Meksika: Manohitra ny Valim-pifidianana Ny Hetsiky ny Mpianatra #YoSoy132

Nitohy naneho ny ahiahiny amin'ny valim-pifidianana vonjimaika, andro vitsivitsy taorian'ny fifidianana filoham-pirenena ny 1 Jolay teo, ireo mpiandany sy mpikambana amin'ilay hetsiky ny mpianatra #YoSoy132.

Nanao voady ihany koa izy ireo ny hanohizany ny ezaka mba hanovàna ny fandaharana ara-politika sy handrisika ny fandraisan'anjaran'ny tanora. Fifidianana mangarahara tsy misy kolikoly ao amin'ny firenena noho ny fironan'ny gazety amina antoko politika no tena fototry ny fitakiana.

Taorian'ny fifidianana ny 1 Jolay teo, nanomboka nizara ny eritreriny, ny ahiahiny, ary ny fahadisoam-panantenany amin'ny ankapobeny, ireo mpisera aterineto mpanohana ny hetsika.

Nijery ny fifidianana amin'ny alalan'ny randram-baovao hita ao amin'ny Twitter i Benedicte Irgens  (@Birgens):

Mamaky sioka  momba ny fifidianana Meksikàna. Misaritaka ny ankabeazany. Ahitana porofona halatra kosa ny sasany. #Fraude2012‬#Yosoy132

Nandritra izany fotoana izany, naneho ny ahiahiny mikasika ilay valim-pifidianana vonjimaika ny mpisera EMB (@ErnestoMtzB) [es]:

F**K, está pasando otra vez. Una vez más. No hay que dormir. No podemos dormir. No esta vez, MEXICO. No más. #YoSoy132‬.

L*L*KA, io indray. Aza matory. Tsy amin'izao fotoana izao, MEXICO. Aoka izay.#YoSoy132‬

Mpikambana ao amin'ny hetsika YoSoy132, nilahatra tao an-tanànan'i Mexico talohan'ny fifidianana. Saripika avy amin'ny Ivan_Duf Cuevas Hernandez, copyright Demotix.

Nijery ny hoavy tamin'ny lafiny tsara i Pati Peñalosa (@patipenaloza) [es], miaraka amin'ny teny fampaherezana:

lloremos juntos. pero después sequémonos juntos. abracémonos. caminemos juntos. trabajemos juntos. iluminemos juntos. SUMEMOS #YoSoy132‬

Andao hiara-hitomany, fa aoriana kely, avelantsika ho maina ny ranomasontsika. Ndao hifamihina sy hiara-hanao diabe. Andao hiara-miasa. Andao isika hamirapiratra, NDAO AMPIANA i #YoSoy132

Nisioka momba ny hetsika izay mety hitranga aorian'ny fifidianana i Gina Naya (@GinaNaya) [es]:

Porque movimientos como #YoSoy132 seguirán creciendo y habrá otros nuevos de gente que SI desea un cambio verdadero en México…

.Satria hitombo hatrany ny hetsika toy ity #YoSoy132‬ ity ary hisy vaovao hatrany miaraka amin'ireo olona miandrandra fiovana tena marina eto Meksika…

Nidia Ortega (@cool_lavy15) [es] kosa nanazva fa tsy hitsahatra ny hetsika:

rendirnos jamas ‪‪#YoSoy132‬

Tsy ho ajanonay mihitsy ny  ‪#YoSoy132‬

Na izany aza, tsy ny tanora rehetra ao Meksika no manohana ny #YoSoy132 sy ireo fihetsem-pon'ny hetsika amin'ny fifidianana; manahy ny voka-dratsy ny hetsika ny sasany amin'ireo mpisera.

Maneho ny tsy fahafaliany amin'ireo mpianatra manao fihetsiketsehana i Julián Pavón (@jpavon86) [es], mangataka amin'izy ireo hianatra toy izay haneho ny tsy fahafalian'ny vahoaka amin'ny hetsika:

Los de #YoSoy132‬ dejénse de marchas y ponganse a estudiar, acepten el resultado como buenos ciudadanos si creen en la autoridad electoral

Ireo hetsika  #YoSoy132‬, atsaharo ny diabe ary mianara, ekeo ny voka-pifidianana toy ny olom-pirenena vanona matoky ny tompon'andraikitry ny fifidianana

Naneho hevitra kosa ity mpisera namana, Javier Novoa Cantaño (@JaviStitch) [es],fa nahita paik'ady tsara ireo tanora mpanao fihetsiketsehana:

marchas? mas marchas? no!… a ver leanse ‘Rules for Radicals’ de Saul Alinsky y aprendan qué debemos hacer los proximos 6 años… #YoSoy132

 hafa? tsia… vakio “Lalàna ho an'ny Radikaly” nataon'ny Saul Alinsky ary diniho ny ho ataontsika mandritra ny enin-taona manaraka…

24 ora taorian'ny fifidianana, nivondrona teo amin'ny tsangambaton'ny Luz Estela ao Mexico ireo mpianatra, nanao diabe sy nangataka fifidianana vaovao noho ny fiahiahiana eo amin'ny resaka hala-bato [es]. Nizara ny sary nandritra ny fihetsiketsehana i Dalila Andriano (@dtadriano) mpisera namana:

Saripika tamin'ny hetsika nozaraina tao amin'ny Twitter avy amin'i Dalila Andriano (@dtandriano)

Mbola maro ireo horonantsary nozarain'ny olom-pirenena, toy ny jiboles100:

http://www.youtube.com/watch?v=PtkRt20gVwU

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.