Koety: Manohy Fikomiana Ny Vondrom-piarahamonin'ireo Tsy Manana Zom-pirenena

Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny tatitray momba ireo Mpialokaloka.

Ny vondrom-piarahamonin'ireo tsy manana zom-pirenena  any Koety (Bedoon) dia niady ho an'ny zony hanana taratasy sy ho olom-pirenena hatramin'ny volana Febroary 2011. Nolavina nandritra ny roapolo taona mahery  ny zo  amin'ny fikarakarana ny fahasalamana, ny fampianarana, ny asa, ary ny taratasy ara-dalàna rehetra an'ilay vondrom-piarahamonina.

Mazàna, ireo mpikomy dia manao fihetsehana ao Taimaa sy Sulaibiya faritra mitoka-monina natao ho azy ireo, miafara aminà fisamborana tsy voaisa  na dia  navotsotry ny fitsarana Koetiana aza ny maro tamin'izy ireo. Ny Zoma teo, mbola nihetsika indray ny Bedoon noho ny nisamboran'ny polisy mpandrava korontana ny 12 tamin'izy ireo ; hetsika iray nahatonga ilay vondrom-piarahamonina mbola hanohy ny fikomiany ny Sabotsy sy ny Alahady koa.

Hetsi-panoheran'ny Zoma 

Tahaka ireo mpanao hetsi-panoherana maro any amin'ny Tany Arabo sasany, ny Bedoon dia mampiasa ny Twitter mba hilazany amin'izao tontolo izao ny famoretana mihatra amin'izy ireo. Ireo sasany amin'ny Koetiana mpanara-maso sy mafàna fo dia isan'ny tany amin'ireo hetsi-panoherana ihany koa, nampiasa ny Twitter ho hany fomba tokana hitaterany ireo herisetra. Ny Zoma hariva, Maryam Shah, Koetiana  mpanara-maso ny fiarovana ny zon'olombelona dia nanaparitaka ity sary ity mialoha ny fanombohan'ny hetsi-panoherana, maneho ny fiaran'ny polisy mpandrava korontana manatona ny faritr'i Taimaa.

Ny kaonty “Human Rights News, na Vaovaon'ny Zon'Olombelona” dia nibitsika ity sary manjavozavon'i Abdullah Mayah mpanao gazety Bedoon voasambotra eto ambany ity :

Hanan, Koetiana mpanara-maso dia nibitsika izao fanavaozam-baovao manaraka izao avy eny amin'ilay hetsika :

@Hananesque: Baomba mankarary sofina sy mandatsa-dranomaso no natsipy tamin'ireo tsy manana zom-pirenena nanao hetsi-panoherana  tao Taimaa mba hanaparitahana azy ireo.

@Hananesque: Nisambotra 3 lahy nijoro teo anoloan'ny  Burger King any Taimaa ny mpitandro ny filaminana.

Ny vondrona “Bedoon Rights” dia nandefa ny fanavaozam-baovao nivantana avy eny amin'ireo hetsi-panoherana. Ireto ny sasany amin'ireny bitsika ireny :

@BedoonRights: Ny Komisarian'ny polisy ao Taimaa dia tsy maka fepetra manoloana ireo polisy mamoritra mpanao fihetsiketsehana,  hoy ny mpisolovava Mohamed AlOtabi.

@BedoonRights: Hitanareo mazava tsara izao fa androany ny manam-pahefana dia nanome baiko mazava ireo mpikarama an'adin'ny haino aman-jery mba hanely hevitra manohitra ny Bedoon .

@AhmedBinsalem, Bedoon mpanao gazety dia nanaparitaka ity dikasary nalaina tamin'ny fahitalavitra ity, mampiseho vehivavy bedoon iray voatifitry ny rano nalefan'ny polisy mpandrava korontana.

ALZIADIQ8 mpampiasa YouTube dia nanaparitaka ity fanadihadiana tamin'ny fahitalavitra ity izay mampiseho an'i Fatma Al-Mattar, vehivavy Koetiana mafàna fo  mitantara ny fomba nampijalian'ny polisy mpandrava korontana azy noho ny fahasahiany nanakana io polisy io tsy hikapoka tanora Bedoon iray mpanao hetsi-panoherana :

Ho valin'izay, Nabeel Rajab mafàna fo sady filohan'ny Bahraini   Gulf Center for Human Rights dia nibitsika hoe :

اعتقالات نشطاء فئة البدون في الكويت‬ الشقيقة واقتحام منازلهم هو عمل غير انساني لن ينهي ازمتهم التي تحتاج لتصحيح وليس لتصعيب وتعقيد ‎‪
@NABEELRAJAB: Ny fisamborana ireo Bedoon mafàna fo any Koety sy ny fidirana an-keriny ao an-tranon'izy ireo dia fihetsika tsy manaja ny maha-olona izay tsy hahavaha ny olan'izy ireo amin'ny krizy izay mila fanavaozana fa tsy fanasarotana.

Ny Tale lefitry ny Gulf Center for Human Rights @khalidibrahim12  ihany koa dia nibitsika ihany koa naneho hevitra :

@khalidibrahim12: Tsy manana zom-pirenena, tsy manana hoavy, tsy misy asa, tsy manana zo fototra. Izany no zava-misy marina ho an'ny Bedoon  any #Koety noho izany tena manana zo ny hikomy izy ireo.

Ahmed AlFadhli (‏@ahmad_xavi), Bedoon mafàna fo dia nibitsika  ity sarin'i Ahmed Najim ity, iray amin'ireo gadra Bedoon izay voadaroka rehefa nitolo-batana tany amin'ny polisy :

7MGAN,  mpitoraka bilaogy amin'ny alàlan'ny lahatsary, dia nandefa sary maharitra 15 minitra momba hetsi-panoheran'ny Zoma tao amin'ny Youtube :

Ny Sabotsy, raha  nanao tatitra ny “Bedoon Rights/Zon'i Bedoon”, dia nandona mpikomy anankiroa ny fiaran'ny polisy, 16 taona ny iray amin'izy ireo.

 Ho an'ireo mpikomy dia manafintohina ny mahita ny polisy mpandrava korontana mihaza azy ireo miaraka amin'ny fiarany  ary ny marina dia mandona mpanao hetsi-panoherana anankiroa. Khaled Oblaid Fadhel Al-Enizi, 16 taona, dia voadonan'ny polisy ary nentina haingana any amin'ny hopitalin'i Jahraa. Ny mpitandro filaminam-panjakana dia nanadihady ilay adolantsento Bedoon sy ny rahalahiny nanao hoe : ” Iza no namporisika anareo hikomy ? Nahoana ianareo no nikomy niaraka tamin'ireo Shia ireo ?” Ny Sabotsy, navotsotra i Al-Enizi raha nanapa-kevitra ny tsy hametraka fitoriana ny fianakaviany. Fa ho an'ilay iray hafa mpanao hetsi-panoherana izay voadoanan'ny fiaran'ny mpitandro filaminana dia nandositra haingana ary tsy niteny ny loza izay nahazo azy noho ny tahotra ny ho voasambotra.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny tatitray momba ireo Mpialokaloka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.