Rosia : Resaka nifanaovana tamin’i Jesse Heath, mpanoratra ny bilaogy The Russia Monitor

Ny bilaoginy The Russia Monitor izay mandinika ny fironana vaovao eo amin’ny toe-karena, politika  ary ny fanao ao amin'ny fanaovan-dalàna Rosiana. Ny  fomba filazany ny lafiny ara-teknika ireo toe-javatra sahanina no tena mampiavaka an’i Heath amin’ny bilaogera manoratra teny anglisy hafa momba an'i Rosia. Ohatra: nofotoriny amin'ny antsipiriany ny fanitsiana lalàna momba ny tetikadim-pihariana eo amin’ny federasiona Rosiana, tsikaritr’ilay mpandalina politika rosiana malaza Vladimir Pribylovsky ny filazany ireo paikady nataon'i Putin nialoha ny fifidianana. Tao anatin’ny fifampiresahana amin’ny finday ny 18 Jona, no nanazava antsipiriany tamin’ny “RuNet” ny tantaran’ny bilaogy sy ny zava-kendreny i Jesse Heath.

JesseHeat ,mpamorona ny bilaogy « The Russia Monitor ». Saripika nahazon-dalana avy amin’ny JH.

Amin’ny maha-mpisolovava anao, manetsika fanontaniana saro-pady matetika ianao toy ny kolikoly sy ny hafetsena eo amin’ny raharaham-pitsarana ao anatin’ny bilaoginao. Inona no anton’ilay safidy ho bilaogera, na dia teo aza ny asanao?

Ny tena marina, raha vao nanomboka nitazona ity bilaogy ity aho, tamin’ny taona 2007, mbola mpianatra lalàna aho fa tsy mpisolovava. Ankehitriny, mazava ho azy, tsymiresaka afa-tsy ireo toe-javatra izay tsy misy ifandraisana mivantana amin’ny asa aman-draharahako. Toy ny mahazatra, maka ireo zava-mitranga fakafakain’ny fampahalalam-baovao Rosiana na amerikana aho, ka eo no hametrahako ny fomba fijeriko manokana. Izay no antony, na dia mikitika ireo lohahevitra saropady ihany aza aho indraindray, tsy miresaka zavatra mifandraika amin'ny asako amin’izao mihitsy anefa izany, noho izany tsy mametraka olana. Amin’nyankapobeny, manoratra  lahatsoratro avy amin’ny zavatra fantatro manokana eo amin’ny olana ara-kolikoly eto Rosia aho (raha ny fahazaran-draharaha sy fikarohana nataoko), kanefa betsaka ny zava-misy fantatra eo amin’ny tontolon’ny asako.

.

Inona marina no tena nanosika anao hamorona io bilaogy io raha mbola mpianatra ?

Tamin’izay fotoana izay, Niasa tao amin’ny fitsarana tampony aho tamin'izany fotoana izany, izay mety mahavariana ihany, saingy tsy mitaky fanoratana. Izany  no nahatonga hanao zavatra hahafahako manoratra sady maharaka ny zava-mitranga ao Rosia ; vahaolana nety tamiko ny famoronana io bolongana io.

Mifandray amin’ny bilaogera hafa na solontenan’ireo mpanome vaovao ankoatra ny haino aman-jery lehibe ve ianao ? Satria ny bilaogera iray, tsy mitovy amin’ny hoe mpanao gazety, tsy « Ofisialy » izany. Iza ary no hifandraisanao?

Vitsivitsy ihany ireo bilaogera miteny anglisy miresaka momba an'i Rosia, noho izany saika nifakafantatra avokoa  izahay. Maro no niseraserako, ary mpisolovava ihany koa ny ankabeazan’izy ireo. Fa raha mpanao gazety “ofisialy”, vitsivitsy ihany no efa nihaona tamiko, na dia fantatro mazava tsara aza hoe iza izy ireo. Afaka mifandray amin’ny alalan’ny “Twitter” (serasera) izahay, saingy somary vitsy ihany  no fantatro manokana.

