Bengladesy: Mampianatra ny Zaza Madinika Hiteny Teny Vahiny sy Handainga Ve Ny Sarimiaina?

Niteraka adihevitra tany Bengladesy ny sarimiaina iray nalefan'ny Fantsom-pahitalavitra Disney any IndiaDoraemon no anaran'ity sarimaina Japoney (nadika ho amin'ny teny Hindi) ity. Maro no mitaraina fa manosika ny zaza hianatra ny teny Hindi an'ny tany mifanila vodirindrina amin'i Inde, ity sarimiaina ity, ary mahatonga azy ireo handainga. Maro ireo zaza Bengladesy no manaraka ity sarimiaina ity, izay mandeha foana ary koa miverimberina matetika.

Ho azonao tsara ny antony mahatonga azy ireo ho lasa adala amin'i Doraemon rehefa mamaky ny tantaran'ny reny iray sorena ao amin'ny The blog of a Mom [bn] ianao:

Tsy mety misakafo ny zanako dimy taona raha tsy mijery Doraemon. Tsy mety manao ny enti-modiny izy na matory ara-potoana raha tsy avelako mijery an'io.

Reny iray hafa nandefa lahatsoratra tamin'ny  Daily Prothom Alo [bn] hoe:

Nilaza ny zanako valo taona fa tsy vitany irery ny enti-modiny avy any am-tsekoly. Mila robot sahala amin'i Doraemon izy hiaraka aminy sy hamaha ny olany rehetra.

This cat robot is called Doraemon.

Doraemon no anaran'ity robot saka ity. Sary avy amin'ny  Wikimedia. CC BY-SA

Sarimiaina Japoney izay nalaina tamina fandaharana Manga malaza izay nanjary andianà  sarimiaina taty aoriana i ‘Doraemon’. Miverina avy any amin'ny taonjato faha 22 ny robot saka tsy misy sofina Doraemon mba hanampy mpianatra zazalahy, Nobita Nobi. Eto no manomboka ny tantara.

Zazalahy tena kamo i Nobita ary zaza tena ratsy vintana. Niezaka nanampy azy i Doraemon amin'ny fampiasana ireo haitaon'ny taonjato faha22. Tsy nampiasain'i Nobita araka ny tokony ho izy ireo haitao ary nidi-kizo kokoa noho ny teo aloha indray izy.

Mahafinaritra ny tantaran'i Doraemon nefa azo iadiana hevitra hoe firy amin'izy ireny no azo ampiasaina ho amin'ny tanjona ara-panabeazana. Satria manko maro amin'ireo fika Doraemon no misy fitaka sy lainga.

Mandeha any amin'ny faritra miaraka amin'ny fiteny Hindi amin'ny alalan'ny satelita i Doraemon. Maro ireo ankizy nahavita niteny fehezanteny Hindi noho izy ireo milona ela loatra amin'ity sarimiaina ity. Miteny Hindi koa aza izy ireo indraindray rehefa miresaka amin'ny fianakaviany toy izay mampiasa ny tena tenin-dreniny Bangla. Ary dia niteraka adihevitra lavabe izany.

Maro no nitaraina fa mianatra ny miala amin'ny fianarany ireto zaza ireto ary mangalatra tahaka ny toetran'ilay mpilalao Nobita. Niparitaka tamin'ny haino aman-jery fototra ka hatrany amin'ny efitra fandraisam-bahinin'ny tsirairay ity adihevitra ity. Maro no nangataka fa tokony ajanona ny fandefasana ny Fantsom-pahitalavitra Disney.

Milaza i Kanak Barman [bn] ao amin'ny Somewhereinblog:

Ny zaza madinika no tena idiran-doza indrindra amin'ity sarimiaina Doraemon ity, izy izay tsy mahay miteny tsara ny teny Bangla akory nefa maka soa aman-tsara ny Hindi. Tena mampatahotra loatra mihitsy ka tonga amin'ny hoe raha tsy sakanana dieny izao ny fandefasana ity fantsom-pahitalavitra  ity, dia maro no lasa miteny Hindi noho ny Bangla amin'ny sokajin-taonan'ity vondron-taona ity. Ka tokony ho sakanana faran'izay haingana any Bengladesy ity fantsom-pahitalavitra ity.

Etsy andaniny, manakiana ny tsy fisian'ny fandaharana malaza ho an'ny ankizy amin'ny fiteny Bangla ao amin'ny fahitalavitra amin'ity zava-miseho ity i Shahriar Shafique [bn] ao amin'ny BlogBDNews24.com :

Misy fantsom-pahitalavitra maherin'ny 20 ao Bengladesy fa tsy manana fandaharana ara-dalàna sy ara-kalitao hoan'ny ankizy izy ireo. Raha ny tadidiko aloha dia nisy telo ny fandaharana tsara toy ny Sisimpur, Meena, ary ny Moner Kotha izay alefan'ny BTV indraindray isan-kerinandro. Mandefa ny sarimiaina Meena ihany koa ny Desh TV, ary ny fantsona hafa mandefa ny sarimiaina Tom & Jerry.  Malaza ireo sarimiaina vitsivitsy ireo saingy alefa anaty fotoana fohy monja.  Ny androtokon'andro dia ny fandaharana hafa toy ny laharana horonantsarimihetsika, vaovao, resadresaka mivantana, fandaharana momba ny sakafo sy fifaninana ara-talenta no mandeha; izay tsy mitondra vokany firy amin'ny ankizy madinika. Resadresaka mivantana izay tsy misy azon'ny zaza madinika, resaka amin'ny fanaovan-dakozia na fitiavana- tantaram-pitiavana- hatsikana izay tsy manintona zaza madinika akory.

Mihevitra ny mpitoraka bilaogy Fahmidul Haque [bn] fa tsy horohoro ho an'ny fiteny Bangla i Doraemon:

Manana ny heriny mampiavaka azy ny teny Bangal izay miaro ny tenany amin'ny setrasetra ataon'ny fiteny vahiny. Raha vao nanomboka ny TV satelita tamin'ny fiandohan'ny taona sivifolo, dia nihevitra ny olona fa ho very ny fiteny sy ny kolotsain'ity firenena ity. Nefa nanaraka ny fiovana ny fiteny teo an-toerana sy ny kolotsainy. Maro ireo fantsom-pahitalavitra amin'ny teny Bangla no nivoaka. Ka tsy dia henontsika intsony ny fiteny matetika hoe “kolotsaina alien” amin'izao fotoana izao. Raha tena miteraka olana marina tokoa i Doraemon, ny vahaolana mora indrindra dia ny mividy ny fahazoan-dalan'ilay andian-tantara ary ny mandefa izany rehefa avy nadika ho amin'ny fiteny Bangla no vahaolana mora  indrindra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.