Oganda: Ny Lainga Ogande Tsara Indrindra Ao Amin'ny Twitter

Ny tenifototra #TopUgandanLies sy #TopKenyanlies dia nivalamparana ny tontolo andron'ny 13 Jona 2012, lalao natao hahafantarana izay lainga tsara indrindra ao amin'ny faritra izy io. Ireto ny sasany amin'ny lainga tsara indrindra tany Oganda :

@LostInKampala dia mampatsiahy ny iray tamin'ireo lainga tany am-pianarana taloha izay nandaingan'ny mpianatra iray tamin'ny sasany  ny toerana nividianana ny kirarony :

@LostInKampala#TopUgandanLies‬   Avy any UK ity kiraro ity, nalefan'ny rahalahiko ho ahy.

Pinnochio, mariky ny fitanilàna handaiga. Sary : Enrico Mazzanti (1852-1910).

@Gladystty mibitska ny fomba ahazoan'ny bandy sasany ny laharana findaim-behivavy :

@Gladystty:#TopUgandanLies‬ Tsy dia fanaoko ny manontany laharana findain'olo-mihaja fa mba hiala amin'ny mahazatra aho

@RugyendoQuotes dia mibitsika mahakasika ny sasany izay mihambo ho mahalala olona ambony ao amin'ny governemanta :

@RugyendoQuotes: ‪#TopUgandanLies‬ ‘Andraso kely iray segondra handray ity antso ity aho. Antso avy any amin'ny Lapam-panjakana ity’.

@LostInKampala dia mibitsika mikasika ny fomba mahatonga ny olona sasany handainga moba ny toerana  hijeren'izy ireo sarimihetsika :

@LostInKampala#TopUgandanLies‬ “aty amin'ny cineplex eto am-pijerena sarimihetsika ” fa ny tena heviny dia aty amin'ny “Jingo's” kafunda [trano fijerena sarimihetsika eny amin'ny tanàna ambany ao Jingo]

@SW_Mark mibitsika ny fomba fandàvan'ny olona sasany any Oganda ho tsy mandray alikaola nefa ny marina dia ataony izany :

@SW_Mark#TopUgandanLies‬ Tsy misotro toaka aho  …#silamo‬ ry sipa …tsy mandà izany ny bandy

@WaddaMutebi dia nanoratra :

@WaddaMutebi: #TopUgandanLies Ireo teknisianintsika dia miasa mafy mba hamerenana indray ny tambajotra any faritra misy anareo (foibenà antso gal)

Ny fotoana Ogande :

@PhenomenalPPP: Ety an-dàlana aho, tonga any aho afaka 15 minitra. Mahazatra #topUgandanLies

Ny politika Ogande :

@Aminah_23: #TopUgandanLies M7  tsy hahazo ny ampaham-potonany faha-5 i [Yoweri Museveni] @waddamutebi

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.