Toy ny hoe ianao hafa ve ny bilaogeranao ? Na eo amin’ny fiainana andavanandronao koa, mampiseho anao amin’ny maha-mpanoratra ny “Russia Monitor” amin’ny olona ve ianao? Raha tsy hoe fialamboly ho anao fotsiny ny mihazona bilaogy, lahasa izay raketinao samirery?

Raha amin’ny toerana misy ahy aloha, tsy misy idiran’ny hoe alter ego (izaho hafa). Nifanerasera olona maro aho (ohatra, rehefa fivoriana anatin’ny sehatry ny asako) izay mamaky ny bilaogiko,kanefa tsy mahafantatra fa izaho no manoratra azy io.

Raha aminao, karazan’olona manao ahoana no mamaky anao, ary inona no antony ?

Raha ny eritreritro aloha dia mpisolovava no matetika  mpamaky ny lahatsoratro, satria  mazàna aho miresaka momba ny lalàna, toy ny lalàna momba ny fampiasambola stratejika, izay manara-maso ny fampiasam-bola [fihariana] eo amin’ny indostrian'ny fiarovana sy amin'ny sehatra hafa. Tsy resy lahatra ianao,olona vitsy no mamakafaka izany lohahevitra izany, ary hitako fa manintona mpamaky maro tokoa ny lohahevitra tahaka izany. Mety ireo olona mampiasa vola etoRosia ka te hahalala hatrany ny fivoaran’ny fepetran-dalàna (ohatra, eo amin’ny sehatry ny angovo sy ny solitany), mety ho mpisolovava hafa ihany koa, na mpiasam-panjakana aza. Hatramin'ny nifindrako teo amin’ny Blogger  amin’ny « Wordpress », tsy afaka niditra amin’ny antontan'isan'ny mpitsidika intsony aho, saingy hitako teo aloha  fa avy amin’ny firenena Etazonia ny sasany amin’izy ireo sy mpitantan-draharaha hafa. Misy ihany koa vondron’olon-tsotra manana anton’asa ifandraisana amin’ny Rosia ka mamaky ny « Russia Monitor ». Raha ho an’ireo olona miasa amin’ny sehatr'asa hafa, angamba tsy dia misy diky ho azy ireo loatra ny bilaogiko.

Mety mifandraika amin'ny famakafakanao lohahevitra « maina » be loatra ho an’ireo tsy mahalala ?

Mety mifandraika amin'ny tsy fitadiavako  izay hampitolagaga, mifanohitra amin’ny ataon'ny bolongana na filazam-baovao sasany. Manankarena amin’ny lohahevitra manafintohina ny lahatsoratra  rosiana, ny hetsika ataon’ireo mpanohitra ny fifandraisana eo amin’ny Amerikana sy ny Rosiana. Mirona amin'izany ihany koa aho nefa, araka ny nolazainao, amin'ny fijery « maina »kokoa.

Raha malaza amin'ny resaka fanafintohinana ny ako avy any Rosia, inona kosa aminao, ny mifanohitra amin’izay, ireo toe-draharaha izay tsy dia nalaza loatra ? Inona no karazam-baovao matihanina sy avo fandalina tsy hita amin’ny bolongana ankapobe fa hita ao amin’ny « The Russia Monitor » irery ihany ?

Mieritreritra aho  hoe, ankoatra ny lahatsoratro izay mikasika ny lalànan'ny fampiasam-bola stratejika, tsindraindray foana aho no miresaka lohahevitra izay tena voafaritra manokana. Ny toe-karena, ohatra, dia lohahevitra iray fakafakain’ny hafa ihany koa. Mora ny nametahana an'i Rosia ho « miankin-doha amin’ny solitany ». Nefa, ataoko fa, maka fotoana mihoatra ireo bilaogera hafa aho handalinana antsipiriany izany fiankinan-doha izany, hampisehoana ny voka-dratsiny rehetra eo amin’ny toekarena Rosiana, ary mandinika ihany koa ny fifampiankinana eo amin’ny   “fitomboan-[karena] sy fanjifana ». Na dia misokatra ho an’ny rehetra aza ny lohahevitra momba izany, amin’ny alalan’ny antonta-kevitry ny banky iraisampirenena na loharano Rosiana maro. Mazava loatra, misy bilaogy hafa azo oharina amin'izany. Ohatra, StreetwiseProfessor [fitenyAnglisy] izay tsy miresaka afa-tsy Rosia, kanefa ahitana lahatsoratra momba ny toekarena Rosiana izay mitantara ny zava-misy amin’ny fomba mahatoky sy voatsinjara hatrany.

