Palestina: Noahafana Ilay Mpilalao Baolina Kitra Mahmoud Sarsak

Noafahana ilay mpilalao baolina kitra Palestiniana Mahmoud Sarsak omaly  [10 Jolay 2012]. Namoaka ny sariny fiarahabana  azy tongasoa tao Gaza ny pejy Facebook misy ny ekipa Palestianina. Nosamborina tamin'ny 22 Jolay 2009 izy, raha niezaka namonjy ny ekipany tao avaratry ny sisintany nobodoina, nogadraina i Sarsak nanomboka hatreo ary nosokajiana ho toy ny  “fahavalo mpanani-bohitra” kanefa tsy nisy ny antony mazava nahavoharohirohy azy

Palestinian footballer Sarsak on his way to Gaza

Mpilalao baolina Palestiniana Sarsak handeha ho an'i Gaza. Sary: Ekipa Palestina, Facebook

A massive welcome for Sarsak in Gaza

Olona marobe no tonga nitsena an'i Sarsak  tao Gaza.  Sary: Ekipa Palestina, pejy Facebook

Nitokona tsy nihinan-kanina niaraka tamin'ireo gadra Palestiniana ao Isiraely manodidina ny 2000 eo ho eo i Sarsak,  ka naharitra 80 andro ny fifadian-kanina nataony. Nihamafy hery izy ireo taorian'ny famporisihana tamin'ny alalan'ny taratasy misokatra nalefan'i Eric Cantona ho an'ny filohan'ny UEFA, Michel Platini sy ny filohan'ny FIFA Joseph Blatter izay mangataka an'i Isiraely mba hamoaka ireo mpilalao baolina kitra Palestiniana nogadraina satria manitsakitsaka ny fifanekena momba ny zon'olombelona iraisam-pirenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.