Pôrto Rikô: Namerina Indray Ny Adihevitra Mikasika Ny Fampiasana Fiteny Roa Any An-tsekoly

Niteraka fanehoan-kevitra avy amin'ireo mpanohana ary hatramin'ny mpanakiana ny  fanambarana nataon'ny governemanta tao Pôrtô Rikô izay milaza fa manomboka amin'ny fidiran'ny taom-pianarana vaovao amin'ity volana Aogositra ho avy ity, ny fiteny ofisialy ampianarana ny kilasy rehetra any amin'ny sekolim-panjakana manerana ny firenena dia ovaina miandàlana ho amin'ny fiteny anglisy raha tamin'ny fiteny Espaniola izany teo aloha.

Io fepetra noraisin'i Luis Fortuño, Governoran'i  Pôrtô Rikô, io dia mikatsaka ny fampiasana ny fiteny anglisy any amin'ny kilasy rehetra any amin'ny sekolim-panjakana ato anatin'ny folo taona ho avy, afatsy ny taranja Espaniola sy tantara, ka ny tanjona amin'izany dia ny mba ahafahan'ny tanora rehetra mifehy tanteraka fiteny anankiroa any amin'ny faran'io fotoana voafetra io.

Ny fampianarana amin'ny teny anglisy any amin'ny sekolim-panjakana ao Pôrtô Rikô dia efa niainan'ny firenena nandritry ny tapany voalohan'ny taonjato faharoapolo.  Ny governemantan'i Etazonia, izay tsy ela akory no nanjanaka ity zanatany Espaniola taloha ity tamin'ny taona 1898, dia  nametraka lalàna tamin'ny taona 1900 [es] izay nanambara fa tsy maintsy amin'ny fiteny anglisy no ampianarana ny kilasy rehetra any amin'ny sekolim-panjakana, tafiditra ao anatin'ny tetikasa iray miompana amin'ny “fanapariahana ny fisaina Amerikana” ho an'ny vahoaka rehetra ao  Pôrtô Rikô.  Tsy nahomby hatrany am-boalohany io tetikasa io, saingy efa taorian'ny taona 1948 vao voapetraka fa ny fiteny Espaniola no fiteny ofisialy ampiasaina amin'ny fampianarana.

Miaraka amin'ny fahatsiarovana ireny taona maro ireny mbola mbola raiki-tampisaka  amin'ny ampahany betsaka amin'ny vahoakan'ilay firenena, toa tsy mahataitra loatra ny fisian'ny antony ara-politika mazava tsara manosika io tetikasa famporisihana amin'ny fampiasana fiteny roa any an-tsekoly io.  Hoy i Roberto “Pachi” Ortiz Feliciano tao anatin'ny bilaoginy antsoina hoe ortizfeliciano [es]:

Fortuño, tras negarlo, busca implantar el “English only” para congraciarse con el Partido Republicano y sometemos que su propuesta es principalmente motivada por sus muy personales ambiciones.

I Fortuño, taorian'ny nandavany aza ity, dia tahaka ny te-hametraka ny fampiasana ny “fiteny Anglisy irery ihany” amin'ny fampianarana mba hahazoany sitraka avy amin'ny Antoko Repoblikana ary afaka milaza isika fa io tolo-keviny io dia nohon'ny fitsinjovany ny ho aviny irery ihany indrindra indrindra.

Maro no mihevitra fa tsy ananan'ireo sekolim-panjakana ny fahafahana hanabe araka ny tokony ho izy ireo olona mahafehy ireo fiteny roa, ary ny noresahan'ny olona ny fomba ahafahan'izy ireo mianatra ny fiteny anglisy raha toa ka tsy misy ny fanampian'ireo kilasy ara-dalàna?  Navoitran'i @ᶥᵗˢ K! mpampiasa Twitter, ho porofon'ny fifehezany tsara ny anglisy na dia tsy nisy fanampiana an-dakilasy aza, ny naotiny ambony indrindra tamin'ny fitsapana tsotsotra hijerena ny fahafehezana tsara ny fiteny anglisy :

@EpicPachi: Series gringas y Videojuegos. Un TOEFL [Test of English as a Foreign Language] mejor que varios de “escuelas bilingües” lo demuestran.

@EpicPachi: Fandaharana anaty fahitalavitra Amerikana sy ‘lalao an-tsarimiaina’.   Ny TOEFL [Fitsapana ny fiteny anglisy amin'ny maha-teny vahiny azy] dia manaporofo izany tsara kokoa noho ireo ” sekoly mampiasa fiteny roa” isan-karazany.

Na izany aza, mihevitra ny olona sasany fa mety ho tombontsoa lehibe ho an'ny mpianatra rehetra ny mandalim-pahaizana anaty fandaharan'asa filonana tahaka izany, toa io iray naroson'ny governemanta, tahaka izay ambaran'i Paola Alcazar ao amin'ny Twitter:

@palcazarh: Yo soy fruto de escuela pública y hoy en día desearía haber estudiado en colegio bilingüe.

