Sahala amin'ny any amin'ny tanàna maro manerana ny tany, ao Santiago, Shily, ireo volana iainana ny ririnina dia henjana sy zava-doza ho an'ireo tsy manan-kialofana.
Alejandro Rustom, mpiara-miasa iray ao amin'ny tranonkalanà sary fanao an-gazety Demotix, dia mampibaribary ny tena zava-misy iainan'ireo tsy manan-kialofana ao an-drenivohitra Shiliana sady manasongadina ny fomba entin'ireo olom-pirenena hanampiana azy ireny.
Alejandro manoratra hoe :
Any amin'ny Fileovan'i Franklin ao Santiago de Chili, misy vondron'olona miaina eny an-dalambe izay tsy manam-bintana hiaina ambany tafo sahaza. Mivelona eny an-joron'ny fiarahamonina ry zareo.
Vondronà iray ahitàna mpampianatra, mpianatra ary Ray aman-dreny ao amin'ny Kolejy Tereziana no nikarakara andiany hitsidika an'ireny olona ireny, mba hanolotra sakafosy fitafiana. Nestor Chavez Guerra, Profesora sady mpitarika ny sekoly pastoraly dia mihevtafa ny zavatra tena manan-danja indrindra dia ny mihaino ny olan'izy ireny sy ny filàny mba hahafahana mitndra fanampiana isaky y fitsidihana atao.
Asehon'i Rustom ny fomba ataon'ny tsy manan-kialofana sasany ao Santiago mba hivelomany:
Alainy sary ihany koa ireo toerana amboarin-dry zareo mba hatorianasy ny ezak'izy ireny hiarovan-tena amin'ny hatsiaka :
Farany, alain'i Rustom sary ny fomba ataon'ny andianà olom-pirenea miezaka mitondra fiovàna amin'ny fiainan'ireny tsy manan-kialofana ao Santiago ireny :
Afaka mahita sary maromaro kokoa ianao a amin'ny andany roa natan'i Rustom mikasika ireo tsy manan-kialofana ao Santiago: Miezaka ny mivelona araka izay vitany ireo tsy manan-kialofana eny an-dalambe – Santiago, ary An-tsary : Shiliana tsy manan-kialofana manao izay hahatafitàna ny alina