Oganda: Mahatsiaro Ny Fipoahana Baomba Tamin'ny 2010

Roa taona katroka izao no lasa hatramin'ny nahafaty ireo olona 80 tamin'ny fipoahana baomba tao amin'ny Rugby Club Kyaddondo sy trano fisotroana tao aminà tanàna Etiopiana ao Oganda. Ireo olona rehetra ireo dia nandeha nijery ny lalao famaranana ny Fiadiana izay ho Tompondaka Erantany natao tany Afrika Atsimo. Satria sambany no mba nampiantrano ity fifaninanana ity i Afrika, tsy andrin'ny olona ny hahita ny lalao famaranana izay nihaonan'i Pays-Bas sy Espaina. Efa nanakaiky ny tamin'ny  12 ora alina tamin'ny fotoana nipoahan'ireo baomba, nahafaty olona maherin'ny 70 teo no eo ary hafa maro naratra mafy.

Takelabato Fahatsiarovana ao amin'ny  Kyaddondo Rugby Club

Tamin'ity taona ity dia maro ireo foibem-pampahalalam-baovao nanome voninahitra sy haja ho an'ireo Ogande namoy ny ainy tamin'iny fanafihana tsy am-piheverana iny. Ireo Ogande hafa manerana ny tany dia nandefa hafatra tao amin'ny Facebook sy tao amin'ny Twitter koa tamin'ny fampiasàna ny tenifototra #WeRememberJuly11, na #TadidinayJolay11:

@beewol no namaky izany rehetra izany tao amin'ny twitter nilaza hoe :

@beewol: #WeRememberJuly11‬ ‪#WeRememberJuly11‬ ‪#WeRememberJuly11‬ ‪#WeRememberJuly11‬ ‪#WeRememberJuly11‬ ‪#WeRememberJuly11‬ ‪#WeRememberJuly11…#TadidinayJolay11

Nampiany hoe :

@beewol: R.I.P (Mandria am-piadanana) ry mpitia fanatanjahantena maty tamin'io andro io, 2 taona lasa izay #WeRememberJuly11

@pkahill nahatsiaro ny namany:

@pkahill: #WeRememberJuly11‬ tsy nànana vatoaratra izy ka dia niandry ireo namany teo amin'ny toeram-pivarotana, namela ny namany iray tany anatiny, dia nipoaka ny baomba 1/2

zazavavy iray mitazona labozia nandritra ny fotoana fahatsiarovana

Nampiany hoe :

@pkahill: mivavaka ho an'ny fanahin'ireo malalantsika nafoy, ho fiononan'ireo havan-tiany&fanantenana fa ho sitrana miaraka amin'ny fotoana ny ratram-po noho ny famoiza-malala 1/5

@ssmusoke: Vavaka ho an'ireo rehetra namoy aina sy ny havan-tsy foy tao anatin'ilay fanafihan'ny mpampihorohoro, mahereza ary tohizo ny làlana #WeRememberJuly11‬ ‪#Uganda

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.