@palcazarh: Vokatra iray avy amin'ny fampianaran'ny sekolim-panjakana aho ary ankehitriny dia sitrako indrindra raha raha mba afa-nianatra  tany amin'ny sekoly mampiasa fiteny roa aho.

Tao amin'ny bilaoginy [es], nilaza i  Kofla Olivieri fa tohina raha mieritreritra ireo olona tsy mahay miteny anglisy tsara nefa te-hanery ny fampiasan'ny vahoaka rehetra  izany [es]:

…el gobernador Fortuño, decidió implementar Inglés en nuestras escuelas sin consultar con los maestros que son los responsables de educar a nuestros hijos en el contrayao idioma. A pesar que muchos de ellos, nuestros maestros, no saben hablar Inglés. Esto incluye la gran mayoría de nuestros honorables legisladores, los que quieren impulsar esta idiotez, que TAMPOCO saben hablar Inglés.

… Nanapa-kevitra ny hampiditra ny fiteny anglisy any an-tsekolintsika ny Governora Fortuño nefa tsy nifandinika tamin'ireo mpampianatra  [es], izay miandraikitra ny fampianarana io fiteny tsy misy ilàna azy io amin'ny zanatska akory.  Ankoatra izay, maro amin'izy ireo — ny mpampianatsika — no tsy miteny anglisy.  Mbola tafiditra ao anatin'izany koa ireo manan-kaja mpanao lalànantsika , ireo izay te hampihatra io adalàna io ary  tsy mahay miteny anglisy IHANY KOA [es].

Manana fomba fijery hafa amin'izany [es] i Héctor Meléndez, nanoratra ho an'ny  80 grados, gazety fanadihadiana ety anaty aterineto

La sugerencia de algunos independentistas y autonomistas de que los políticos del PNP artido Nuevo Progresista] hacen el ridículo al reclamar la imposición del inglés sin saber inglés sugiere un prejuicio clasista, tal vez insensible hacia el significado que le dan los pobres a poder acceder al inglés. Precisamente porque anexionistas de mayor edad no saben inglés es que desean que sus hijos lo aprendan. Su ignorancia no les resta autenticidad, sino que en cierto modo la expresa.

Ny fanehoan-kevitr'ireo mpandàla ny fahaleovantena sy ny fizakantena dia ny hoe miadaladala ireo mpanao politika avy amin'ny PNP [Ankolafy mikatsaka ny Fandrosoana sady mpomba ny governemanta] tamin'ny fitakiana ny hampidirana ny fiteny anglisy nefa na izy ireo aza tsy mahay miteny io fiteny io akory, angamba tsy miraharaha omen'ny olona sahirana ny lanjan'ny fianarana teny anglisy izy ireo.  Ny anton'izany dia satria ireo olona taloha nampiditra io soso-kevitra io dia tsy mahay miteny anglisy ka tiany raha mianatra izany ny zanany.  Tsy manala ny fahefan'izy ireo ny tsy fahaizany izany, fa vao maika aza mampitombo izany ho ambonimbony kokoa.

Ny marimaritra niraisana tamin'ireo fanakianana azo mikasika io tetikasa fampiasana ny fiteny roa any an-tsekoly io dia hoe ahazoana tombontsoa ary ilaina ny mianatra ny fiteny anglisy, fa tsy hoe tsy fanomezana hasina ny fitenin-drazana ary tsy ampiasaina amin'ny fifaninanana ara-barotra amin'ny sehtra manerantany fotsiny ihany.  Ho an'i Ed Morales [es], izay manoratra ihany koa ao amin'ny 80 grados, tsara ny fitenenana fiteny roa raha toa izy ka ampahany iray amin'ny habaka isian'ny fivelarana tsy miaton'ny fifanakalozana kolontsaina:

Es un bilingüismo que nos informa que el gobierno no tiene el derecho de negar acceso a los procesos legislativos ni pegarnos en la cabeza cuando protestamos. Es una expresión de la negritud, como hablan los reggaetoneros y los pleneros sin aparentemente hablar inglés. Es un bilingüismo que acaba con el puertorriqueño dócil (que en realidad nunca existía), que convierte el vacilón en acción.

Io fitenenana fiteny roa io no manambara amintsika fa tsy manana alalana hisakana ny fisian'ny ambaratongan'ny lalàna ny governemanta na koa hikapoka ny lohantsika rehfa manohitra azy ireo isika.  Fomba fisainan'ny mainty hoditra izany, toa ireo mpihira ny gadona  “reggae” sy “folk” izay miresaka tsy amin'ny fiteny anglisy.  Ny fitenenana fiteny roa no mahatonga ny vahoaka Pôrtô Rikana ho mora entina (raha ny tena marina dia tsy mbola nisy izany), izay mamadika ny vazivazy ho asa.
Ny sary hita ato amin'ity lahatsoratra ity dia nindramina tamin'i Gage Skidmore, nampiasàna ny  Creative Commons Attribution-ShareAlike 2.0 Generic (CC BY SA 2.0) License. Tsidiho ny tahirin-tsarin'i Gage Skidmore ao amin'ny Flickr.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.