo tena tompon'andraikitra tamin'ny heloka bevava natao tamin'ny firenenay…

Anatinà lahatsoratra iray manao jery todika ireo zava-nitranga izay nahitàna an'Ing T. Lubanga nitantana ny raharaha, ny tranonkala congolol.net, dia manome vaovao nokarohana momba ny anjara notànan'ny hetsika nataon'ingahy io tanatin'ireo tranga mahatsiravina nahatonga an'i RDC hisaona:

Aogositra 1998, roa taona latsaka taorian'ny nionganan'i Mobutu, ady vaovao iray no nipoaka teto RD Congo. Ifanandrinan'i Kabila rainy, tohanan'i Angola,  Zimbaboe ary Namibia, sy vondrona marobe mpihoko tohanan'i  Ouganda, Roanda ary Burundi. Ao anatin'ity safotofoto ity, Thomas Lubunga, izay nifandimbiasan'i Roanda sy Ouganda ny nanohana azy , dia filoha mpitarika vondrona mitam-piadiana, ny Union des patriotes congolais (UPC).

Taorian'ny fanadihadiana teny an-kianja, ny ONG iraisampirenena miaro ny zom-pirenena Human Rights Watch  dia mitatitra  tranga marobe momba ny famonoana olona natosiky ny resaka ara-poko :

Ny tontolo ankapobeny manodidina ny ady ao Congo sy ny fisian'ny fanohanana ara-politika sy ara-tafika avy amin'ireo mpisehatra avy any ivelany, indrindra fa Ouganda sy Roanda, no mamoky ny firoboroboan'ireo vondrona ara-politika mitam-piadiana tao Ituri mifototra amin'ny tsy fifankahazoana ara-poko. Ery alohan'ireny vondrona ireny no ahitàna ny Union des Patriotes Congolais (UPC), izany mibahan-toerana ao anatiny ny Hema, ny Front National pour l’Intégration (FNI) izay ny Lendu no tena manjaka ao, ny Parti pour l’Unité et la Sauvegarde de l’Intégrité du Congo (PUSIC) anjakan'ny Hema avy any Atsimo sy ny Forces Armées du Peuple Congolais (FAPC) ahitàna fifangaroana ara-piaviana

Ireny vondrona samihafa ireny dia samy nirotsaka daholo tamin'ny resaka famonoana, fanolanana ary fandoroana tanàna. Amin'ny alàlan'ny fanomezana antsipirihany mampivanaka, ny HRW dia mitatitra ny zava-mitranga izay fantatr'ilay ONG :

Ho tohin'ny fanafihana nataon'i  Mongbwalu, notafihan'ny hery mitam-piadian'ny UPC ireo tanàna vitsvitsy manodidina, toa an'i Kilo, Kobu, Lipri, Bambu sy Mbijo. Nalain'ny hery mitam-piadian'ny UPC i  Kilo ny 6 desambra 2002 ary andro maro taorian'izay, nanome baiko ny famonoana an-kitsirano olon-tsotra am-polony ireo mpitari-tafiky ny UPC. Ireo mpiady avy amin'ny UPC dia nitàna vatan-dehilahy, vehivavy sy ankizy izay heverina ho maty nahantna sady nanery azy irey handavaka ny fasana nilevenan-dry zareo ihany alohan'ny namonoany azy.

Miaraka amin'ireo fijoroana vavolombeloma marobe avy amin'ny loharano azo antoka, takatra tsara ny anton'ny fanehoana hatezerana. Marie-France Cros ao aminà lahatsoratra iray navoakan'ny lavoixdukasai.blogs.lalibre.be, dia maneho izay fahatsapàn'ny maro amin'ireo mpitazana :

Tokony ho andro lehibe izany : ny fitsarana voalohany nataon'ny Fitsarana Iraisam-pirenena momba ny Heloka Bevava (CPI) maharitra voalohany. Saingy dia andron'ny hadisoam-panantenana.
Hadisoam-panantenana satria ilay Kongole andriamanitry ny ady, Thomas Lubanga, dia tsy nahazo afa-tsy sazy 14 taona an-tranomaizina tamin'ireo heloka bevava an'ady nahafatesana olona 60 000.

Mandritra io fotoana io, taorian'ny andrana tsy nahomby hampidirana ho ao anatin'ny tafika ireo olona avy amin'ny mpihoko, indrindra fa ilay nambara ho lehibe mpitari-tafik'i Thomas Lubanga, nanohy indray ny adin-dry zareo tany avaratra-atsinanan'ny R. D. Congo ny jeneraly Bosco Ntanganda sy ny tariny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.