Pôrtô Rikô: Niteraka Korontana Ny Fitsarana Ny Raharahan'i Francheska Duarte

[Ny rohy rehetra ato dia mitondra mankany @ fiteny Espaniola avokoa.]

Tohina ny mponina rehetra tao Pôrtô Rikô taorian'ny nandrenesana ny didim-pitsarana navoakan'ny mpitsara iray ao amin'ny Fitsarana Ambony ao San Juan mikasika ny raharahanà tovovavy iray antsoina hoe Francheska Duarte, izay nodonin'ny fiara ary taoriana kelin'izay dia navelan'ilay sakaizany taloha tany amin'ny toby fitsaboana vonjimaika tamin'ny faha 19 Desambra 2011. Voatery teo anelanenan'ny fiara roa ilay renim-pianakaviana vao erotrerony ary namoy ny tongony roa nohon'ny halehiben'ny ratra nahazo azy.

I Nerisvel Durán, ilay mpitsara nomena andraikitra hitsara io raharaha io, dia nahita fa ny hany heloka azo anamelohana an'i Jorge Ramos, sakaizan'i Francheska taloha dia nohon'ny tsy fikarakarana ilay marary  fotsiny ihany ary koa nohon'ny fandikàna ny lalàm-pifamoivoizana ao Pôrtô Rikô; nolavina ny fiampangana azy ho nanao heloka bevava. Misy fiampangana an'i Ramos ihany koa momba ny fivarotana zava-mahadomelina. Nanazava ny didim-pitsarana navoakany ilay mpitsara hoe nolavina ny fanamelohana an'i Ramos satria tsy nahitàna porofo fa tena nanana fikasana ny handratra ilay tovovavy izy.

Niaro an'i  Francheska ny governoran'i Pôrtô Rikô, Luis Fortuño ka nangataka sazy henjana ho an'ilay nahavanon-doza, izany hoe telo taona an-tranomaizina raha ity trangan-javatra ity no jerena. Nilaza izy fa hafahafa ny didim-pitsarana navoakan'ilay mpitsara:

Desgraciadamente, tenemos que respetar el tercer poder, el poder judicial. No quiero que se malinterpreten mis comentarios… pero choca, a base de los hechos que conocemos públicamente, uno esperaría que (la decisión judicial) sea más fuerte.

Kanefa, tsy maintsy hajaintsika ny fahefana fahatelo dia ny:  Fitsarana izany. Tsy tiako anefa hoe hafa ny fandraisan'ny olona sasany izany fanambarako izany… fa tena manafintohina io, izay miainga aminà tranga fanta-bahoaka. Nanantena ny tsirairay fa ho henjankenjana  (ny didim-pitsarana).

Azo jerena any amin'ny tambajotra sosialy maro ny hevitra ankapobeny amin'ny tsy finoana io fanapahan-kevitry ny mpitsara io. Olona maro no nizara vaovao mikasika ny tsy fahaiza-manaon'io mpitsara io, ary nisy takelaka Facebook roa mihitsy aza farafahakeliny noforonina ho fanohanana an'i Francheska Duarte. Nilaza ilay mpampiasa Twitter David Rivera hoe:

@davidrivera1285: Como la jueza tiene sus piernas pues q se joda!

@davidrivera1285: Tsy niraharaha azy ilay mpitsara satria mbola manana ny tongony roa!

Nilaza ny tsy fahafaliam-pony tamin'ny rafi-pitsarana ao Pôrtô Rikô  i Kay.Emn:

@karlivyris: Sistema judicial tan basura

@karlivyris: Fanariam-pako ny rafi-pitsarana.

Nanao izao fanamarihana manaraka izao ilay mpanao gazety Benjamín Torres Gotay:

@TorresGotay: Miren el caso de Francheska Duarte y pregúntense por qué es que nadie cree nada en este país.

@TorresGotay: Jereo ny tantaran'i  Francheska Duarte dia manontania tena hoe nahoana ny olona no tsy mino na inona na inona eto amin'ity firenena ity?