Ary tiako tsipihina  ihany koa  fa nahitana fivoarana ny toe-javatra eto Rosia raha jerena ny kolikoly, noho ireo olona toa an’i Alexei Navalnv [bilaogera sy mpanohitra fanta-daza] sy ireo hafa, izay nametraka io olana io ho lohalaharana. Nefa, mbola manely izany siosio-dresaka izany ihany ny tontolo, milaza an’i Poutine ho voarohirohy  amin’ny resaka kolikoly. Sasantsasany amin’ireo siosion-dresaka ireo dia mety hipetraka toy ny marina, kanefa  tsy afa-matoky zato isan-jato an'ireny isika.Tsaho fotsiny ireny.Ny tsy hitany dia endrika kolikoly tena manimba sy miely izay atrehin'ny Amerikanina sy ireo orinasa amerikanina te hanao fandraharahana ao Rosia sy izay mampijaly ny orinasa rosiana andavanandro. Ny olona rehetra dia mila tantara mampihetsi-po, mazava loatra, saingy mieritreritra aho tokony hahalala ny anjara toeran'ny kolikoly amin'ny firenena tahaka an'i Rosia ny olona (sy ny haratsiany) raha tonga saina izy fa tsy fandraisana kolikoly ataon'ny Filoha ihany io. Miresaka momba ny sehatra ambany aho, zavatra mpitranga isan'andro efa tafiditra ho kolontsaina.

Vous pourriez nous donner un exemple de cette “petite” corruption dont on ne parle pas aux informations ? Afaka manome ohatra amin’izany kolikoly  “madinika“ izay tsy voaresaka amin'ny vaovao ve ianao?

Ndao ary raisintsika ohatra ny fahazoan-dalana manori-trano  ao Rosia. Amin'ny ankapobeny, miandry herintaona mahery aloha. Mitanisa ny ambaratongan’ny fizotrany rehetra ny Banky iraisam-pirenena, izay mila fanatonana vaomiera mpanapaka maro, ka aorian’ny fandinihana, dia afa-manaiky na mandrara ny fanomezana alalana avokoa ny tsirairay amin'izy ireo. Lazaiko hoe “fandinihana”, fa tsy voalaza mazava raha mametraka telopolo andro handraisana fanapahan-kevitra ity vaomiera mpanapaka resahana na tsia, aorian’ny famakiana ny antontan-taratasy, na tsy maintsy manome ny fehikeviny ao anatin’ny valo amby efa-polo ora. Ankoatr’izay,mitovy ihany ny fepetra arahina na momba ny olon-tsotra izay te hanorina “datcha”(trano  fivahinianana any Rosia) na orinasa mana-tetikasa tranombarotra vaovao na ozinina iray. Ka mba hahazoana fotoana sy tombondahiny manoloana ny mpifaninana, misy eny antenan-dalana no manome kolikoly entina hanafainganana ny raharaha. Raha mandeha am-pahamarinana ianao dia ho sarotra kokoa ny raharaha.

Somary manorisory ihany izany, sa ahoana ? Kanefa dia toe-javatra toy izay mihitsy no atrehan’ny Rosiana tsotra isan’andro. Hitako fa tena mila fiheverana kokoa ny olana tahaka izany. Ny lolom-po mazàna dia tsy avy amin’ny hoe manana tanàna fitsangatsanganan'ny mpizahatany i Putin na lapa eo amoron'ny ranomasina mainty ; mivelona amin’izany karazan-pahasarotana sy vato misakana amin’ny fiainana andavanan’andro toy  izany izy, izay sakana amin'ny fananganana varotra na fananganana trano. Izany no mety teten-drano hampitobaka ny siny na hampipoaka ny sarom-bilàny manosika ny olona rehetra hidina an-dalambe, hanehoany ny hasosorany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.