Ampahany amin'ny fanehoana herisetra mampivarahontsana amin'ny vehivavy ao Pôrtô Rikô io tantaran'i Francheska io. Tato anatin'ny taona vitsy dia nahitana fiakarany ny isan'ny tranganà herisetra atao amin'ny vehivavy. Ohatra iray nampalaelo naneho izany ny tamin'ny taona 2011, taona nahitana vehivavy miisa 16 novonoin'ny sakaizany tao anatin'ny efa-bolana monja, izay nahatratrarana ny fitambaran'ny isan'ny famonoana vehivavy tamin'ny taona 2007. Nilaza ny Profesora Diana Valle Ferrer, tao amin'ny lahatsoratra navoakany tamin'ny taona lasa tao amin'ny Prensa Comunitaria hoe:

Este entramado de violencia ejercido contra las mujeres ha sido reconocido a nivel global como una epidemia o pandemia, y en Puerto Rico como una emergencia social. Tal vez algunas personas piensan que esto es una exageración o una hipérbole pero los números y los hechos no mienten.

Noraisina ho toy ny areti-mifindra na aretina mandripaka ny vahoaka rehetra maneran-tany mihitsy io tambajotran'ny fanaovana herisetra amin'ny vehivavy io, ary toy ny hamehana ara-tsosialy izy io ao Pôrtô Rikô. Mety hilaza ny olona sasany hoe diso tafahoatra izany na koa fanoharana mihoatra ny tokony ho izy saingy tsy mandainga ny zava-misy sy ny fisehony.

Ilaina ny manamarika fa  efa niaina ary mbola miaina ao anatin'ny herisetra vokatry ny fanavakavahana ara-poko sy ara-bolon-koditra ny vahoaka Dominikana ao Pôrtô Rikô (i Francheska dia Dominikana). Nilaza ny kaonsilin'ny Repoblika Dominikana ao Pôrtô Rikô, Maximo Taveras,  fa mety ho vokatr'izany fanavakavahana izany io didim-pitsaran'ny mpitsara io:

Este fallo puede ser interpretado como una acción discriminatoria por el origen de la perjudicada, lo que consideramos como un revés y un precedente nefasto para la administración de justicia en Puerto Rico, especialmente en el procesamiento de los casos en que las víctimas son inmigrantes.

Azo lazaina ho fanehoana fanavakavahana io didim-pitsarana io nohon'ny fiavian'ilay vehivavy niharam-boina. Raisinay ho toy ny fepetra iray maneho ny endriky ny rafi-pitsarana ratsy tantana eo anivon'ny fitsarana ao Pôrtô Rikô io tranga io, indrindra indrindra fa amin'ny fandraisana an-tànana ny raharaha izay mpifindra monina no niharam-boina.

Nilaza ny kaonsily fa nanontany ny lehiben'ny fampanoavana, Guillermo Somoza, izy raha toa ka misy fomba hafa ahafahana mamerina ny fitsarana io raharaha io.  Nanamafy i Somoza fa tsy afaka averina intsony ny fitsarana io raharaha io satria ny lalàna dia mandrara ny famoahana didim-pitsarana roa samihafa mifanohitra, izay antsoina hoe  non bis in idem eo amin'ny sehatry ny lalàna.

Nanomana hetsika tamin'ny alalan'ny fidinana an-dalam-be ny vahoaka Dominikana tamin'ny 1 Jolay ho fanohanana an'i Francheska Duarte sy  ireo rehetra sisam-paty  tamin'ny herisetra an-tokantrano sy ny fianakaviany. Hoy i Luis Aguasvivas, iray amin'ny mpikarakara an'io filaharana an-dalam-be io sady filohan'ny “Dominican Parade” ao Pôrtô Rikô :

Necesitamos darle un importante espaldarazo y apoyo como sociedad, a las víctimas y sus familiares, enviarles el mensaje claro de que no están solos, que cada ciudadano de buen corazón estamos con ellos.

Mila manampy tosika betsaka sy manohana ireo niharam-boina sy ny fianakaviany amin'ny maha fiaraha-monina iray isika, mampita hafatra mazava tsara amin'izy ireo hoe tsy irery izy ireo, ary ao an-damosin-dry zareo ireo olona rehetra tso-po.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.